bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Luke 5
Luke 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 6 →
1
Indray andro i Jesoa, raha ilay nijanona teo amoron’ny farihin’i Genesareta iny, dia nitangoronan’ny vahoaka te hihaino ny tenin’Andriamanitra.
2
Hitany fa nisy sambokely roa niantsona teo amoron-drano fa nidina nanasa harato ny mpanarato.
3
Dia niakaran’i Jesoa ny sambokely anankiray izay an’i Simôna, ka niangavian’i Jesoa i Simôna hihataka kely amin’ny tany. Ary teo an-tsambokely Izy no nipetraka hampianatra ny vahoaka.
4
Nony nitsaha-niteny i Jesoa, dia nanao tamin’i Simôna hoe: –Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana trondro.
5
Fa novalian’i Simôna hoe: –Mpampianatra ô, niasa mafy izahay halina tontolo, saingy tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny baikonao, dia halatsako ihany ny harato.
6
Vao nandatsaka ny harato izy ireo, dia nahazo trondro be tokoa ary saika rovitra ny harato.
7
Koa nohatsihin’izy iray tarika mba ho avy hanampy azy ny namany izay teny amin’ny sambokely hafa. Dia avy ireo, ka samy feno safomorona saika hilentika ny sambokely anankiroa.
8
Raha nahita izany i Simôna Petera, dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa nanao hoe: –Tompo ô, halaviro aho fa mpanota!
9
Taitra loatra manko izy mbamin’ireo niaraka taminy noho ny haben’ny trondro azony.
10
Toa izany koa ry i Jakôba sy i Jôhany zanakalahin’i Zebedeo izay niombona asa tamin’i Simôna. Ary hoy i Jesoa tamin’i Simôna: –Aoka izay ny tahotra; manomboka izao dia olona kosa no halainao!
11
Ary rehefa nampiantsona ny sambokely teo an-tanety i Simôna sy ny namany, dia nandao ny zavatra rehetra ka lasa niaraka tamin’i Jesoa.
12
Indray andro, raha tao amin’ny tanàna anankiray i Jesoa, dia indro nisy lehilahy voan’ny aretin-koditra ny tenany manontolo. Nahatazana an’i Jesoa ralehilahy ka niankohoka teo anatrehany sy nitalaho taminy hoe: –Tompo ô, raha sitrakao, dia hainao diovina aho!
13
Nanatsotra tanana i Jesoa dia nikasika azy sady niteny hoe: –Eny, sitrako izany, madiova ianao! Avy hatrany dia nialàn’ny aretin-koditra nahazo azy ralehilahy,
14
kanefa noraran’i Jesoa tsy hilazalaza na amin’iza na amin’iza sady nataony hoe: –Mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voalazan’i Mosesy, mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.
15
Kanjo vao mainka niely ny lazany ka vahoaka marobe no nirohotra hihaino Azy sy hositraniny amin’ny aretiny.
16
I Jesoa kosa amin’izany lasa mihataka any amin’ny toerana mangina ka mivavaka any.
17
Indray andro, raha nampianatra i Jesoa, dia nisy Farisianina sy mpahay lalàna nipetraka teo akaikiny; avy amin’ny tanàna any Galilea sy Jodea ary avy any Jerosalema ry zareo ireo. Ary niasa ny herin’ny Tompo mba hanasitranan’i Jesoa ny marary.
18
Dia indreo nisy lehilahy nilanja malemy anankiray tamin’ny fandriana ka nitady hampiditra azy ao an-trano sy hametraka azy eo anoloan’i Jesoa.
19
Tsy hitan’ireo mpilanja izay fomba hampidirana azy noho ny habetsahan’ny olona ka niakarany ny tafon-trano, nanesorany ny tafo tanimanga ary nampidininy ombàm-pandriana ilay malemy ho eo afovoan’ny olona, eo anoloan’i Jesoa.
20
Hitan’i Jesoa ny finoan’ireo olona ka hoy Izy tamin’ilay marary: –Andriamatoa, voavela ny helokao!
21
Ireo mpahay lalàna sy Farisianina kosa nieritreritra anakampo hoe: «Mba iza ity manevateva an’Andriamanitra ity? Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery ihany?»
22
Takatr’i Jesoa ny eritreritry ny mpahay lalàna sy Farisianina ka notsenainy ry zareo nataony hoe: –Inona izato eritreretinareo ao am-ponareo?
23
Inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza hoe: «Voavela ny helokao», sa ny milaza hoe: «Mitsangàna ka mandehana»?
24
Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak’olona eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka. Dia hoy i Jesoa tamin’ilay malemy: –Mandidy anao Aho, mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao!
25
Niaraka tamin’izay dia nitsangana teo imason’ny olona ralehilahy, nibata ny fandriany ary nody tany an-tranony sady nanome voninahitra an’Andriamanitra.
26
Talanjona avokoa izay rehetra teo ka nanome voninahitra an’Andriamanitra sady raiki-tahotra nanao hoe: –Zava-mahagaga ity hitantsika androany itỳ?
27
Taorian’izany, raha nandeha i Jesoa, dia nahita mpamory hetra atao hoe Levỳ nipetraka tao amin’ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy: –Avia hiaraka amiko!
28
Dia nitsangana i Levỳ namoy ny zavatra rehetra ary nandeha niaraka taminy.
29
Avy eo ry i Jesoa dia nanaovan’i Levỳ fanasambe tao an-tranony, ka betsaka ny mpamory hetra sy ny olon-kafa no niara-nisakafo taminy sy ny mpianany.
30
Nimonomonona ny Farisianina sy ireo mpahay lalàna mpomba azy ka nilaza tamin’ny mpianatr’i Jesoa hoe: –Ahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?
31
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary.
32
Tsy hiantso ny olo-marina no nahatongavako fa hiantso ny mpanota mba hialany amin’ny toetra ratsiny.
33
Ary nisy olona nanao tamin’i Jesoa hoe: –Ny an’i Jôhany Mpanao batisa, ny mpianany mahavatra mifady hanina sy mivavaka; toraka izany koa ny an’ny Farisianina. Fa ny anao kosa mihinana sy misotro hatrany.
34
Dia hoy i Jesoa taminy: –Moa azonareo atao ve ny mampifady hanina ireo mpanotrona ny mpampaka-bady raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra? Tsia!
35
Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra eo aminy ka amin’izay andro izay vao hifady hanina ireo mpanotrona.
36
Mbola nilazan’i Jesoa fanoharana koa ireo olona ireo nataony hoe: –Tsy misy olona mandrovitra tapa-damba amin’ny fitafiana vaovao hanampenana fitafiana tonta; fa raha izany, ny vaovao moa ho rovitra ary ny tonta tsy hifanendrika amin’ny tapa-damba vaovao.
37
–Toy izany koa, tsy misy olona mitahiry divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tranainy; fa raha izany, dia ho rotiky ny divay vaovao ny siny hoditra: ka ny divay ho raraka, ny siny hoditra hafoy.
38
Fa siny hoditra vaovao no tsy maintsy itahirizana ny divay vaovao.
39
–Ary tsy misy olona avy nisotro divay ela niotrehana ka hitady divay vaovao. Fa fiteny ny hoe: ny ela niotrehana no tsara.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24