bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Hosea 8
Hosea 8
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 9 →
1
Tsofy ny anjomara, fa ho toy ny voromahery ny fiantefan’ny loza amin’ny tanin’ny TOMPO. «Satria nandika ny fanekempihavanako ireo olon’i Israely ireo, hoy Izaho TOMPO, ary nanohitra ny fampianarako.
2
Na dia mitaraina amiko aza izy hoe: ‹Ry Andriamanitr’i Israely ô, mahalala Anao izahay!›,
3
dia efa nolavin’i Israely ny tsara, ka hanenjika azy ny fahavalo.
4
Nanangana mpanjaka izay tsy nofidiko izy ary nanendry filoha izay tsy fantatro akory. Nanaovany sampy ny volafotsy na ny volamenany mba ho fongotra aminy.
5
Maharikoriko ilay ombilahikelinareo, ry olon’i Samaria! Mampirehi-pahatezerana Ahy ianareo Mandra-pahoviana ny tenanareo no tsy hiharam-pamaizana?
6
Fa avy tamin’i Israely io ombilahikely io, mpahay taozavatra no namboatra azy, ka dia tsy Andriamanitra izy; eny, ho montsamontsana ilay ombilahikelin’i Samaria.
7
Mamafy rivotra ianareo ka hijinja tadio. Fa hoy ny ohabolana hoe: «Vary tsy amin-tsalohy tsy vanon-ko lafarinina.»; ary raha tàhiny aza hisy, dia ny vahiny no handany azy.
8
Voatelina i Israely; ary indro izy efa tonga toy ny fanaka tsy misy vidiny any amin’ny hafa firenena.
9
Nandeha niakatra tany Asiria izy; mahay mizaka tena ny borikidia, fa mividy sakaiza ho azy kosa i Efraîma.
10
Na dia nizara fanomezana tamin’ny firenen-kafa aza izy, dia tonga kosa ny fotoana hamoriako azy ankehitriny. Ary tsy ho ela izy dia hijaly noho izay hatambesatr’ilay mpanjakan’andriana.
11
Nampitombo ireo alitara i Efraîma mba hahatonga azy hanota; eny, ireo alitara ireo tokoa no mahatonga azy hanota.
12
Na ho an’arivony mihitsy aza no hanoratako ho azy ny lalànako, dia hoheveriny ho zava-poana izany.
13
Mahavatra manatitra sorona izy satria te hihinan-kena. Nefa Izaho TOMPO tsy faly amin’izany; ankehitriny tsaroako ny heloka nataony ary teteziko tsirairay ny fahotany. Tsy maintsy hiverina any Ejipta izy.
14
«Nanangan-dapa maro i Israely, ka nanadino ny Mpanao azy. I Joda koa etsy an-daniny dia nampitombo tanànamimanda; nefa handefasako afo ny tanànany ka holevonin’izany ny lapany.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14