bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Luke 2
Luke 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 3 →
1
Tamin’izany andro izany, dia namoaka didy ny amperôra Aogosta hampanao fanisàm-bahoaka eran’ny fanjakana rômanina.
2
Izany fanisàm-bahoaka voalohany izany dia natao fony i Kireny no filohan’ny faritany Siria.
3
Ary samy namonjy ny tanàna fiaviany avy ny olona rehetra mba hisaina.
4
Niainga avy tao Nazareta tanàna any Galilea i Jôsefa hiakatra any Jodea, hankany amin’ilay tanàna fiavian’i Davida atao hoe Betlehema, noho izy taranaka sy fokon’i Davida.
5
Mba hoisaina no foto-dian’i Jôsefa sy i Maria vadiny izay efa bevohòka.
6
Raha tao Betlehema izy roa, dia tonga ny andro hahaveloman’i Maria.
7
Teraka ny lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ary nampandrîny teo amina fihinanam-bilona; fa tsy nisy toerana ho azy telo mianaka tao amin’ny trano fivantanam-bahiny.
8
Tany amin’izany faritany izany, dia nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina.
9
Nisy anjeli n’ny Tompo niseho tampoka taminy; ary nohodidinin’ny voninahitry ny Tompo ireo mpiandry ondry ka raiki-tahotra izaitsizy.
10
Fa hoy ilay anjely taminy: –Aoka izay ny tahotra, fa vaovao mahafaly no entiko ho anareo, dia fifaliana lehibe ho an’ny vahoaka rehetra:
11
Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo.
12
Izao no hahafantaranareo Azy: hahita zazakely anankiray voahodidina lamban-jaza sady mandry eo amina fihinanam-bilona ianareo.
13
Ary nisy anjely alikisa avy any an-danitra niseho niaraka tamin’ilay anjely teo ka nidera an’Andriamanitra nanao hoe:
14
«Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra; ary fiadanana etỳ an-tany ho an’ny olombelona fa nanehoany fitia!»
15
Rehefa nilaozan’ny anjely niverina any an-danitra ireto mpiandry ondry, dia nifampiresaka hoe: –Andao mihitsy ho any Betlehema isika hizaha izany zava-baovao nampahalalain’ny Tompo antsika izany!
16
Dia nandeha faingana izy ireo nankany, ka nahita an’i Maria sy i Jôsefa ary nahita zazakely mandry eo amin’ny fihinanam-bilona.
17
Nony avy nahita ireto mpamangy, dia nampiely ny teny nolazain’ny anjely taminy momba io zazakely io;
18
ary izay rehetra nandre dia gaga tamin’ny zavatra voalazan’ireo mpiandry ondry.
19
I Maria kosa nitadidy izany rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.
20
Dia lasa nody ireo mpiandry ondry ka nanome voninahitra sy dera an’Andriamanitra noho izay rehetra reny sy hitany, araka ny voalazan’ny anjely taminy.
21
Tonga ny fotoana hamorana ilay zaza nony afaka herinandro; ary natao hoe Jesoa ny anarany, araka ilay nolazain’ny anjely talohan’ny nahatorontoronina Azy.
22
Tonga ny fotoana tsy maintsy anatanterahana ny fombam-pivavahana fidiovana ho an’i Maria sy i Jesoa zazakely, araka ny lalànan ’i Mosesy. Dia nentin’i Maria sy i Jôsefa tany Jerosalema ny zazakely mba hatolotra ny Tompo,
23
satria voasoratra ao amin’ny lalànan’ny Tompo hoe: «Hatokana ho an’ny Tompo ny lahimatoa rehetra.»
24
Nitondra fanatitra araka ny voalaza ao amin’ny lalànan’ny Tompo ihany koa i Maria sy i Jôsefa, izany hoe fanatitra «domohina roa na voromahailala roa ».
25
Tao Jerosalema tamin’izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehôna; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an’Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nombàn’ny Fanahy Masina izy
26
ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia avy amin’ny Tompo.
27
Nentin’ny Fanahy Masina hankao an- kianjan’ny tempoly i Simehôna, raha niditra indrindra ny ray aman-drenin’i Jesoa zazakely mba hanatanteraka izay andidian’ny lalàna ny amin’ny zaza;
28
dia nitrotro Azy i Simehôna sady velom-pisaorana an’Andriamanitra nanao hoe:
29
–Tompo ô, alefaso amim-piadanana amin’izay ity mpanomponao, araka ny teninao!
30
Efa hitako maso manko ny famonjena avy aminao
31
izay nomaninao ho an’ny firenena rehetra:
32
dia fahazavana hampahalala Anao amin’ny hafa firenena ary hanome voninahitra an’i Israely vahoakanao.
33
Gaga ny ray aman-drenin’i Jesoa noho izao tenin’i Simehôna momba ny zanany izao.
34
Ary nitsodrano azy telo mianaka i Simehôna; avy eo izy dia niteny tamin’i Maria renin’i Jesoa hoe: –Indro ity zaza ity fa voatendry mba hahatonga ny maro amin’i Israely homelohin’Andriamanitra ary koa hahatonga ny maro amin’i Israely hankatoavin’Andriamanitra. Ho famantarana hifanoheran’ny olona ity zaza ity,
35
mba hampiharihary ny fisainan’ny besinimaro. Ary ianao kosa, ramatoa, hotsatohan-tsabatra ny fanahinao!
36
Nisy koa vehivavy mpaminany natao hoe Ana, zanakavavin’i Fanoela, avy amin’ny fokon’i Asera. Tena antitra izy. Fito taona ihany no nanambadiany taorian’ny nahatovovavy azy.
37
Dia nipetraka ho mpitondratena izy ary feno 84 taona izao ny andro niainany. Tsy niala tao amin’ny tempoly mihitsy izy, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina, ka nifady hanina sy nivavaka.
38
Tonga koa i Ana tamin’io fotoana io ka nisaotra an’Andriamanitra ary nilazalaza momba ity zaza ity tamin’izay rehetra fatra-piandry ny hanavotan’Andriamanitra an’i Jerosalema.
39
Rehefa avy nanatontosa ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo ny ray aman-drenin’i Jesoa, dia niverina nankany Galilea izy telo mianaka ho ao Nazareta tanànany.
40
Nitombo sy nihatanjaka ilay zaza sady feno fahendrena; ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.
41
Mpankany Jerosalema isan-taona ny ray aman-drenin’i Jesoa amin’ny fankalazana ny Paska.
42
Nony feno 12 taona i Jesoa, dia lasa izy telo mianaka niara-niakatra araka ny fanao amin’izany fankalazana izany.
43
Nody i Maria sy i Jôsefa nony tapitra ny andro fankalazana, fa i Jesoa tovolahikely dia mbola nijanona tao Jerosalema, saingy tsy tsikaritr’ireo ray aman-dreniny izany.
44
Nihevitra moa izy roa fa tafaraka tamin’ny mpiara-dia ity zanany; ka efa lasa lalana indray andro, izay vao nitady Azy, nanontany ny havana sy olom-pantatra,
45
nefa tsy nahita Azy. Dia niverina ilàlana izy roa nitady Azy tany Jerosalema.
46
Tamin’ny andro fahatelo vao hitany tao an- kianjan’ny tempoly i Jesoa mipetraka teo afovoan’ireo mpampianatra jiosy ka mihaino sady manontany an-dry zareo.
47
Talanjona daholo ny olona nandre ity tovolahikely fa saina matotra no nasehony isak’izay niteny Izy.
48
Gaga dia gaga ny ray aman-dreniny nahita Azy, ka hoy ny reniny taminy: –Nahoana, anaka, no nanao toy izao taminay Ianao? Endrey izany tebitebinay sy ny rainao nitady Anao!
49
Dia hoy i Jesoa tamin’izy mivady: –Nahoana kosa no mitady Ahy ianareo? Hay tsy mbola fantatrareo fa tsy maintsy ato amin’ny tranon’ny Raiko Aho?
50
Tsy azon’izy roa anefa izay nolazain-janany taminy.
51
Dia niara-nody taminy tany Nazareta i Jesoa ary nanoa azy. Ny reniny kosa nitadidy izany rehetra izany tao am-pony.
52
Ary nitombo fahendrena sy taona i Jesoa sady nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24