bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Hosea 2
Hosea 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 3 →
1
Kanefa, indray andro any, ny isan’ny Israelita dia ho marobe tsy tambo isaina toy ny fasika amin’ny ranomasina. Ary eo amin’ny toerana izay nilazana taminy hoe: «Tsy vahoakako ianareo», no hanambaràna aminy kosa hoe: «Zanak’ilay Andriamanitra velona ».
2
Dia hiray hina ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Israely ka hifidy filoha tokana ary hanenika ny taniny: fa ho lehibe ny andron’i Jizrehèla.
3
Ny mpiray firenena aminareo raha lehilahy, dia ilazao hoe: «Hamỳ» ary raha vehivavy, dia ilazao hoe: «Rôhamà ».
4
Miampangà an’i Israely reninareo; eny, miampangà azy, hoy Izaho TOMPO, fa izy tsy vadiko intsony ary Izaho tsy vadiny intsony. Aoka hoesoriny hiala amin’ny tavany ny mariky ny fivarotan-tenany ary hoesoriny tsy ho eo an-tratrany ny famantaram-panitsakitsaham-bady!
5
Fandrao hampitanjahiko izy ka hampihanjahanjaiko toy ny tamin’ny andro nahaterahany. Hovako toy ny taniefitra sy toy ny tany karankaina izy, ary hataoko matin-ketaheta.
6
Tsy ho tia ireo zanany Aho satria zanaky ny fivarotan-tena ireny.
7
Eny, efa nivaro-tena ny reniny; ilay torontoronina azy ireo efa lany henatra rehefa nanao hoe: «Hanaraka ireo lehilahy sakaizako aho, dia ny mpanome mofo sy rano ahy ary koa volon’ondry sy kiran-drongony mbamin’ny menaka sy zava-pisotro.»
8
Noho izany, Izaho TOMPO hamefy tsilo ny lalany ka hanampina izany; ary tsy hahita izay halehany izy.
9
Na dia hiezaka hanenjika ireo lehilahy sakaizany aza izy, dia tsy hahatratra azy akory; hitady ireo izy nefa tsy hahita, ka hiteny anakampo hoe: «Ndeha hody amin’ny vadiko voalohany aho, fa niadana kokoa aho tamin’izay noho ny ankehitriny.»
10
Saingy tsy fantany fa Izaho no nanome azy vary sy divay ary menaka vao sady nampanankarena azy volafotsy sy volamena izay nampiasainy ho an’i Bahala.
11
Koa halaiko aminy indray ny variko raha fararano, ary ny divaiko amin’ny fotoam-piotazana. Hoesoriko aminy ny volon’ondriko sy ny kiran-drongoniko izay nanaronany ny fitanjahany.
12
Ankehitriny no hampitanjahako azy eo imason’ireo lehilahy sakaizany, ka tsy hisy hahafaka azy amin’izany famaizako izany.
13
Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ireo fety fanaony isan-taona, ireo voaloham-bolany sy ireo sabatany ary ireo fety hafa fankalàzany.
14
Hosimbako ny voalobony sy ny aviaviny izay nataony hoe: «Izany no karama nomen’ny lehilahy sakaizako ahy.» Hovako ho kirihitr’ala ireny ka hataon’ny bibidia sakafo.
15
Hofaiziko izy noho ireo andro nandoroany vovo-javamanitra mifangaro ho an’ireo Bahala isan-karazany: niravaka peratra sy firavaka izy, ka nanaraka ireo lehilahy sakaizany; fa Izaho TOMPO kosa nohadinoiny, hoy ny teny hentitra ambarako.
16
Koa Izaho no hitaona azy indray sy hitondra azy ho any an-taniefitra ary hanao teny manohina ny fony.
17
Avy any no hamerenako aminy ny tanimboalobony; ary ho tonga varavaram-panantenana ny lohasahan’i Hakôra. Any no hamaliany Ahy an-kira toy ny tamin’ny androm-pahatanorany, dia tamin’ny andro niakarany niala avy tany Ejipta.
18
Rehefa mby amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ilay Israely reninareo dia hiantso Ahy hoe «vadiko» fa tsy hoe « Bahalako na tompoko» intsony.
19
Tsy havelako hotononiny ny anaran’ireo Bahala ka tsy hotsaroana mbamin’ny anarany.
20
Koa amin’izany andro izany, dia hanao fanekempihavanana ho an’ny vahoakako Aho, dia amin’ny biby eny an-tsaha, amin’ny voromanidina, amin’ny biby mandady; hofoanako tsy hisy amin’ny tany intsony ny tsipîka sy ny sabatra ary ny ady, ka dia hataoko mandry feizay ny mponiny.
21
Hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, ry Israely; hofofoiko ho vadiko amin’ny rariny sy ny hitsiny, ary amin’ny fitiavana sy ny indrafo.
22
Hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana ianao ka hiaiky Ahy ho TOMPO.
23
Rehefa mby amin’izany andro izany, dia ho TOMPO hamaly izay ilaina Aho, hoy ny teny hentitra ambarako: Izaho no hamaly izay ilain’ny lanitra; ny lanitra hamaly izay ilain’ny tany,
24
ny tany hamaly izay ilain’ny vary aman-divay sy menaka vao; ary ireo kosa hamaly an’i Jizrehèla.
25
Eo amin’io tany io i Jizrehèla, no hataoko miorim-ponenana; ho tiako i Lô-Rohamà ary i Lô-Hamỳ hitenenako hoe: «Vahoakako ianao»; ary izy kosa hamaly Ahy hoe: «Andriamanitro Ianao».
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14