bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Luke 1
Luke 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 2 →
1
Any ianao ry Teôfily hajaina, Olona maro no efa nilofo nirakitra an-tsoratra ny tantaran’ireo zavatra notanterahin’Andriamanitra teto anivontsika.
2
Ny nanovozan’ireo mpanoratra dia ny vavolombelona nahita maso hatrany am-boalohany sady niandraikitra ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra ka nampita izany tamintsika.
3
Izaho koa mba namotopototra ny zavatra rehetra hatrany am-piandohana, ka sitrako ny manoratra ireny ho anao rehefa nalahatro tsara.
4
Enga anie izany hahalalanao fa azo antoka ny fampianarana noraisinao!
5
Tamin’ny andron’i Herôda mpanjakan’i Jodea, dia nisy mpisorona natao hoe Zakarià, isan’ny antoko-mpisoron’i Abià. Taranak’i Aharôna mpisorombe ny vadiny ary i Elizabeta no anarany.
6
Olo-marina teo anatrehan’Andriamanitra izy mivady ary nanaraka ny didy amam-pitsipiky ny Tompo an-tsakany sy an-davany.
7
Tsy nanan-janaka anefa izy roa satria momba i Elizabeta sady efa samy zokiolona izy mivady.
8
Indray andro dia nanao fisoronana teo anatrehan’Andriamanitra tao an- tempoly i Zakarià, satria tonga ny anjaran’ny antokony.
9
Naroso ny antsapaka araka ny fanaon’ny mpisorona ka izy no voatendry handoro ny ditin-kazo manitra ao amin’ny Toeramasin’ny Tompo.
10
Nivavaka teo ivelany kosa ny vahoaka rehetra nandritra ny fotoana nandoroana ny ditin-kazo manitra.
11
Tamin’izay dia nisy anjeli n’ny Tompo niseho tamin’i Zakarià sady nijoro teo ankavanan’ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.
12
Taitra mafy ka raiki-tahotra i Zakarià nony nahita azy.
13
Fa hoy ilay anjely taminy: –Aoka izay ny tahotra, ry Zakarià, fa efa nohenoin’Andriamanitra ny vavakao: Hiteraka zazalahy aminao i Elizabeta vadinao. I Jôhany no hataonao anarany.
14
Ho faly sy ravo ianao ary ny besinimaro koa ho faly amin’ny hahaterahany!
15
Eny, ho lehibe eo anatrehan’ny Tompo izy, ary hifady divay sy zava-pisotro hafa mahamamo, sady ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny.
16
Maro amin’ny Israelita no hampodîny amin’ny Tompo Andriamanitra.
17
Hombàn’ny fanahy aman-kerin’i Elià mpaminany izy ka hialoha ny Tompo, mba hampifandray am-po ny ray aman-dreny sy zanaka sady hamerin-doha ny maditra ho olo-marina feno fahendrena, ary dia hanomana vahoaka vonona handray ny Tompo.
18
Fa hoy i Zakarià tamin’ny anjely: –Fomba ahoana no hahazoako antoka an’izany? Izaho ity efa antitra ary ny vadiko efa zokiolona ihany koa.
19
Dia novalian’ny anjely hoe: –Izaho no Gabriela, ilay mijoro eo anatrehan’Andriamanitra mba hanompo Azy; nirahiny aho hiteny aminao sy hanambara aminao izany hafatra mahafaly izany.
20
Noho ianao tsy nino ny teniko izay tsy maintsy ho tanteraka amin’ny fotoana voatendry dia ho moana ianao ka tsy afa-miteny mandra-pahatongan’izany.
21
Niandry dia niandry an’i Zakarià ny vahoaka mpiangona ary gaga satria naharitra ela loatra tao amin’ny Toeramasina ity mpisorona.
22
Nony injay anefa niala tao izy, dia tsy afa-niteny tamin’ny olona; hany ka takatr’ireo mpiangona fa nisy fahitana niseho taminy tao amin’ny Toeramasina. Baiko tanana no nataon’i Zakarià tamin’ny olona ary dia nitohy ny naha moana azy.
23
Rehefa tapitra ny fotoana anjara fanompoany, dia lasa nandeha nody i Zakarià.
24
Nitoe-jaza i Elizabeta vadiny tatỳ aoriana kely ary tsy nisehoseho nandritra ny dimy volana. Hoy ny eritreriny hoe:
25
«Nataon’ny Tompo tamiko izao, fa ankehitriny dia sitrany tokoa ny hahafa-tondromaso ahy eo amin’ny tany ama-monina.»
26
Rehefa bevohòka enim-bolana i Elizabeta, dia nirahin’Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta,
27
hankao amin’ny tovovavy fofombadin’ny lehilahy atao hoe Jôsefa. Io Jôsefa io dia taranak’i Davida mpanjaka; ary i Maria no anaran’ilay tovovavy.
28
Niditra tao an-tranon’i Maria ilay anjely ka nanao taminy hoe: –Mifalia, ry nohasoavin’ny Tompo! Momba anao hatrany Izy!
29
Taitra tokoa i Maria noho izany teny izany, ka nieritreritra izay mety ho hevitr’ilay fiarahabana.
30
Ary hoy ny anjely taminy: –Aoka izay ny tahotra, ry Maria, fa efa nahazo tombon-tsoa tamin’Andriamanitra ianao!
31
Hitoe-jaza ianao, ho tera-dahy, ary i Jesoa no hataonao anarany.
32
Ho lehibe Izy sady hantsoina hoe Zanaky ny Avo indrindra. Ny Tompo Andriamanitra hahatonga Azy ho mpanjaka handimby an’i Davida razambeny;
33
dia hanjaka mandrakizay amin’ny vahoaka Israely Izy ary tsy hanam-pahataperana ny Fanjakàny.
34
Fa hoy i Maria tamin’ny anjely: –Hanao ahoana àry no hahatanterahan’izany, fa izaho manko virijiny?
35
Dia novalian’ny anjely hoe: –Ho tonga eo aminao ny Fanahy Masina, ka ny herin’ny Avo indrindra hanarona anao. Noho izany ilay Masina haterakao dia hantsoina hoe Zanak’Andriamanitra.
36
Ary indro i Elizabeta havanao efa mitoe-jaza koa, na iny izy antitra iny aza, ary efa bevohòka enim-bolana izao ilay natao hoe momba.
37
Fa tsy misy zavatra tsy ho vitan’Andriamanitra!
38
Tamin’izay dia hoy i Maria: –Intỳ aho mpanompovavin’ny Tompo, aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao! Dia nandao azy ilay anjely.
39
Niainga i Maria tamin’izany andro izany, ka nandeha faingana ho any amin’ny tanàna anankiray anatin’ny faritra be havoana any Joda,
40
ary namantana tao an-tranon’i Zakarià ka niarahaba an’i Elizabeta.
41
Vantany vao henon’i Elizabeta niarahaba azy i Maria, dia injao nibita-karavoana ilay zaza tao an-kibon’i Elizabeta; ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta
42
ka nanandra-peo niantso mafy hoe: –Nombàn’Andriamanitra fitahiana amin’ny samy vehivavy ianao, ary nombàny fitahiana koa Ilay haterakao!
43
Zinona moa aho no mba vangian’ny renin’ny Tompoko?
44
Fa indro vantany vao henoko niarahaba ahy ianao, dia nibitaky ny haravoana tokoa ny zaza tao an-kiboko.
45
Ary sambatra ianao nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao!
46
Ary hoy i Maria: –Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
47
ary ny aiko miravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy,
48
noho Izy nitsinjo ahy mpanompovaviny tsinontsinona! Eny, hatramin’izao dia hambaran’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho,
49
fa zava-dehibe no nataon’ilay Mahery tamiko. Masina ny anarany!
50
Ary hamindra fo hatramin’ny taranaka mifandimby ireo manaja Azy.
51
Nanatanterahany asa lehibe ny sandriny mahery; ka ny mpihevi-tena ho ambony nataony mihahaka.
52
Ny mpanjakazaka naongany hiala tamin’ny sezafiandrianany; ny tsinontsinona kosa nasandrany.
53
Ny noana novokisany zava-tsoa; ny mpanankarena kosa nalefany nody maina.
54
Niahy ny vahoaka Israely mpanompony Andriamanitra, satria nahatsiaro ny teniny tamin’ny razantsika; dia ny hamindra fo mandrakizay amin’i Abrahama sy ny taranany.
56
Nitoetra tokony ho telo volana tao amin-dry Elizabeta i Maria vao lasa nody.
57
Tonga ny fotoana hahaveloman’i Elizabeta ka tera-dahy izy.
58
Ny mpiara-monina sy ny lafin-kavana dia samy nahare fa nanehoan’ny Tompo hatsaram-po lehibe i Elizabeta ka niara-paly taminy.
59
Nony afaka herinandro, dia tonga indray izy rehetra hamora ny zaza, ary ny anaran-drainy hoe Zakarià no saika hiantsoany azy.
60
Fa niteny ny reniny nanao hoe: –Tsy izany, fa hatao hoe Jôhany izy!
61
Dia hoy ireo taminy: –Kanefa ao amin’ny fianakavianao dia tsy misy mihitsy manana anarana hoe Jôhany!
62
Nanaovan-dry zareo baiko tanana ny rain’ity zaza hahalalàna izay anarana tiany homena azy.
63
Ary nitaky fitaovana hanoratana i Zakarià ka nanoratra hoe: «I Jôhany no anarany.» Nahagaga azy rehetra izany.
64
Teo no ho eo ihany dia nahay niteny indray i Zakarià, ary nanezaka nidera an’Andriamanitra.
65
Raiki-tahotra avokoa ny mpiara-monina ka niely eran’ny faritra be havoana any Jodea ny resaka momba izany zava-nitranga rehetra izany.
66
Lasa eritreritra daholo ireo nandre ka velom-panontaniana hoe: –Hanao ahoana re io zaza io? Ary nomba azy tokoa ny herin’ny Tompo.
67
Feno ny Fanahy Masina i Zakarià, rain’ny zazakely, ka nilaza faminaniana toy izao:
68
–Hisaorana anie ny Tompo, Andriamanitr’i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny vahoakany!
69
Mpamonjy mahery ho antsika no najorony avy amin’ny taranak’i Davida mpanompony,
70
araka ny efa nambarany hatramin’ny fahagola tamin’ny alalan’ireo mpaminany masina:
71
dia Mpamonjy hanafaka antsika amin’ny fahavalontsika sy amin’ny tanan’ireo mpankahala rehetra.
72
Namindra fo tamin’ny razantsika Andriamanitra sady nahatsiaro ilay fanekempihavanana masina
73
mbamin’ilay fianianana izay nataony tamin’i Abrahama razantsika:
74
dia ny hanala antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika, ary ny hamela antsika hanompo Azy tsy amin-tahotra,
75
fa amin-toetra masina sy marina eo anatrehany mandritra ny andro rehetra iainantsika.
76
Ary ianao kosa, anaka, dia hatao hoe mpaminanin’ny Avo indrindra, fa hialoha ny Tompo ianao mba hamboatra ny lalany;
77
ny vahoakany hampahalalainao ny famonjena, ka hahafantatra fa voavela ny helony.
78
Mangoraka sy mamindra fo ilay Andriamanitsika, koa masoandro miposaka avy any ambony no hamangy antsika
79
mba hanazava an’ireo mihitsoka amin’ny maizina sy amin’ny aloky ny fahafatesana, ary mba hitarika ny diantsika hizotra mankany amin’ny fiadanana.
80
Nitombo sy nihanahery ilay zaza, ary nitoetra tany an-taniefitra mandra-pisehony tamin’ny vahoaka Israely.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24