bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Leviticus 15
Leviticus 15
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 16 →
1
Dia niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO
2
mba hamepetra ny Israelita hoe: «Izay lehilahy voan’ny aretina misy fitsihana eo amin’ny taovam-pilahiana, dia haloto n’izany fitsihana izany.
3
Na fitsihana mivoaka ivelany na fitsihana mihandrona anaty, dia samy mahatonga azy maloto.
4
Maloto avokoa ny farafara andrian’io lehilahy io ary maloto avokoa ny zavatra ipetrahany.
5
Izay olona mikasika io farafara nandriany io dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro.
6
Izay mipetraka amina zavatra nipetrahan’ilay lehilahy mitsika dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro.
7
Izay mahakasika ny tenan’ilay lehilahy mitsika dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro.
8
Ny olona madio ara-pivavahana, kanefa nisy lehilahy mitsika nandrora taminy haneso azy, dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro.
9
Haloto izay lasely itaingenan’io lehilahy mitsika io.
10
Izay mahakasika zavatra natao teo ambanin-dralehilahy io dia haloto mandra-paharivan’ny andro; izay mitondra izany zavatra izany kosa dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro.
11
Raha mbola tsy nanasa tanana ilay lehilahy mitsika no sendra mahakasika olona, dia hanasa fitafiana sy handro io olona io sady haloto mandra-paharivan’ny andro.
12
Raha siny tanimanga na zinga hazo no voakasiky ny lehilahy mitsika, dia hovakîna ny siny tanimanga ary hosasana kosa ny zinga hazo.
13
«Rehefa sitrana amin’izany fitsihana izany ralehilahy, dia miandry fito andro izy vao hatao ny fombam-pivavahana fanadiovana azy; hanasa fitafiana sy handro amin’ny ranon-doharano izy, dia hadio.
14
Ary amin’ny andro fahavalo, dia hitondra domohina roa na voromahailala roa izy ka hankeo anatrehan’ny TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ary hanome ireo vorona ireo amin’ny mpisorona.
15
Dia hanolotra ireo ny mpisorona; ka ny anankiray hatao sorona fanalana ny ota, ary ny anankiray hatao sorona dorana manontolo. Dia eo anatrehan’ny TOMPO no hanaovan’ny mpisorona ho an-dralehilahy ny fombam-pivavahana fanadiovana azy noho ny fitsihany.
16
«Raha misy lehilahy mandefa lahinaina tsy nahy amin’ny alina, dia hampandro ny tenany manontolo izy sady haloto mandra-paharivan’ny andro.
17
Hosasana koa izay fitafiany sy firakotra hoditra voapentina sady haloto mandra-paharivan’ny andro.
18
«Raha misy vehivavy niray tamin-dehilahy, dia samy handro izy roa sady haloto mandra-paharivan’ny andro.
19
«Raha misy vehivavy mararin’ny fadimbolany ka voan’ny fitsihan-dra avy amin’ny taovam-pivaviana, dia haloto izy mandritra ny fito andro. Izay olona mahakasika azy dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
20
Izay farafara andrian-dravehivavy io sy zavatra ipetrahany mandritra ny fadimbolany, dia haloto avokoa.
21
Izay olona mikasika io farafara nandriany io na ny toerana nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro.
23
Raha nisy zavatra tavela teo amin’ny farafara nandriany na teo amin’ny toerana nipetrahany ka voakasik’olona, dia haloto mandra-paharivan’ny andro io olona io.
24
Raha misy lehilahy miray amin-dravehivavy mandritra izany fadimbolany izany, dia itsihan’ny rany izy ka haloto mandritra ny fito andro; ary izay farafara handrian’io lehilahy io dia haloto koa.
25
«Raha misy vehivavy marary mitsi-dra mandritra ny andro maro ivelan’ny fadimbolany, na raha misy vehivavy mararin’ny fadimbolany ka mbola mitsika ra ankoatran’ny fotoana fadimbolany, dia haloto izy mandritra ny andro aharetan’ny fitsihana, toy ny amin’ny fadimbolany ihany.
26
Ny farafara izay andrian’io vehivavy io sy ny toerana izay ipetrahany dia haloto, tahaka ny amin’ny fadimbolany.
27
Izay olona mahakasika ny farafara nandriany na toerana nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro.
28
«Rehefa sitrana amin’ny fitsihany ravehivavy, dia hiandry fito andro izy vao hadio indray.
29
Amin’ny andro fahavalo, dia haka domohina roa na voromahailala roa izy ka hitondra ireo ho amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana.
30
Dia hanolotra ireo ny mpisorona, ka ny anankiray hatao sorona fanalana ny ota, ary ny anankiray hatao sorona dorana manontolo. Dia eo anatrehan’ny TOMPO no hataon’ny mpisorona ho an-dravehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana azy noho ny fitsihany nahaloto azy.»
31
Dia mbola niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna indray ny TOMPO nanao hoe: «Hasainareo hanalavitra ny Toeramasina ny Israelita rehefa maloto ara-pivavahana, sao ho faty izy ireo noho ny fandotoany ny tranolay fonenako izay eo aminy.»
32
Ireo avy no fepetra ny amin’ny lehilahy voan’ny aretina mitsika na mandefa lahinaina tsy nahy ka voaloton’izany,
33
sy ny amin’ny vehivavy mararin’ny fadimbolany, ary ny amin’ny lehilahy miray amina vehivavy maloto ara-pivavahana.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27