bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Leviticus 27
Leviticus 27
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
1
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO
2
mba hamepetra ny Israelita hoe: «Raha misy manao voady hanokana olona ho an’ny TOMPO;
3
dia araka ny vola tombananao haloany no hanefany voady; «Olona roapolo taona ka hatramin’ny enimpolo taona: ho an’ny lehilahy, dia sekela volafotsy dimampolo, araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina;
4
ho an’ny vehivavy, dia sekela volafotsy telopolo.
5
«Olona dimy taona ka hatramin’ny roapolo taona; ho an’ny zazalahy, dia sekela roapolo; ho an’ny zazavavy, dia sekela folo.
6
«Zazakely dimy volana ka hatramin’ny dimy taona: ho an’ny zazalahikely, dia sekela dimy; ho an’ny zazavavikely dia sekela telo.
7
«Olona enimpolo taona no ho miakatra: ho an’ny lehilahy, dia sekela 15; ho an’ny vehivavy, dia sekela folo.
8
«Raha mahantra kosa ilay olona nivoady ka tsy mahaloa izay vola voatombanao haloany, dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona ilay olona natokana ho an’ny Tompo; araka izay fari-pananan’ilay nivoady no hanombanan’ny mpisorona ny vola haloa.
9
«Raha biby fiompy anisan’ireo fanolotra sorona ho an’ny TOMPO no atao voady, dia ho voatokana ho an’ny TOMPO avokoa ny biby rehetra omena amin’izany.
10
Tsy azo ovàna na atakalo izany, na tsara no hasolo ny ratsy na ratsy no hasolo ny tsara. Kanefa raha sendra misy biby anankiray natakalo biby hafa, dia samy ho voatokana ho an’Andriamanitra izy roroa.
11
«Raha biby maloto tsy fanolotra sorona ho an’ny TOMPO kosa no atao voady, dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona ilay biby.
12
Ny mpisorona no hanombana ny vidiny araka ny hatsàrany na haratsiny; dia izay tombam-bidy nataony no harahina.
13
Raha tian’ny tompony havotana ilay biby, dia ny tombam-bidiny tongoavina ampahadimy no haloany.
14
«Raha trano no avahana hatokana ho an’ny TOMPO, dia hotombanan’ny mpisorona ny vidin’ilay trano araka ny hatsàrany na haràtsiny, dia izay tombam-bidy nataony no harahina.
15
Raha tian’ny tompony havotana ilay trano, dia ny tombam-bidiny tongoavina ampahadimy no haloany; dia ho azy ny trano.
16
«Raha zara tany no avahana hatokana ho an’ny TOMPO, dia araka ny haben’ny voan-javatra famafy eo no hanombanana ny vidiny; ka ny voam-bary ôrza telonjato kilao dia tombanana ho sekela volafotsy dimampolo.
17
Raha manomboka amin’ny taona Jobily no anavahana tany hatokana ho an’ny Tompo, dia izany tombam-bidy izany no harahina.
18
Fa raha aorian’ny taona Jobily kosa no anavahana tany hatokana ho an’ny Tompo, dia ny isan’ny taona sisa mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hameran’ny mpisorona ny vidiny, ka dia hahenany araka izany ny tombam-bidiny.
19
«Raha tian’ny tompony havotana ny taniny, dia ny tombam-bidy tongoavana ampahadimy no haloany; dia hapetraka ho azy ny tany.
20
«Raha tsy avotan’ny tompony kosa ny tany fa amidiny amin’olon-kafa, dia tsy azony avotana intsony.
21
Fa rehefa afaka teo an-tanan’ilay nividy azy io tany io amin’ny taona Jobily, dia voatokana ho an’ny TOMPO tahaka ny tany afoy ho Azy; ka ny mpisorona no hanjary tompony.
22
«Raha tany novidina fa tsy zara tany no avahana hatokana ho an’ny TOMPO,
23
dia araka ny isan’ny taona sisa mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hameran’ny mpisorona ny tombam-bidiny; ary androtr’io ihany no handoavan’ilay olona izany, dia hatokana ho an’ny TOMPO io vola io.
24
Amin’ny taona Jobily kosa dia hiverina amin’ilay nividianana azy ny tany, izany hoe amin’ilay tompon-dova.
25
«Ny tombam-bidy rehetra dia araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina no hanaovana azy; ka milanja folo grama ny sekela iray.
26
«Noho ny voalohan-teraky ny biby fiompy efa voatokana rahateo ho an’ny TOMPO, dia mazava loatra fa tsy azo avahan’ny isam-batan’olona mba hatokana ho an’ny TOMPO izany; koa na omby na ondry na osy, rehefa voalohan-teraka, dia an’ny TOMPO izany.
27
Raha voalohan-teraka amina biby maloto no hatokana ho an’ny TOMPO, dia azon’ny tompony avotana ilay biby, araka ny tombam-bidy tongoavina ampahadimy; fa raha tsy havotan’ny tompony izy, dia hamidy amin’olon-kafa araka ny tombam-bidiny.
28
«Ny zavatra rehetra avahan’ny olona mba hafoy ho an’ny TOMPO, amin’izay ananany na olona na biby fiompy na zara tany, dia tsy ho azo amidy na avotana; ny zavatra rehetra, izay hafoy toy izany, dia zavatra voatokana tanteraka ho an’ny TOMPO.
29
Ny olona rehetra, izay hafoy ho an’ny TOMPO, dia tsy misy azo avotana fa hatao maty tokoa.
30
«Ny ampahafolon’ny vokatry ny tany, na avy amin’ny tanim-bary na avy amin’ny saha, dia an’ny TOMPO; voatokana ho AZY izany.
31
Raha misy tian’ny tompony havotana io ampahafolon’ny vokatra io, dia ny tombam-bidy tongoavina ampahadimy no haloany.
32
Ny ampahafolon’ny biby fiompy, na omby na ondry na osy, izany hoe ny biby voamariky ny tehin’ny mpiandry azy, dia voatokana ho an’ny TOMPO.
33
Tsy ijerena ny tsara na ratsy izany sady tsy azo atakalo; kanefa raha sendra misy biby anankiray natakalo biby hafa, dia samy ho voatokana ho an’Andriamanitra izy roroa ka samy tsy misy azo avotana.»
34
Ireo no didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy ho an’ny Israelita, teo an-tendrombohitra Sinay.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27