bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Luke 16
Luke 16
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 17 →
1
Hoy kosa i Jesoa tamin’ny mpianany: –Nisy mpanankarena anankiray nanana mpitandrim-pananana, izay notorîn’ny olona taminy fa mandanilany foana ny fananany.
2
Dia nampiantsoin’ilay tompony izy ka nanontaniany hoe: «Inona izany henoko momba anao izany? Avoahy hoe ny fitandremanao fa tsy hahazo hitandrina ny fananako intsony ianao!»
3
Ka hoy ilay mpitandrim-pananana anakampony hoe: «Esorin’ny tompoko amin’ny asako aho ity, ka inona re no hataoko? Ny miasa tany, tsy vitako; ny mangataka, mahamenatra ahy.
4
Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony, rehefa voaroaka amin’ny asako aho.»
5
Dia nampiantsoin’ilay mpitandrim-pananana tsirairay ireo olona nitrosa tamin’ny tompony. Ka hoy izy tamin’ilay voalohany: «Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?»
6
Dia hoy ilay mpitrosa hoe: «Menaka efatra arivo litatra.» Ary hoy ny mpitandrim-pananana taminy: «Intỳ ny taratasinao, mipetraha faingana ka soraty hoe roa arivo.»
7
Nisy hafa koa nilazany hoe: «Ary ianao, ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?» Dia hoy ilay mpitrosa hoe: «Vary zato kitapo.» Ary hoy ny mpitandrim-pananana taminy: «Intỳ ny taratasinao, ka soraty hoe valopolo.»
8
Noderain’ny tompony ilay mpitandrim-pananana tsy marina, satria niseho ho kinga; fa amin’ny raharaha ifanaovany avy, dia kinga kokoa ny olona miaina araka izao tontolo izao noho ny olona miaina araka ny fahazavan’Andriamanitra.
9
Ka hoy Aho aminareo mpianatro: ampiasao ny haren’izao tontolo izao hananan-kavana handray anareo any amin’ny fonenana mandrakizay, rehefa tonga ilay andro hamoizana ireny harena ireny.
10
Izay mahatoky amin’ny zava-madinika, dia mahatoky koa amin’ny zava-dehibe; ary izay tsy marina amin’ny zava-madinika, dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe.
11
Raha tsy azo itokiana amin’ny haren’izao tontolo izao ianareo, iza no hametraka aminareo ny tena harena;
12
ary raha tsy azo itokiana amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo ny fananana tena anareo?
13
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa: satria na ny anankiray ho hàlany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an’Andriamanitra no manompo ny harena.
14
Fatra-pitia vola ny Farisianina ka naneso an’i Jesoa nony nandre izany teny rehetra izany.
15
Fa hoy i Jesoa taminy: –Ianareo miseho ho marina eo imason’ny olona, kanefa fantatr’Andriamanitra ny fonareo. Fa izay heverin’ny olona ho ambony, dia maharikoriko eo imason’Andriamanitra.
16
Miafara amin’i Jôhany Mpanao batisa ny andron’ny lalànan ’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany. Fa manomboka hatreo kosa dia ny Fanjakàn’Andriamanitra no Vaovao Mahafaly torîna, ary samy miezaka hiditra ao ny olona.
17
Kanefa moramora kokoa ny hahalevona ny tany amana habakabaka noho ny hoe hahafoana ny zavatra faran’izay madinika indrindra ao amin’ny lalànan’i Mosesy.
18
Izay rehetra manary vady ka mampakatra vehivavy hafa, dia manitsakitsaka ny vadiny taloha; ary izay mampakatra vehivavy nariam-bady, dia maka vadin’olona.
19
Nisy mpanankarena anankiray nanao fitafiana tsara tarehy sady lafo vidy ary nanaram-po tamin’ny hanim-py isan’andro.
20
Nisy kosa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalandotra teo anoloan’ny vavahadin’ilay mpanankarena.
21
Satriny tokoa ny mba hivoky amin’ny sombintsombin-tsakafo latsaka avy amin’ny latabatr’ilay mpanankarena, saingy ny alika kosa no tonga nilelaka ny feriny.
22
Maty ilay mahantra, ka nentin’ny anjely ho eo anilan’i Abrahama; maty koa ilay mpanankarena, dia nalevina.
23
Raha ilay niferinaina tany amin’ny toeran’ny maty iny ilay mpanankarena, dia niandrandra ka tazany terỳ lavitra terỳ i Abrahama sy i Lazara teo anilany.
24
Dia niantso izy nanao hoe: «Ry ikaky Abrahama ô, mamindrà fo amiko, iraho kely re i Lazara mba hanatsoboka ny loha fanondrony amin’ny rano hampangatsiatsiahany ny lelako, fa mijaly aho ato anaty lelafo ato.»
25
Fa hoy i Abrahama hoe: «Anaka, tsarovy fa ampoky ny soa ianao fahavelonao, i Lazara kosa niaritra fahoriana; ankehitriny mandray fiononana izy atỳ ankoatra, ary ianao kosa mijaly.
26
Sady izao koa, misy hantsam-be manelanelana antsika, hany ka izay te hiala etỳ hankeny aminareo tsy afa-manoatra, ary izay te hiala eny hanketỳ aminay tsy afa-miampita.»
27
Dia hoy ilay mpanankarena hoe: «Miangavy anao àry aho, ry ikaky, mba iraho i Lazara ho any aminay,
28
fa misy dimy lahy iray tampo amiko any. Aoka i Lazara hananatra azy mafy, mba tsy hahatonga azy koa amin’ity toeram-pijaliana ity!»
29
Fa novalian’i Abrahama hoe: «Manana an’i Mosesy sy ny mpaminany izy, koa aoka ireo no hohenoiny.»
30
Dia hoy ilay mpanankarena: «Tsy izany re, ry ikaky Abrahama, fa raha misy olona avy atỳ amin’ny maty miverina any aminy, dia hialan’izy dimy mirahalahy ny toe-dratsy!»
31
Fa hoy i Abrahama: «Raha i Mosesy sy ny mpaminany tsy henoiny, dia tsy hiaiky izy na misy olona mitsangana velona avy any amin’ny maty aza.»
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24