bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Leviticus 11
Leviticus 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 12 →
1
Dia niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO
2
mba hamepetra ny Israelita hoe: «Izao no ho fihinanareo amin’ny biby rehetra eto ambonin’ny tany:
3
ny biby rehetra mivaky kitro sady mandinika.
4
Kanefa ny biby mandinika fotsiny na mivaky kitro fotsiny tsy hohaninareo, fa maloto aminareo ireny, ohatra: ny rameva satria mandinika ihany izy nefa tsy mba mivaky kitro;
5
ny hiràka, satria mandinika ihany izy nefa tsy mba mivaky kitro;
6
ny bitro, satria mandinika ihany izy nefa tsy mba mivaky kitro;
7
ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy nefa tsy mba nandinika.
8
Koa aza haninareo ny henany ary aza kasihinareo akory ny fatiny: maloto aminareo ireny.
9
«Izao no ho fihinanareo amin’ny biby rehetra ao anaty rano, na farihy na ranomasina na renirano: ny biby rehetra misy vombony sy kirany.
10
Ho fady aminareo kosa izay tsy misy vombony sy kirany amin’ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika anaty rano:
11
eny, ho fady aminareo ireny, ka aza haninareo ny henany ary fadio ny mikasika ny fatiny.
12
Izay biby rehetra ao anaty rano, kanefa tsy misy vombony na kirany, dia ho fady aminareo.
13
«Izao kosa no hofadînareo amin’ny vorona ka tsy hohaninareo: ny voromahery sy ankoay isan-karazany;
14
ny fanindry sy papango isan-karazany;
15
ny goaika isan-karazany;
16
ny aostritsa, ny tararaka, ny vorondriaka, ny hitsikitsika isan-karazany,
17
ny vorondolo, ny manarana, ny vorondolobe,
18
ny gisabe, ny sama, ny arosy,
19
ny vanobe, ny vano isan-karazany, ny takodara ary ny ramanavy.
20
«Ny bibikely rehetra manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho fady aminareo.
21
Amin’ireo bibikely ireo anefa, dia ho azonareo hanina ihany izay manampingotra ambony faladiany hitsipitsipihany eo amin’ny tany;
22
ka ireto avy izany: ny valala fihinana, ny solama, ny hargôla ary ny hagaba samy isan-karazany avy.
23
Fa ny biby hafa manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho fady aminareo.
24
«Ireto biby hotanisaina manaraka ireto koa dia hahaloto anareo. Na zovy na zovy mikasika ny fatin’ireo, dia haloto mandra-paharivan’ny andro;
25
ary na zovy na zovy mitondra ny fatin’ireo, dia haloto koa mandra-paharivan’ny andro sady tsy mainty hanasa fitafiana.
26
Ireto avy àry no ho biby maloto aminareo: –ny biby rehetra tsy mba mivaky kitro ary ny biby rehetra tsy mba mandinika: na zovy na zovy mikasika azy, dia haloto. –ny biby rehetra mandia tongotra efatra sady mandeha amin’ny faladiany: na zovy na zovy mikasika ny fatin’ireo, dia haloto mandra-paharivan’ny andro; ary na zovy na zovy mitondra ny fatin’ireo, dia haloto koa mandra-paharivan’ny andro sady tsy maintsy hanasa fitafiana.
29
«Amin’ny biby madinika mifanaretsaka ambonin’ny tany, dia ireto avy no ho maloto aminareo: ny kionkona, ny totozy, ny androngo isan-karazany
30
toy ny sitry na antsiantsy na matahotrandro na mosaraina, ary ny tana.
31
Amin’ny biby madinika rehetra, dia ireo no ho maloto aminareo; ka na zovy na zovy mikasika ny fatin’ireo, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
32
Haloto avokoa, ny zavatra ilatsahan’ny fatiny, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasàka, na inona na inona fitaovana ampiasaina; eny, haloto mandra-paharivan’ny andro izany, ary tsy maintsy asoka anaty rano vao hadio.
33
Raha siny tanimanga no sendra ilatsahana fatim-biby madinika, dia haloto avokoa ny zavatra ao anatin’io siny io, ka tsy maintsy hovakînareo ilay siny;
34
haloto koa ny zava-pihinana rehetra notapohana rano avy amin’io siny io. Haloto ihany koa ny zava-pisotro rehetra ilatsahan’ny fatin’ireo, na inona na inona fitaovana nisy azy.
35
Haloto avokoa ny fitaovana rehetra ilatsahan’ny fatin’ireo, na fanendasana izany na vilany mirakotra; ka tsy maintsy montsaninareo izany, satria haloto izy ka ho maloto aminareo.
36
Ny amin’ny loharano na lavaka fantsakana, sendra ilatsahana fatim-biby madinika kosa, dia hadio ihany ny rano fa izay hanala ilay fatim-biby no haloto.
37
Raha voa famafy no ilatsahan’ny fatim-biby, dia hadio ihany ny voa famafy;
38
fa raha voan-javatra hohanina ka nalona tamin’ny rano kosa no ilatsahany, dia haloto aminareo izany voan-javatra izany.
39
«Raha biby fihinan-kena no maty ho azy, izay mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan’ny andro;
40
izay mihinana amin’ny henany kosa dia haloto mandra-paharivan’ny andro sady tsy maintsy manasa fitafiana; ary izay hitondra ilay fatim-biby, dia haloto mandra-paharivan’ny andro ihany koa sady tsy maintsy manasa fitafiana.
41
«Ny bibikely rehetra mifanaretsaka ambonin’ny tany dia ho fady aminareo ka tsy fihinana.
42
Aza misy haninareo ireny bibikely ireny, na ny mikisaka amin’ny kibony, na ny mandia tongotra efatra na mihoatra noho ny efatra, satria fady aminareo ireny.
43
Aoka tsy hanota fady na handoto tena amin’ireny bibikely rehetra ireny ianareo, fandrao hanjary maloto ianareo.
44
Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Masina Aho ka mitandrema tena mba ho masina ianareo; ary aoka ny tenanareo tsy holotoinareo amin’izay bibikely mandady amin’ny tany.
45
Fa Izaho no TOMPO Izay nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo; ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho.»
46
Ireo no fepetra momba ny biby sy ny vorona ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika anaty rano na mifanaretsaka ambonin’ny tany;
47
ka hanavahanareo ny biby madio sy maloto ary ny biby izay fihinana sy izay tsy fihinana.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27