bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Leviticus 3
Leviticus 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 4 →
1
Rehefa misy manolotra sorom-pihavanana ka ombilahy na ombivavy no atolony, dia izay tsy misy kilema no aoka hatolony eo anoloan’ny Toeramasin ’ny TOMPO.
2
Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay omby hatao sorona, ka hamono azy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; ireo mpisorona taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.
3
Amin’io omby sorom-pihavanana io, dia halain’izy mpanolotra mba holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy;
4
ny voany roa mbamin’ny tavy miraikitra amin’ny voany sy amin’ny takibany; ary ny tavy saron’atiny izay atao indray manala amin’ny voany.
5
Ireo taranak’i Aharôna kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara, miaraka amin’ireo sorona dorana manontolo eo ambonin’ny kitay mirehitra. Sakafo levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO izany.
6
«Rehefa ondry na osy no atolotra amin’ny TOMPO ho sorom-pihavanana, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no aoka hatolotra.
7
Rehefa ondry no atolotra ho fanatitra, dia hoentina eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO izany.
8
Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay zanakondry ka hamono azy eo anoloan’ny Tranolay fihaonana; ireo taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.
9
Amin’io ondry sorom-pihavanana io, dia halain’ny mpanolotra mba holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny hofany manontolo esorina amin’ny hazon-damosiny; ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy;
10
ny voany roa mbamin’ny tavy miraikitra amin’ny voany sy amin’ny takibany; ary ny tavy saron’atiny izay atao indray manala amin’ny voany.
11
Ny anankiray amin’ny mpisorona kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Sakafo levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO izany.
12
«Rehefa osy no atolotra, dia hoentina eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO izany.
13
Ny mpanolotra no hametra-tanana amin’ny lohan’ilay osy ka hamono azy eo anoloan’ny Tranolay fihaonana; ireo taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.
14
Amin’io osy io, dia halain’ny mpanolotra mba holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny safodrorohany ny jaboran-tsinainy;
15
ny voany roa mbamin’ny tavy miraikitra amin’ny voany sy amin’ny takibany; ary ny tavy saron’atiny izay atao indray manala amin’ny voany.
16
Ny anankiray amin’ny mpisorona kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Sakafo levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina izany. «Ny faritra matavy rehetra dia atokana ho an’ny TOMPO.
17
Lalàna raikitra ho anareo izany hatrany hatrany, ary na aiza na aiza onenanareo: tsy hihinana jabora na ra akory ianareo!».
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27