bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Leviticus 21
Leviticus 21
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 22 →
1
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO mba hamepetra ny mpisorona, zanakalahin’i Aharôna hoe: «Aoka ny mpisorona tsy handoto tena amin’ny fikasihana ny fatin’olona anisan’ny fianakaviany,
2
afa-tsy hoe havany akaiky dia akaiky, tahaka ny reniny sy ny rainy ary ireo zanany sy ny rahalahiny.
3
Ny amin’ny anabaviny, izay mpitovo ka mbola havany akaiky tokoa satria tsy mba nanambady, dia mahazo mandoto tena ny mpisorona amin’ny fikasihana ny fatiny.
4
Noho izy loham-pianakaviany, dia aoka ny mpisorona tsy handoto tena amin’ny fikasihana faty hafa, satria manala baràka azy izany.
5
«Rehefa misaona izy mpisorona, dia tsy hanasola ny tampon-dohany na hanàratra ny volon-tavany na handradratra ny tenany.
6
Voatokana hanompo Ahy izy, ka tsy hanala baràka ny anarako, satria izy no mpanolotra ny sorona levonina amin’ny afo, dia ny sakafo aroso ho Ahy TOMPO Andriamaniny; noho izany, tokony hitandro ny maha olona voatokana azy ny mpisorona.
7
«Aoka ny mpisorona tsy hanambady vehivavy mpijangajanga na novetaina na efa nariam-badiny, noho izy voatokana hanompo Ahy.
8
Ianareo Israelita kosa dia aoka hihevitra ny mpisorona ho olona voatokana, satria ny sakafo aroso ho Ahy Andriamanitrareo no atolony. Eny, aminareo ny mpisorona dia ho olona voatokana; satria Izaho TOMPO, Izay nanokana anareo Israelita ho vahoakako, dia masina.
9
«Raha ny zanakavavin’ny mpisorona no manala baràka tena amin’ny fijangajangana, dia manala baràka ny rainy koa izy, ka hodorana.
10
«Ny mpisorombe no filohan’ireo mpisorona rahalahiny. Nandrarahana ny menaka fanosorana teo an-dohany izy ka manan-jo hitafy ny fanamiana masina. Noho izany, rehefa misaona izy, dia aoka tsy hirakaraka volo na handriatra ny fitafiany,
11
na hiditra am-paty akory; tsy tokony handoto tena izy na dia amin’ny fahafatesan’ny ray aman-dreniny aza.
12
Noho izany, rehefa misaona izy, dia aoka tsy hiala ny faritra masina, fandao hanazimba ny Toeramasina onenako; satria ny menaka nahosotro azy no efa nanokanako azy hanompo Ahy. Izaho no TOMPO.
13
«Aoka ho vehivavy virijiny no halain’ny mpisorombe ho vady.
14
Ny vehivavy maty vady, na nariam-bady, na novetaina, na mpijangajanga, dia tsy azony alaina ho vady; fa vehivavy virijiny, anisan’ny fianakavia-mpisorona, no halain’ny mpisorombe.
15
Amin’izay, dia tsy ho afa-baràka ny ankohonany eo anivon’ny fianakaviamben’ny mpisorona, Satria Izaho no TOMPO Izay efa nanokana ny mpisorombe hanompo Ahy.»
16
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO
17
mba hamepetra an’i Aharôna hoe: «Hatrany hatrany, izay taranakao misy kilema dia aoka tsy hanatona ny alitara hanolotra ny sakafo aroso ho Ahy Andriamaniny.
18
Izay mpisorona misy kilema dia tsy mahazo manatona ny alitara hanao izany, na ny jamba, na ny mandringa, na ny manan-tarehy sampona,
19
na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tanana,
20
na ny vokoka na ny saozanina, na ny voan’aretin-koditra, na ny torotoro vihindahy.
21
Izay mpisorona rehetra misy kilema, amin’ny taranakao, dia tsy mahazo manatona ny alitara mba hanolotra ho AHY ny sorona levonina amin’ny afo; noho izy misy kilema no tsy ahazoany manatona ny alitara hanolotra ny sakafo aroso ho Ahy Andriamaniny.
22
Azony ihinanana ihany anefa ny zavatra atao sorona amiko, na ny zavatra masina dia masina na ny zavatra masina.
23
Kanefa noho izy misy kilema, dia tsy mahazo mankeo amin’ny efitra lamba izy na manatona ny alitara; tsy tokony handoto ny Toeramasina onenako izy, satria Izaho TOMPO efa nanokana ny mpisorona hanompo Ahy.»
24
Dia nampitain’i Mosesy tamin’i Aharôna sy ny zanany ary tamin’ny Israelita rehetra koa izany.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27