bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Luke 19
Luke 19
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 20 →
1
Tafiditra tao Jerikao i Jesoa ary namakivaky ny tanàna.
2
Ary indro nisy lehilahy atao hoe Zakeo, sady lehiben’ny mpamory hetra no mpanankarena.
3
Mba nitady hahita izany Jesoa izany izy, saingy fohy ka tsy afa-nanoatra satria nifanety ny vahoaka.
4
Dia nilomay nialoha izy ka nianika hazo amontana mba hitazana an’i Jesoa, fa akaikin’izany no efa handalovany.
5
Nony tonga teo i Jesoa, dia nitraka ary niteny tamin’i Zakeo hoe: –Ry Zakeo, midîna faingana fa any aminao Aho anio no tsy maintsy miantrano.
6
Nidina faingana i Zakeo ary nandray an’i Jesoa tamin-kafaliana.
7
Nimonomonona ny olona rehetra nanatrika teo ka nanao hoe: –Any amin’ny mpanota indray re no amantanany!
8
Niato kosa i Zakeo ka niteny tamin’ny Tompo hoe: –Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako afoiko ho an’ny mahantra; ary izay zavatr’olona azoko am-pitaka, dia honerako inefatra heny!
9
Ary hoy i Jesoa taminy: –Anio ny famonjena dia tafiditra amin’ity trano ity; noho izany ity lehilahy ity koa dia zanak’i Abrahama!
10
Fa ny hitady sy hamonjy izay very no nahatongavan’ny Zanak’olona!
11
Raha mbola nihaino izany teo ny olona, dia nanaovan’i Jesoa fanoharana indray. Akaiky an’i Jerosalema manko Izy tamin’izay ka noheverin’ny olona fa efa nadiva hiseho ny Fanjakàn’Andriamanitra.
12
Toy izao àry ny tenin’i Jesoa: –Lasa tany an-tany lavitra ity andriandahy anankiray handray ny fahefana hanjaka, dia hiverina.
13
Niantsoany folo lahy ny mpanompony talohan’ny hiaingany, ka samy nomeny denàry zato avy sady nataony hoe: «Ampiasao ireny mandra-piveriko.»
14
Hàlan’ny mpiray tanindrazana aminy kosa ilay andriandahy ka nandefasany iraka nanaraka azy hilaza hoe: «Tsy mila iny lehilahy iny ho mpanjaka izahay.»
15
Rehefa nahazo ny fahefana hanjaka izy, dia nody an-tanindrazana ary nampiantso an’ireo nomeny vola mba hahalalany izay tombony azony avy.
16
Niseho ilay voalohany ka nilaza hoe: «Nahazo denàry arivo, tompoko, ny denàry zato nomenao ahy!»
17
Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara; nahatoky tamin’ny zava-madinika ianao, ka dia tendreko hiandraikitra tanàna folo.»
18
Tonga ny faharoa ka nanao hoe: «Namokatra denàry dimanjato, tompoko, ny denàry zato nomenao ahy!»
19
Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Ianao indray dia tendreko hiandraikitra tanàna dimy.»
20
Tonga kosa ny anankiray hafa ka nanao hoe: «Intỳ, tompoko, ny denàry zato nomenao ahy, fa nataoko tsara tahiry tanaty mosara.
21
Natahotra anao manko aho, satria lehilahy sarotiny ianao, ka maka izay tsy napetrakao ary mijinja izay tsy nafafinao.»
22
Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Mpanompo ratsy fanahy raha ianao! Ny teninao no itsarako anao: fantatrao fa lehilahy sarotiny aho, maka izay tsy napetrako ary mijinja izay tsy nafafiko;
23
koa nahoana àry no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako, ka ho noraisiko mbamin’ny zana-bola rehefa tafaverina aho?»
24
Ary hoy ny mpanjaka tamin’izay nanatrika teo: «Alao ny denàry zato eny aminy ka omeo an’ilay nahazo denàry arivo!»
25
Dia hoy ireo tamin’ny mpanjaka: «Ka efa manana denàry arivo anie izy, tompoko!»
26
Fa novaliany hoe: «Lazaiko aminareo fa izay rehetra manana no homena hatrany; ary izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia halana aminy.
27
Fa iretsy fahavaloko tsy nanaiky hanjakako iretsy, dia ento atỳ ka vonoy eto anatrehako!»
28
Nony avy niteny izany i Jesoa, dia nitarika ny dia hiakatra ho any Jerosalema.
29
Rehefa nanakaiky an’i Betifage sy i Betania izay eo amin’ny tendrombohitra atao hoe Analanôliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany
30
ka nanao hoe: –Mankanesa amin’itsy tanàna manoloana itsy. Rehefa tafiditra ny tanàna ianareo, dia hahita zana-boriky mifatotra mbola tsy nitaingenan’olona; vahao izy ka ento atỳ.
31
Ary raha misy olona manontany anareo hoe: «Nahoana io no vahanareo?», dia valio hoe: «Misy ilàn’ny Tompo azy.»
32
Nony lasa ireo nirahina, dia nahita araka izay voalazan’i Jesoa taminy.
33
Raha namaha ny zana-boriky iny izy, dia hoy ny tompom-boriky hoe: –Nahoana io no vahanareo?
34
Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Misy ilàn’ny Tompo azy!
35
Nentin’ireto iraka nankeo amin’i Jesoa ilay zana-boriky; ary ny lamban’izy roa lahy no napetrany teo amboniny, vao nasainy nitaingina i Jesoa.
36
Nony nandroso i Jesoa, dia namelaran’ny olona lamba teny amin’ny lalan-kalehany.
37
Rehefa nanakaiky an’i Jerosalema Izy ka handray ilay fidinana eo amin’ny tendrombohitra Analanôliva, dia nisy mpianatra marobe indray nientan-kafaliana sady nidera an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery, noho ny asa mahagaga rehetra efa hitany;
38
hoy ny antsoantsony hoe: «Hombàm-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie ny Mpanjaka izay avy! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie ho an’Andriamanitra!»
39
Nisy kosa Farisianina avy teo anivon’ny vahoaka niteny tamin’i Jesoa hoe: –Mpampianatra ô, mba teneno ny mpianatrao hangina!
40
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso!
41
Ary nanakaiky an’i Jerosalema hatrany i Jesoa ka nony nahatazana ny tanàna, dia nitomany azy
42
sady nanao hoe: –Raha mba fantatrao amin’ity andro ity manko izay hanananao fiadanana! Nefa indrisy, takona ny masonao izany!
43
Fa ho avy aminao ny andro hananganan’ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, ka hanaovany fahirano anao sy hanereny anao hatraiza hatraiza.
44
Hofongorana tanteraka ianao sy ny mponina ao anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, noho ianao tsy nahalala ny andro notendren’Andriamanitra hamangiana anao!
45
Nony tafiditra tao an- kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia nandroaka ireo mpivarotra
46
sady nanao taminy hoe: –izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny tranoko dia trano fivavahana.» Nefa he itỳ izy ataonareo zohy fieren’ny mpangalatra!
47
Ary nampianatra isan’andro teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa; fa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna mbamin’ny loholom-bahoaka kosa nitady hahafaty Azy.
48
Saingy tsy hitan-dry zareo izay hatao satria liana fatratra ny vahoaka rehetra mihaino Azy.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24