bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Hosea 11
Hosea 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 12 →
1
«Fony mbola tanora i Israely, dia notiaviko, hoy Izaho Tompo; ary zanako izy ka nantsoiko hiala tany Ejipta.»
2
Nefa arakaraka ny niantsoako azy no vao mainka nanalavirany Ahy. Nanatitra sorona ho an’i Bahala izy ary nandoro vovo-javamanitra ho an’ny sampy.
3
Izaho no nampiana-mandeha an’i Efraîma sady nitondra azy an-trotroana. Kanefa tsy fantany fa Izaho no nikarakara azy.
4
Notahitahîko ny fitarihana azy tamin’ny mahazakam-pitiavana; ary ho azy Aho dia toy ny reny izay manainga ny zanany hatehika amin’ny takolaka sady niondrika namahana azy.
5
«Tsy hiverina any Ejipta ny vahoakan’i Israely; fa i Asiria kosa no hanjaka aminy, satria tsy nety niverina tamiko izy.
6
Hisy ady mafotaka ao an-tanànany, ka handrava ny fiarovany ary hahatonga fandripadripahana; izany no vokatry ny pôlitikan’i Israely.
7
Minia miodina amiko ny vahoakako; ary antsoina mba hanatona Ahy ilay Avo izy fa tsy misy mety miainga izy rehetra.
8
«Hataoko ahoana anefa no hahafoy anao, ry Efraîma, na hamadika anao, ry Israely? Hataoko ahoana koa no hahafoy anao ho tahaka an’i Admà sy i Tsebôima? Onena anao ny foko ato amiko fa indray miontana ny fitiavako.
9
Tsy hanampatra fahatezera-mirehitra Aho na ho avy handringana an’i Efraîma; tsy olombelona Aho fa Andriamanitra dia Ilay Masina eo aminao; ka tsy ho avy amim-pahatezerana mafy Aho.»
10
Ny TOMPO Izay hierona tahaka ny liona no harahin’ireo voasesitany hody. Ary rehefa mierona ny TOMPO, dia ireo zanany no hihazakazaka hanatona avy any ampitan-dranomasina any.
11
Avy any Ejipta koa izy no hanatona amin-kovitra toa voronkely, ary avy any Asiria no hanatona amin-kovitra toa domohina; ka dia hoentiko miverina any an-tranony indray izy. Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
Recommended Reading
Commentary
Hosea Commentaries
→
Devotional
Hosea Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→