bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Luke 3
Luke 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 4 →
1
Tamin’ny taona faha-15 nanjakan’ny amperôra Tibèry –fony i Pônty Pilato no nifehy an’i Jodea, i Herôda no nanjaka tao Galilea, i Filipo rahalahiny no nanjaka tao Itorea sy Trakônitida, i Lisania no nanjaka tao Abilèna,
2
ary i Hàna mbamin’i Kaiàfa no mpisorombe – dia tonga tamin’i Jôhany zanakalahin’i Zakarià tany an-taniefitra ny tenin’Andriamanitra.
3
Dia lasa i Jôhany nitety ny faritany manontolo amoron’ny ony Jôrdàna sady nanao antso avo hoe: –Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan’Andriamanitra ny helokareo.
4
Izany dia araka ny voalazan’ny Soratra Masina ao amin’ny boky mirakitra ny tenin’i Isaià mpaminany hoe: «Injany misy feon’olona miantso mafy any an-taniefitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo; ahitsio ny hizorany.
5
Ny lohasaha rehetra hototofana; ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry. Ny miolakolaka hahitsy ary ny mikitoantoana harenina:
6
dia ho hitan’ny olombelona rehetra ny famonjena avy amin’Andriamanitra!»
7
Toy izao àry no tenin’i Jôhany tamin’ny vahoaka nidodododo hataony batisa: –Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba tsy ho tratry ny fahatezeran’Andriamanitra izay efa antomotra?
8
Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. Ary aza manao anakampo hoe: «Manana an’i Abrahama ho razambenay izahay!» Satria lazaiko aminareo fa hain’Andriamanitra ny manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.
9
Indro efa eo am-poto-kazo rahateo ny famaky: koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara, dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
10
Ary hoy ny vahoaka nanontany an’i Jôhany hoe: –Inona àry no tokony hataonay?
11
Dia novaliany hoe: –Izay manana akanjo roa, aoka hizara amin’izay tsy manana; ary izay manan-kohanina, aoka hanao toy izany koa.
12
Mba nisy koa mpamory hetra tonga hatao batisa ka niteny tamin’i Jôhany hoe: –Mpampianatra ô, inona no tokony hataonay?
13
Dia novaliany hoe: –Aza mitaky mihoatra noho izay voafetra halainareo.
14
Nisy ihany koa miaramila nanontany azy hoe: –Mba inona kosa no tokony hataonay? Dia hoy izy taminy: –Aza maka zavatr’olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin’ny karamanareo.
15
Velom-panantenana tokoa ny vahoaka ary samy nieritreritra tao am-pony hoe: «I Jôhany va re sa tsia no Mesia?»
16
Fa i Jôhany kosa niteny tamin’izy rehetra hoe: –Ny ahy, rano no anaovako batisa anareo. Indro tamy kosa ilay Mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho; ny Azy, ao amin’ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo.
17
Eny an-tanany ny fikororohana hanadiovany tanteraka ny vary eo am-pamoloana: ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.
18
Fananarana maro samihafa koa no nanambaràn’i Jôhany ny Vaovao Mahafaly tamin’ny olona.
19
Notsinîn’i Jôhany hatrany kosa i Herôda mpanjaka noho izy naka an’i Herôdiada vadin-drahalahiny ary noho ny ratsy hafa rehetra vitan’ity mpanjaka.
20
Kanjo vao mainka nanampy heloka indray i Herôda, fa nanidy an’i Jôhany tao am-ponja.
21
Indray andro, raha mbola natao batisa ny vahoaka rehetra, dia mba natao batisa koa i Jesoa. Ary nivavaka Izy nandritra izany, ka nisokatra ny lanitra.
22
Dia nidina teo ambonin’i Jesoa ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala; sady nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako!
23
Tokony ho telopolo taona i Jesoa fony nanomboka ny asany, ka noheverin’ny olona fa zanak’i Jôsefa, zafin’i Helỳ,
24
zafiafin’i Matatà, zafin-dohalik’i Levỳ, zafin-kitrokelin’i Melkỳ, zafim-paladian’i Janày, ary zafin-dorian’i Jôsefa;
25
dia i Jôsefa zanakalahin’i Matatîa, zafin’i Amôsa, zafiafin’i Nahoma, zafin-dohalik’i Jeslỳ, zafin-kitrokelin’i Nagày,
26
zafim-paladian’i Mahàta, ary zafin-dorian’i Matatîa; dia i Matatià zanakalahin’i Semehỳ, zafin’i Jôsèka, zafiafin’i Jôdà,
27
zafin-dohalik’i Jôhanàna, zafin-kitrokelin’i Resà, zafim-paladian’i Zerobabèla ary zafin-dorian’i Sealtièla; dia i Sealtièla zanakalahin’i Nerỳ,
28
zafin’i Melkỳ, zafiafin’i Adỳ, zafin-dohalik’i Kôsàma, zafin-kitrokelin’i Elmadàma, zafim-paladian’i Era,
29
ary zafin-dorian’i Josoa; dia i Josoa zanakalahin’i Eliezèra, zafin’i Jorîma, zafiafin’i Matàta, zafin-dohalik’i Levỳ,
30
zafin-kitrokelin’i Simehôna, zafim-paladian’i Jodà, ary zafin-dorian’i Jôsefa; dia i Jôsefa zanakalahin’i Jônàma, zafin’i Eliakîma,
31
zafiafin’i Meleà, zafin-dohalik’i Menà, zafin-kitrokelin’i Matatà, zafim-paladian’i Natàna, ary zafin-dorian’i Davida;
32
dia i Davida zanakalahin’i Jisay, zafin’i Ôbeda, zafiafin’i Bôhaza, zafin-dohalik’i Salà, zafin-kitrokelin’i Nahasôna,
33
zafim-paladian’i Haminadàba, ary zafin-dorian’i Admîna, dia i Admîna zanakalahin’i Arama, zafin’i Arnỳ, zafiafin’i Hesrôna, zafin-dohalik’i Peretsa, zafin-kitrokelin’i Jodà,
34
zafim-paladian’i Jakôba, ary zafin-dorian’i Itsehàka; dia i Itsehàka zanakalahin’i Abrahama, zafin’i Terà, zafiafin’i Nahôra,
35
zafin-dohalik’i Seròga, zafin-kitrokelin’i Rehò, zafim-paladian’i Falèga ary zafin-dorian’i Ebèra; dia i Ebèra zanakalahin’i Salà,
36
zafin’i Kainàma, zafiafin’i Arfaksàda, zafin-dohalik’i Sema, zafin-kitrokelin’i Noà, zafim-paladian’i Lamèka,
37
ary zafin-dorian’i Metosalà; dia i Metosalà zanakalahin’i Henôka, zafin’i Jarèda, zafiafin’i Malaleèla, zafin-dohalik’i Kainàma,
38
zafin-kitrokelin’i Enôsa, zafim-paladian’i Sèta ary zafin-dorian’i Adama, dia i Adama zanak’Andriamanitra.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24