bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Hosea 10
Hosea 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 11 →
1
Voaloboka misandrahaka sady namoa tsara i Israely. Arakaraka ny hamaron’ny voany no nanamaroany ny alitarany; arakaraka ny nandrosoan’ny taniny no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy kokoa hatrany.
2
Feno fitaka ny fony, ka hianjady amin’ireo olona ireo ny vesatry ny heloka vitany. Izy TOMPO mihitsy no hamotika ny alitaran’ireo sy handrava ny tsangambaton-tsampiny.
3
Ankehitriny hiteny ireo hoe: «Tsy mana-mpanjaka izahay noho ny tsy nanajanay ny TOMPO. Sady soa inona ho anay moa no ho vitan’izay mpanjaka?»
4
Miteniteny foana izy no mianian-tsy tò sady manao fifanekena, ka ny rariny dia nitrebona toy ny zava-maniry misy poizina eny an-tsaha voaasa eny.
5
Ny mponin’i Samaria dia manaja ilay sarin’ombilahikely izay ao Bety-Avena, satria misaona azy ny vahoakany mbamin’ireo mihambo ho mpisorony. Ny voninahitr’ilay ombilahikely anie no aoka hiravoravoany, amin’izao izy lasa babo ho lavitra antsika izao!
6
Satria io ombilahikely io koa dia hoentina any Asiria ho fanomezana ho an’ilay Mpanjaka lehibe; hahafa-baràka an’i Efraîma izany; eny, hangaihay i Israely noho ny sain-dratsiny.
7
Vita hatreo ny amin’i Samaria, fa ny mpanjakany dia toa sila-kazo mitsingevaheva eny ambonin’ny rano.
8
Ho rava ireo toeram-panasinana: izany no hadisoana sy fahotan’i Israely. Songosongo aman-tsilo no handadina ny alitarany. Amin’izay no hitenenana hoe: «Ry tendrombohitra, saròny izahay!» «Ry havoana, mianjerà aminay ».
9
Hatramin’ny andron’ilay raharaha izay niseho tao Gibehà no efa nanota i Israely, ary tsy niova tamin’izany izy. Koa tsy rariny ve raha ao Gibehà ny ady no hahatratra ireo olon-dratsy ireo?
10
Sitrako ny hanafay azy, hoy Izaho TOMPO: ireo firenena no hifamory hamely azy ho valin’ny heloka roa nataony.
11
I Efraîma dia ombivavy kely efa voafolaka tsara ary tia mively vary. Raha nahita ny vozony tsara tarehy aho, dia nanisy zioga azy: ka i Joda hiasa tany ary i Israely handravona.
12
Mamafaza fahamarinana, dia hijinja fitiavana ianareo. Miasà tany vaovao fa izao no fotoana hitadiavana ny TOMPO, mandra-piaviny handatsaka aminareo ny famonjena.
13
Faharatsiana kosa no nambolenareo ka nijinja heloka ianareo ary nihinana ny vokatry ny lainga. «Ry Israely ô, ny herinao no nitokianao ary koa ny habetsahan’ny miaramilanao.
14
Koa hitrangan-tabataban’ady ny vahoakanao, ary ho rava avokoa ny tanànamimandanao, tahaka ny nandravan’i Salmàna an’i Bety-Arbèla tamin’ny andro niadiana izay nahatorotoro ireo reny mbamin’ireo zanany.
15
Toy izany no hanjo anareo, ry vahoakan’i Israely, noho ny haratsiana mihoa-pampana vitanareo. Vao maraina ny andro, dia ho faty ny mpanjakan’i Israely.»
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
Recommended Reading
Commentary
Hosea Commentaries
→
Devotional
Hosea Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→