bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Leviticus 18
Leviticus 18
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 19 →
1
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO
2
mba hamepetra ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO Andriamanitrareo!
3
Aza manao araka ny fanaon’i Ejipta izay tany nonenanareo; aza manao araka ny fanaon’i Kanahàna izay tany efa hampidirako anareo; ary aza manaraka ny lalànan’ireny firenena ireny ianareo.
4
Ny fitsipiko no tanteraho, ary ny lalànako no imasoy harahina. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
5
«Tandremo ny lalàna amam-pitsipiko; fa izay manatanteraka izany, dia ho velona amin’izany. Izaho no TOMPO.
6
«Aoka tsy hisy lehilahy israelita hila vehivavy havany akaiky dia akaiky mba hiray aminy. Izaho no TOMPO.
7
«Aza miray amin’ny reninao ianao, fa manala baràka ny rainao izany; reninao izy ka aza ifoteranao.
8
«Aza miray amin’ny renikelinao fa manala baràka ny rainao izany.
9
«Aza miray amin’ny anabavinao zanakavavy nentin-drainao na nentin-dreninao, ka nobeazina tao an-trano fonenana na tany an-kafa.
10
«Aza miray amin’ny zafinao vavy, nateraky ny zanakalahinao na ny zanakavavinao, fa manala baràka anao izany.
11
«Aza miray amin’ny zanakavavin’ny renikelinao, satria anabavinao izy noho ny rainao manjary rainy.
12
«Aza miray amin’ny anabavin-drainao, satria havan-drainao akaiky dia akaiky izy.
13
«Aza miray amin’ny rahavavin-dreninao, satria havan-dreninao akaiky dia akaiky izy.
14
«Aza alaim-baràka ny rahalahin-drainao noho ny firaisanao amin’ny vadiny, izay nenitoanao.
15
«Aza miray amin’ny vinantovavinao, fa vadin’ny zanakalahinao izy.
16
«Aza miray amin’ny vadin-drahalahinao, fa manala baràka ny rahalahinao izany.
17
«Aza miray amin’ny vehivavy anankiray no sady hiray amin’ny zananivavy na koa hiray amin’ny zafikeliny vavy, nateraky ny zananilahy na zananivavy, satria mpihavana akaiky ilay vehivavy sy ny zanaka aman-jafiny ka firaisana mampifamotitra izany.
18
«Aza mampakatra ny rahavavim-badinao raha mbola velona ilay vadinao, satria hampifandrafy azy mirahavavy izany.
19
«Aza mila vehivavy mbola voaloto n’ny fadimbolany mba hiray aminy.
20
«Aza miray amin’ny vadin’olona mpiray firenena aminao, satria ho voaloton’izany ianao.
21
«Aza misy omena hatao sorona dorana hanajana ny sampy Môlôka ny zanakao, satria manala baràka ny anaran’Andriamanitrao izany. Izaho no TOMPO.
22
«Aza miray amin’ny lehilahy tahaka ny firay amin’ny vehivavy; zava-mamoafady izany.
23
«Aza miray amin’ny biby, satria ho voaloton’izany ianao; ary aoka tsy hisy vehivavy hety hiray amin’ny biby, fa zava-mamoafady indrindra izany.
24
«Aza misy andotoanareo tena ireo zavatra ireo; fa tamin’ireo no nandoto tena ny hafa firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo.
25
Voaloto mbamin’ny tany aza, ka novaliako ny helony ary naloany ny mponina teo aminy.
26
«Noho izany, ianareo Israelita tompontany na vahiny valovotaka eo aminy, dia tandremo ny lalànako amam-pitsipiko, ka aza misy atao ireo zava-mamoafady ireo.
27
Fanaon’ny olona talohanareo tao amin’ny tany Kanahana ireo, ka dia naloto ny tany.
28
Aza lotoinareo indray ny tany mba tsy handoavany anareo tahaka ny efa nandoavany an’ireo firenena izay tao talohanareo.
29
Hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita manko izay rehetra manao amin’ireo zava-mamoafady ireo.
30
«Koa tandremo izay asaiko tandremanareo mba tsy hisy hataonareo akory ny fomba mamoafady izay fanaon’ny olona talohan’ny fahatongavanareo; ka aza mandoto tena amin’izany ianareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27