bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Leviticus 2
Leviticus 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 3 →
1
«Raha misy te hanolotra fanatitra vokatry ny tany ho an’ny TOMPO, dia lafarinina tsara indrindra no aoka hatolony; ary handrarahany menaka sy hasiany vovoka zava-manitra eo amboniny.
2
Hoentiny ho amin’ireo mpisorona taranak’i Aharôna izany; dia handraoka eran-tanan’ila amin’ny lafarinina voararaka menaka sy handraoka manontolo ny vovoka zava-manitra ireo, ka handoro izany fanati-pahatsiarovana izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Fanatitra levonina amin’ny afo izany ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.
3
Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia ho an’i Aharôna sy ny taranany; zava-masina dia masina izany sisa izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.
4
«Raha fanatitra voaendy amin’ny lafaoro no atolotrao, dia aoka ho mofo vita amin’ny lafarinina tsara indrindra sady voaharo menaka no tsy misy leviora, na kosa mofo manify sady tsy misy leviora no voahoso-menaka.
5
«Rehefa fanatitra voaendy amin’ny takela-by no atolotrao, dia aoka ho lafarinina tsara indrindra sady voahoso-menaka no tsy misy leviora.
6
Hovakivakînao izany ho tapatapany izay handrarahanao menaka: fanatitra vokatry ny tany izany.
7
«Rehefa fanatitra voahandro amin’ny lapoaly no atolotrao, dia aoka ho lafarinina tsara indrindra voaharo menaka.
8
«Hoentinao any amin’ny TOMPO ilay fanatitra voavoatra tamin’ireo karazan-javatra ireo; ary rehefa voatolotra ny mpisorona izany, dia harosony eo ambonin’ny alitara.
9
Hanavaka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’izany izy ka handoro azy hanetona eo ambonin’ny alitara. Fanatitra levonina amin’ny afo izany ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.
10
Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia ho an’i Aharôna sy ny taranany; zava-masina dia masina izany sisa izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.
11
«Ny fanatitra rehetra, izay atolotrao ho an’ny TOMPO, dia aza misy haroina leviora; fa ny leviora sy ny tantely dia samy tsy ho azonareo dorana hanetona, ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.
12
Ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manolotra leviora na tantely ho an’ny TOMPO; kanefa tsy mba hakarina eo ambonin’ny alitara hanetona ho hanitra ankasitrahina izany.
13
«Samy asio sira ny fanatitra rehetra atolotrao. Ny sira dia famantarana ny fanekempihavanana nataon’ilay Andriamanitrao; ka aza avela tsy hisy sira ny fanatitrao, fa manolora sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra.
14
«Rehefa manolotra fanatitra voaloham-bokatra ho an’ny TOMPO ianao, dia salohim-bary no endaso amin’ny afo, ary totoy ho lango ny voam-bary voaendy; ka io lango io no hatolotrao ho fanatitra voaloham-bokatrao. Alohan’ny hanolorana azy,
15
dia handrarahanao menaka sady hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny: fanatitra vokatry ny tany izany.
16
Ary hodoran’ny mpisorona hanetona ny fanati-pahatsiarovana, dia ny ampahan’ny lango voararaka menaka sy ny ditin-kazo manitra manontolo. Fanatitra levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO izany.»
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27