bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Leviticus 17
Leviticus 17
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 18 →
1
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO
2
mba hamepetra an’i Aharôna sy ny zanany ary ny Israelita hoe: «Izao no zavatra nandidian’ny TOMPO:
3
Na iza na iza Israelita mamono omby na ondry na osy, ao anatin’ny toby any ivelan’ny toby,
4
dia tsy maintsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hanolorana azy ho fanatitra ho an’ny TOMPO eo anoloan’ny fonena-masin’ny TOMPO. Raha tsy izany no ataony, dia ho meloka ny amin’ny ram-biby nalatsany izy, ka hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.
5
Amin’izay, dia tsy ho eny an-tsaha intsony no hamonoan’ny Israelita ny biby vonoiny; fa an’ny TOMPO ireny biby ireny ka dia hoentin’ny Israelita ho amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, mba hatolotra ho sorom-pihavanana amin’ny TOMPO.
6
Ilay mpisorona kosa hamafy ny ran’ilay biby eo amin’ilay alitara n’ny TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ary handoro ny jaborany hanetona ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.
7
Ny sorona fanaon’ny Israelita dia tsy hatolony intsony ho an’ny fanahy ratsy miendrika osilahy, izay nanaovany fanompoan-tsampy. Lalàna raikitra ho azy ireo hatrany hatrany izany.
8
«Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, manolotra biby hatao sorona dorana manontolo na sorona hafa,
9
ka tsy mitondra azy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hatolotra ho an’ny TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.
10
«Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, mihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hohandriniko izany olona izany, ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.
11
Fa ny ain’ny zavaboaary mana-nofo manko dia ao amin’ny ra; ary navelako hampiasaina eo amin’ny alitara izany mba hahazoana famelan-keloka ho anareo, satria amin’ny maha aina azy no ampiasana ny ra hahazoana famelan-keloka.
12
Koa izany no nilazako tamin’ny Israelita hoe: ‹Aza misy mihinan-dra, na ianareo na ny vahiny valovotaka eo aminareo›.
13
«Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, mihaza ka mahazo biby na vorona fihinana, dia hararany amin’ny tany ny rany ka hototofany vovoka.
14
Ny ain’ny zavaboaary rehetra mana-nofo manko dia ny ra izay ao aminy. Koa izany no nilazako tamin’ny Israelita hoe: ‹Aza mihinana ny ran’ny zavaboaary mana-nofo, satria ny rany no ainy; ka izay rehetra mihinana azy dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita ›.
15
«Na iza na iza, Israelita tompontany na vahiny valovotaka, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro izy, vao hadio indray.
16
Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia itambesaran-keloka.»
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27