bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Leviticus 24
Leviticus 24
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 25 →
1
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO
2
mba hamepetra ny Israelita hoe: «Mitondra menaka ôliva madio tsara ianareo, mba hampirehetana ny jiro isan-kariva ka maharitra tontolo alina.
3
Ao anatin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manakona ilay Vatamasina mirakitra ny Fanekempihavanana, no hametrahan’i Aharôna ny fitoeran-jiro; ka hirehitra lalandava eo anatrehako TOMPO ireo jiro ireo, manomboka ny hariva ka mandra-maraina: ho lalàna raikitra hatrany hatrany izany ho anareo.
4
Eo ambonin’io fitoeran-jiro volamena madio io no hametrahan’i Aharôna ireo jiro izay hirehitra tontolo alina eo anatrehako.
5
«Lafarinina tsara no alaonao ary mofo 12 samy milanja enina kilao no endaso.
6
Dia apetraho mifanongoa eo ambonin’ny latabatra volamena madio eo anatrehako TOMPO ireo, ka ataovy antontany anankiroa misy mofo enina avy.
7
Hasianao vovoka zava-manitra madio eo ambonin’ny isan’antonta; dia izany vovoka zava-manitra izany no hatao solon’ny mofo ka holevonina amin’ny afo mba ho fanati-pahatsiarovana ho AHY.
8
«Isaky ny sabata, mitohy tsy tapaka, no hapetraka mifanongoa eo anatrehako TOMPO ireny mofo avy amin’ny Israelita ireny: ho lamim-panekempihavanana raikitra hatrany hatrany izany ho an’ny Israelita.
9
Ny mofo dia ho an’i Aharôna sy ny taranany ka eo amin’ny faritra voatokana ho an’izany no hihinanany azy. Zava-masina dia masina ho an’ny mpisorona izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho AHY: anjara raikitra hatrany hatrany izany ho azy.»
10
Nisy lehilahy anankiray nivoaka ny toeram-ponenany hankeo amin’ny Israelita. Ejiptianina ny rainy; fa Israelita ny reniny izay atao hoe Selômita, zanakavavin’i Dibrỳ, avy amin’ny fokon’i Dana. Vao mby teo amin’ny Israelita ralehilahy, dia niady tamina lehilahy israelita anankiray sady nanevateva sy niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra ka nentina tany amin’i Mosesy.
12
Dia nambenana io zanakalahin’i Selômita io, mandra-paneho mazava ny baikon’ny TOMPO.
13
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:
14
–Avoahy ho eny ivelan’ny toby io lehilahy niteny ratsy Ahy io; ka izay rehetra nandre ny fanevatevàny Ahy, dia aoka hametra-tanana eo an-dohan-dralehilahy; ary aoka ny Israelita rehetra tafangona eto hamono azy amin’ny torabato.
15
Ireto didy ireto kosa no ampitao amin’ny Israelita: «Na iza na iza niteny ratsy ilay Andriamaniny, dia itambesaran-keloka.
16
Koa izay manevateva ny anaran’ny TOMPO, dia hatao maty tokoa: hamono azy amin-torabato ny Israelita rehetra tafangona. Na vahiny izy na tompontany, rehefa manevateva ny anaran’Andriamanitra, dia hatao maty tokoa.
17
«Izay mahafaty olona, dia hatao maty tokoa.
18
Fa izay mahafaty biby fiompy kosa, dia hanonitra azy: biby velona no solon’ny biby maty.
19
«Raha misy olona nampahazo takaitra ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy:
20
tapaka efain-tapaka, maso efai-maso, nify efai-nify; tahaka ny takaitra nampahazoany olona no hatao aminy koa.
21
«Izay mahafaty biby fiompy, dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa, dia hatao maty.
22
«Fitsipika tokana no hitondrana anareo, na vahiny na tompontany, fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»
23
Rehefa voalazan’i Mosesy tamin’ny Israelita izany, dia nanao araka izay didy nomen’ny TOMPO an’i Mosesy ireo: navoakany tany ivelan’ny toby ilay lehilahy niteny ratsy an’Andriamanitra, ka novonoiny tamin-torabato.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27