bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Luke 9
Luke 9
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 10 →
1
Novorîn’i Jesoa ny 12 lahy, ka nomeny hery amam-pahefana hampiaiky ny demony rehetra sy hahasitrana ny aretina,
2
ary nirahiny hitory ny Fanjakàn’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary,
3
sady nohafatrafarany hoe: –Aza mitondra na inona na inona ianareo rehefa mandeha, na tehina, na kitapo, na sakafo, na vola, na akanjo hisoloana.
4
Izay trano hampandrosoana anareo dia itoero, ka avy ao no miaingà hanohy ny dianareo.
5
Izay rehetra tsy mandray anareo dia ialao ny tanànany; ka ny vovoka avy amin’ny tongotrareo ahintsano ho fiampangana azy.
6
Dia lasa ireo mpianatra nitety isan-tanàna ka nanambara ny Vaovao Mahafaly sy nanasitrana hatraiza hatraiza.
7
Henon’i Herôda, mpanjaka tao Galilea, izay rehetra nataon’i Jesoa, ka sahiran-kevitra be ihany izy, satria nisy nanao hoe: –I Jôhany Mpanao batisa no natsangan’Andriamanitra ho velona avy tany amin’ny maty indray!
8
Ny sasany kosa nanao hoe: –I Elià no miseho! Ny hafa indray nanao hoe: –Ny anankiray tamin’ireo mpaminani n’Andriamanitra fahizay no niverina!
9
Fa hoy kosa i Herôda: –Raha i Jôhany dia efa nasaiko notapahina ny lohany. Ka iza indray àry izao henoko manao zava-mahagaga izao? Ary notadiavin’i Herôda ho hita i Jesoa.
10
Nony tafaverina ny apôstôly, dia notantarainy tamin’i Jesoa izay rehetra nataony; ary nentin’i Jesoa nitokana tany amin’ny toerana mangingina akaikin’ny tanàna atao hoe Betsaidà ny apôstôly.
11
Vao nahare izany kosa ny vahoaka dia lasa nanaraka an’i Jesoa. Noraisin’i Jesoa tsara ny olona ka nilazalazany momba ny Fanjakàn’Andriamanitra ary nositraniny izay nila fanasitranana.
12
Nony efa ho hariva ny andro, dia nohatonin’ny 12 lahy i Jesoa sady nataony hoe: –Ravao ny vahoaka mba hamonjy ny tanàna kely sy trano an-tsaha eny manodidina, hitady hanina sy fandriana satria an-taniefitra isika izao.
13
Dia hoy i Jesoa taminy: –Ianareo ihany no aoka hanome hanina azy. Fa ny mpianany kosa niteny hoe: –Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy trondro anankiroa izahay, raha tsy hoe izahay angaha no tokony handeha hividy hanina ho an’ireo vahoaka be ireo.
14
Fa dimy arivo teo ho eo ny vatan-dehilahy. Ary hoy indray i Jesoa tamin’ny mpianany: –Asaovy mipetraka mitsitokotoko ny olona, tokony ho dimampolo isany avy.
15
Dia nataon’ny mpianatra izany ka nasainy nipetraka avokoa ny vahoaka.
16
Noraisin’i Jesoa kosa ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra an’Andriamanitra noho ireo sakafo ireo, dia nanapaka sy nanome azy ny mpianany harosony amin’ny vahoaka.
17
Dia samy nihinana avokoa izy rehetra ka voky. Ary nangonina ny tapa-mofo aman-trondro ambiny ka nisy 12 sobika.
18
Indray andro, nivavaka samirery tany amin’ny toerana mangina i Jesoa; dia tonga teo aminy ny mpianany, ka nanontanian’i Jesoa hoe: –Iza moa Aho araka ny filàzan’ny olona?
19
Dia novalian’ny mpianany hoe: –Misy manao hoe i Jôhany Mpanao batisa; ny sasany kosa manao hoe i Elià; ary ny hafa indray manao hoe anankiray amin’ireo mpaminani n’Andriamanitra fahizay no miverina!
20
Dia hoy i Jesoa taminy: –Fa ianareo kosa, iza moa Aho aminareo? Namaly i Petera ka nanao hoe: –Ilay Mesia avy amin’Andriamanitra!
21
Nofeperan’i Jesoa mafy anefa ireo mpianany tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza,
22
sady nampiany hoe: –Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, ka holavin’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna, dia hovonoina ho faty; nefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.
23
Ary hoy i Jesoa tamin’ny olona rehetra: –Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka handà ny tenany, ka hitondra ny hazo fijaliany isan’andro ary hiaraka amiko,
24
Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy noho ny fitiavany Ahy kosa no hahavonjy azy.
25
Fa inona no soa azon’ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny tenany very na hitondra faisana?
26
Na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona rehefa ho avy ombàn’ny voninahiny, dia ny voninahitra ananan’ny Ray sy ananan’ny anjely masina.
27
Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika etoana dia tsy ho faty raha tsy efa nahita ny Fanjakàn’Andriamanitra.
28
Tokony ho herinandro taorian’izany, dia nitondra an-dry i Petera sy i Jôhany ary i Jakôba i Jesoa, ka lasa niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
29
Raha mbola nivavaka i Jesoa, dia niova ny fahitana ny tarehiny ary tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany.
30
Ary indreo nisy olona roa lahy niresaka taminy: dia i Mosesy sy i Elià,
31
izay niseho tamim-boninahitra sady nifampilaza fa efa ho tanteraka any Jerosalema ny hialàn’i Jesoa eto an-tany.
32
Sondrian-tory kosa i Petera sy ny namany, nefa mba taitra ihany ka nahita an’i Jesoa heni-boninahitra sy nahita azy roa lahy izay teo aminy.
33
Nony efa handao an’i Jesoa ry i Mosesy sy i Elià, dia hoy i Petera tamin’i Jesoa: –Mpampianatra ô, tsara ho antsika ny mitoetra eto; ka hanao tranolay anankitelo izahay: ny anankiray ho Anao; ny anankiray ho an’i Mosesy ary ny anankiray ho an’i Elià (Tsy fantany anefa izay nolazainy).
34
Raha mbola niteny izany i Petera, dia nisy rahona nanarona azy rehetra ka nihoron-koditra i Petera sy ny namany raha niditra tao anatin’ilay rahona.
35
Ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay voafidiko; henoy Izy.
36
Vao nanomboka niteny ilay feo, dia i Jesoa irery ihany no hita. Nahatam-bava ireo mpianany telo lahy; ka tamin’izany andro izany, dia tsy nilazalaza na inona na inona tamin’olona momba ny zavatra hitany.
37
Ny ampitson’iny, raha nidina avy any an-tendrombohitra izy efa-mianaka, dia notsenain’ny vahoaka maro i Jesoa.
38
Ary indro nisy lehilahy anankiray tamin’ny vahoaka nitaraina mafy hoe: –Mpampianatra ô, mihanta aminao aho, mba iantrao re ny zanako, fa lahitokana izy io!
39
Raha vao hetsehin’ny fanahy ratsy izy, dia ataony midradradradra tampoka sady mifanintontsintona sy mandoa vory: ary efa torovana erỳ ny zanako vao ialan’ny fanahy ratsy.
40
Efa nangatahiko ny mpianatrao handroaka fa tsy nahomby.
41
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Karazan’olona tsy mino sady be siasia ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo sy handeferako aminareo? Ento atỳ ny zanakao!
42
Iny nanatona iny ilay zaza, dia nazeran’ny demony ary nataony mifanintontsintona izaitsizy; fa notenenin’i Jesoa mafy ny fanahy maloto ka sitrana ilay zaza, ary natolony an-drainy.
43
Dia talanjona izy rehetra noho ny halehiben’ny fahefàn’Andriamanitra. Raha mbola nigagan’ny besinimaro i Jesoa tamin’ny rehetra nataony, dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
44
–Tadidio tsara izao teny izao: Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona.
45
Tsy azon’ny mpianany anefa izany teny izany, sady mbola nafenina taminy ka tsy fantany; ary tsy sahiny nanontaniana an’i Jesoa.
46
Ary nisy hevitra nipoitra teo amin’ireo mpianatra ny amin’izay mety ho lehibe indrindra amin’izy samy izy.
47
I Jesoa kosa nahalala ny hevitra tao am-pon’ireo mpianatra ka nandray zazakely anankiray napetrany teo anilany,
48
sady nanao tamin’ny mpianany hoe: –Na iza na iza mandray ity zaza ity amin’ny anarako, dia Izaho no raisiny; ary na iza na iza mandray Ahy, dia Ilay naniraka Ahy no raisiny. Eny, izay kely indrindra aminareo rehetra no lehibe indrindra!
49
Niteny kosa i Jôhany nanao hoe: –Mpampianatra ô, nahita olona nandroaka demony tamin’ny anaranao izahay, ka norarànay satria tsy namanay.
50
Fa hoy i Jesoa taminy: –Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.
51
Nony efa antomotra ny fotoana hanalana an’i Jesoa teto an-tany, dia tapa-kevitra hankany Jerosalema Izy,
52
ka nandefa iraka hialoha Azy. Lasa ireo mpialoha lalana ary niditra tao amin’ny tanàna anankiray an-dry zareo Samaritanina, mba hanomana ny fandraisana Azy.
53
Tsy nety nandray an’i Jesoa anefa ny mponina tao, noho Izy hita fa mizotra ho any Jerosalema.
54
Nony nahita izany ry i Jakôba sy i Jôhany mpianany, dia nanao hoe: –Tompo ô, sitrakao ve ny hiantsoanay varatra hilatsaka avy any an-danitra handevona azy ireo?
55
Fa nitodika tamin’izy mirahalahy i Jesoa ka nananatra azy mafy.
56
Dia nankany amin’ny tanàna hafa i Jesoa sy ny mpianany.
57
Raha mbola nizotra tamin’ny diany i Jesoa sy ny mpianany, dia nisy olona anankiray nilaza tamin’i Jesoa hoe: –Hiaraka aminao aho, na aiza na aiza alehanao!
58
Fa hoy i Jesoa taminy: –Ny fosa manan-davaka; ny voro-manidina manana ny akany; fa ny Zanak’olona tsy mba manan-trano handriany sy hialany sasatra.
59
Hoy kosa i Jesoa tamin’ny anankiray hafa: –Andao hiaraka amiko! Dia izao no navalin’io: –Avelao aho aloha, Tompoko, handevina an’i dada!
60
Fa hoy i Jesoa taminy: –Avelao izy samy maty no hifandevina, fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakàn’Andriamanitra!
61
Ary hoy ny anankiray hafa indray hoe: –Hiaraka aminao aho, Tompoko, saingy avelao aloha hanao veloma ny fianakaviako.
62
Fa hoy i Jesoa taminy: –Ny olona efa mitana amin’ny angadin’omby kanefa mbola miherika ihany, dia tsy natao ho an’ny Fanjakàn’Andriamanitra.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24