bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Leviticus 6
Leviticus 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 7 →
1
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO
2
mba handidy an’i Aharôna sy ireo zanany hoe: «Izao no lalàna momba ny sorona dorana manontolo: «Ny sorona dorana manontolo dia hajanona eo am-patan’ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ka andrehetana afo tsy miato eo amin’ny alitara.
3
Avy eo dia hiakanjoan’ny mpisorona ny akanjony sy ny kalisaoniny samy vita amin’ny lamba rongony; ary handraoka ny lavenona avy amin’ny sorona dorana levon’ny afo teo ambonin’ny alitara izy, ka hametraka azy eo anilan’ny alitara.
4
Dia hanala ny fanamiany teo ilay mpisorona ka hitafy fanamiana hafa, ary hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ny toby, amina toerana madio.
5
Harehitra tsy avela ho faty ny afo eo ambonin’ny alitara, fa hisy kitay hazo hatohoky ny mpisorona eo isa-maraina; dia halahany eo ambonin’ireo kitay ireo ny sorona dorana manontolo ary hodorany hanetona eo koa ny tavin-kenan’ny sorom-pihavanana.
6
Ka afo tsy maty no hirehitra lalandava eo ambonin’ny alitara.
7
«Izao no lalàna momba ny fanatitra vokatry ny tany: «Ireo zanakalahin’i Aharôna no hanolotra azy eo anatrehan’ny TOMPO, eo anoloan’ny alitara.
8
Dia hangalan’ny mpisorona anankiray eran-tanan’ila ilay koba lafarinina voararaka menaka mbamin’ny vovoka zava-manitra rehetra eo amboniny, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany mba ho hanitra ankasitrahin’ny TOMPO.
9
Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia hohanin’i Aharôna sy ny taranany; kanefa hataony mofo tsy misy leviora izany, vao hohaniny eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana.
10
Tsy hasiana leviora no hanendasana azy; satria izany anjara omeko ny mpisorona izany, dia ambin’ilay fanatitra nolevonina tamin’ny afo ho Ahy. Zava-masina dia masina izany, tahaka ny amin’ny sorona fanalana ny ota sy tahaka ny ambin’ny sorom-panonerana.
11
Ny lehilahy rehetra taranak’i Aharôna ihany no mihinana izany: anjara raikitra ho azy hatrany hatrany izany ambin’ny fanatitra nolevonina tamin’ny afo ho an’ny TOMPO izany. Ny olon-kafa rehetra, izay mikasika izany mofo izany, dia hofaizin’ny fahamasinan’Andriamanitra.»
12
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:
13
«Izao no fanatitra fanaon’i Aharôna sy ireo taranany amiko TOMPO, rehefa voahosotra ho mpisorona izy: koba lafarinina telo kilao isan’andro, ka ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.
14
Haroana menaka izany koba izany, dia hendasina amin’ny lapoaly; ary rehefa voaendy izy, dia vakivakîna, vao atao fanatitra ho hanitra ankasitrahina ho Ahy Tompo.
15
«Rehefa misy anankiray amin’ny taranak’i Aharôna voahosotra ho mpisorombe handimby azy, dia hanao izany fanatitra izany koa izy. Anjara raikitra ho Ahy TOMPO izany ka hodorana hanetona avokoa:
16
ny fanatitra rehetra avy amina mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy misy tavela hohanina.»
17
Dia niteny tamin’i Mosesy indray ny TOMPO
18
mba hamepetra an’i Aharôna sy ireo zanany lahy hoe: «Izao no lalàna momba ny sorona fanalana ny ota: «Eo amin’ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo, dia eo anoloan’ny Toeramasin ’ny TOMPO, no famonoana ny sorona fanalana ny ota. Zava-masina dia masina izany,
19
ka ilay mpisorona manolotra azy ho fanalana ny ota no hihinana azy eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana;
20
ny olon-kafa rehetra, izay mikasika ny henan’izany sorona izany, dia hofaizin’ny fahamasinan’Andriamanitra. Raha misy fitafiana ipitihan’ny rany, dia hosasana eo amina toerana voatokana ny faritra nipitihany:
21
Ny vilany tany izay nandrahoany azy dia homontsanina; fa raha vilany varahina no nandrahoana azy, dia hodiovina sy hohontsanan-drano ilay vilany.
22
Ny lehilahy rehetra anisan’ny mpisorona no mahazo mihinana io hena io, satria zava-masina dia masina izany.
23
Kanefa ny sorona fanalana ny ota, izay angalan-dra hoentina ao amin’ny Tranolay fihaonana mba hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ao amin’ny Toeramasina, dia tsy hohanina ny henany fa hodorana amin’ny afo.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27