bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Luke 7
Luke 7
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 8 →
1
Rehefa avy nampandre ny vahoaka izany teniny rehetra izany i Jesoa, dia niverina tany Kafarnahòma.
2
Nisy kosa kapitenin-tafika nanana mpiasa narary efa ho faty, mpiasa sarobidy aminy tokoa.
3
Vao nahaheno ny amin’i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholona jiosy hankany aminy hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay mpiasa.
4
Rehefa tonga teo amin’i Jesoa ireto iraka, dia niangavy Azy mafy hoe: –Mendrika hanaovana izany io kapiteny io fa tia ny firenentsika,
5
ary izy mihitsy aza no nanorina ny sinagôgantsika.
6
Dia niara-nandeha tamin’ireo loholona i Jesoa. Ary rehefa mby akaikin’ny trano Izy, dia nanirahan’ilay kapiteny olona mahatoky indray hilaza aminy hoe: –Aza misahirana toy izao re, Tompoko, fa tsy mendrika handrosoanao an-trano aho;
7
ary izany no anton’ny tsy nisehoako vatana taminao; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana anie ny mpiasako.
8
Izaho manko, na ambany fahefàn’olona aza, mba mifehy miaramila ihany: ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.
9
Gaga tamin’ilay kapiteny i Jesoa raha nandre izany, ary dia nitodika tamin’ny vahoaka nanaraka Azy ka nanao hoe: –Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza!
10
Nony tafaverina tany an-tranon’ilay kapiteny ireto iraka, dia nahita ilay mpiasa salama soa aman-tsara.
11
Taorian’izany i Jesoa dia nankany amin’ny tanàna atao hoe Naîna ary notronin’ireo mpianany sy vahoaka maro.
12
Rehefa tonga teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia tojo olona handevina fatin-jazalahy anankiray; ramatoa reniny tsy nanana afa-tsy iny sady efa mpitondratena, koa olona marobe avy ao an-tanàna no niaraka taminy.
13
Vao nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: –Aoka izay ny ranomasonao, ramatoa!
14
Dia nanatona Izy ary nanendry ny tranovorona, ka nijanona ny mpilanja. Ary hoy i Jesoa hoe: –Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mifohaza!
15
Dia indro ny maty fa niarina sy nanomboka niteny ary natolotr’i Jesoa an-dreniny.
16
Raiki-tahotra ny olona rehetra sady nanome voninahitra an’Andriamanitra hoe: – Mpaminany lehibe no efa najoron’Andriamanitra eto anivontsika! Ary koa hoe: –Efa namangy ny vahoakany Andriamanitra!
17
Dia niely eran’i Jodea manontolo mbamin’ny faritany manodidina rehetra ny lazan’i Jesoa.
18
Ary i Jôhany Mpanao batisa nilazan’ny mpianany izany rehetra izany, ka niantso roa lahy tamin’ireo mpianany
19
sy naniraka azy hankany amin’ny Tompo hanontany hoe: «Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?»
20
Nony tonga tany amin’i Jesoa izy roa lahy, dia nanao hoe: –I Jôhany Mpanao batisa no naniraka anay hankatỳ aminao hanontany hoe: «Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?»
21
Tamin’izany indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro tamin’ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra ny jamba maro.
22
Ka hoy Izy namaly ireto iraka hoe: –Ndeha ambarao amin’i Jôhany ny zavatra hitanareo sy renareo: mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly ny mahantra.
23
Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy!
24
Nony lasa ireto iraka, dia niteny momba an’i Jôhany tamin’ny vahoaka i Jesoa nanao hoe: –Hizaha inona no nalehanareo tany an-taniefitra? Bararata hetsiketsehin-drivotra ve? Tsia!
25
Fa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Olona marevaka fitafiana ve? Izay marevaka fitafiana sy manaram-po amin’ny fiainana, dia any amin’ny lapan’ny mpanjaka!
26
Koa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Mpaminany ve? Izany tokoa, hoy Aho aminareo, ary mihoatra noho ny mpaminany aza.
27
Fa i Jôhany no ilay voalazan’ny Soratra Masina hoe: Indro alefako hialoha Anao ny irako, hoy Andriamanitra, mba hanomana ny lalan-kombànao!»
28
Tsy misy lehibe noho i Jôhany amin’ny tera-behivavy; nefa lazaiko aminareo fa izay kely indrindra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra dia lehibe noho izy.
29
Ary ny vahoaka rehetra izay nandre an’i Jôhany, mbamin’ny mpamory hetra aza, dia nanaiky an’Andriamanitra ho marina ka niroso hataon’i Jôhany batisa.
30
Ny Farisianina sy ny mpahay lalàna kosa nitsipaka ny fikasan’Andriamanitra ka nandà tsy hataon’i Jôhany batisa.
31
Dia hoy indray i Jesoa: –Iza no hanoharako ny olona ankehitriny? Zovy no mety hampitahana azy?
32
Tahaka ny ankizy mipetra-potsiny eny an-kianja ka omen’ny namany tsiny hoe: «Ianareo itsofanay sodina, tsy mandihy; ianareo anaovanay hira fisaonana, tsy mitomany!»
33
Fa tonga i Jôhany Mpanao batisa, tsy mofo haniny tsy divay sotroiny, nefa lazainareo hoe: «Ondranondranana!»
34
Tonga indray ny Zanak’olona mihinana sy misotro, nefa lazainareo hoe: «Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota!»
35
Andriamanitra kosa, araka ny fahendreny, dia eken’ireo zanany rehetra ho marina!
36
Nisy Farisianina nanasa an’i Jesoa hiara-misakafo aminy, koa nandroso tao aminy Izy ary naka toerana.
37
Nisy kosa vehivavy anankiray malaza ho mpanota tao an-tanàna. Vao nahalala ravehivavy fa hoe misakafo ao amin’ilay Farisianina i Jesoa, dia naka ilomanitra eran’ny tavoahangy alabasitra;
38
ka indro izy nankeo ivohon’i Jesoa ary nitomany dia nitomany teo an-tongony. Kotsan’ny ranomaso ny tongotr’i Jesoa ka nofaohin-dravehivavy tamin’ny volon-dohany, norokorohany tamim-pitiavana ary nohosorany an’ilay ilomanitra.
39
Raha nahita izany ilay Farisianina nampiantrano an’i Jesoa, dia nanao anakampo hoe: «Raha mpaminany tokoa ity, dia ho nahafantatra izay tena toetran’io vehivavy mikasikasika Azy io fa hoe mpanota.»
40
Ary i Jesoa niteny taminy hoe: –Simôna ô, misy zavatra tiako holazaina aminao! Dia hoy i Simôna hoe: –Lazao àry hoe, ry Mpampianatra!
41
Ka hoy i Jesoa taminy: –Nisy, hono, olona roa nitrosa vola tamin’izay mpampisambo-bola izay; ny iray nitrosa denàry dimanjato, ny iray denàry dimampolo.
42
Samy tsy nanan-kandoavana anefa izy roa lahy ka dia nafoin’ny mpampisambotra ny trosa rehetra rehetra. Iza amin’izy roa lahy, hoy ianao, no ho tia azy kokoa?
43
Dia novalian’i Simôna hoe: –Ataoko fa ilay namoizany be. Ka hoy i Jesoa taminy: –Marina ny hevitrao!
44
Dia nitodika nijery an-dravehivavy Izy sady nanao tamin’i Simôna hoe: –Hitanao ve ity vehivavy ity? Niditra ny tranonao Aho: ianao tsy nanome rano Ahy hanasako tongotra; izy kosa ny ranomasony no nanondrahany ny tongotro ary ny volon-dohany no namaohany azy.
45
Ianao tsy nanoroka Ahy; izy kosa, hatrizay nidirany, tsy nitsahatra nanorokoroka ny tongotro.
46
Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako; izy kosa nanosotra ilomanitra ny tongotro.
47
Koa izao no teniko aminao: Voavela ny heloka be nataony, noho izy be fitiavana; fa izay amelana kely no kely fitiavana.
48
Hoy kosa i Jesoa tamin-dravehivavy: –Voavela ny helokao!
49
Ireo niara-nisakafo tamin’i Jesoa dia nanao anakampo hoe: «Iza moa ity no mamela heloka?»
50
Fa hoy indray i Jesoa tamin-dravehivavy: –Ny finoanao no nahavonjy anao! Ndeha àry ka veloma finaritra!
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24