bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Luke 21
Luke 21
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 22 →
1
Ary nanopy ny masony i Jesoa ka nahita ireo mpanankarena nandrotsa-bola teo amin’ny vata fitoeran-drakitra.
2
Ary hitany koa ity vehivavy mpitondratena mahantra nandrotsaka ariary anankiroa.
3
Ka hoy i Jesoa hoe: –Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena io no nandrotsaka be indrindra tamin’izy rehetra.
4
Satria ireo rehetra ireo dia nandrotsaka ny ambim-bavany ho fanatitra; fa ravehivavy io kosa, na fadiranovana toy inona aza, dia ny fivelomany manontolo no narotsany.
5
Nisy mpianatra niresaka momba ny tempoly, amin’izy voaravaka vato saro-bidy sy fanatitra fanalàm-boady. Ka hoy i Jesoa:
6
–Ho avy ny andro handravana ireo zavatra banjininareo ireo ary tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana.
7
Ary nanontanian’ireo indray i Jesoa hoe: –Mpampianatra ô, oviana no hahatongavan’izany ary inona no hamantarana fa madiva ho avy izany?
8
Dia novaliany hoe: –Tandremo sao voafitaka ianareo. Fa maro no ho avy hisandoka ny anarako sady hanao hoe: «Izaho no Mesia », ary «Tonga ny fotoana!» Aza mba manaraka an’ireny.
9
Raha mandre ady sy korontana ianareo, aza taitra; eny, tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin’izay akory ny farandro.
10
Ary hoy koa i Jesoa taminy: –Hisy firenena hitsangana hamely firenena ary koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana.
11
Amin’ny toerana samihafa, hisy horohorontany mahery vaika mbamin’ny mosary sy areti-mandringana; ary avy eny amin’ny habakabaka dia hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe.
12
Kanefa alohan’izany rehetra izany, dia hosamborina sy hoenjehina ianareo, hatolotra hotsaraina any amin’ny sinagôga ary hatao am-ponja, hoentina eo anatrehan’ireo mpanjaka sy mpifehy noho ianareo miandany amiko.
13
Ho tonga aminareo izany mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy.
14
Koa ataovy latsaka ao am-ponareo fa tsy tokony hihevitra mialoha izay hiarovanareo tena ianareo;
15
satria Izaho ihany no hampiteny anareo sy hanome fahendrena anareo, ka tsy hahatohitra sady tsy haharesy lahatra anareo izay rehetra miampanga anareo.
16
Hanolotra anareo na dia ny ray aman-dreny sy ny mpiray tampo ary ny havana aman-tsakaiza aza, ka hovonoin’olona ny sasany aminareo.
17
Ho halan’ny olon-drehetra ianareo satria miandany amiko,
18
nefa tsy hisy very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza.
19
Aoka ho amim-paharetana no hahazoanareo famonjena ny ainareo.
20
–Rehefa hitanareo voahodidina miaramila i Jerosalema, dia fantaro fa antomotra ny fandravana azy.
21
Amin’izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra; izay ao an-tanànan’i Jerosalema aoka hilefa any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina ao an-tanàna.
22
Satria andro nataon’Andriamanitra ho famaizana izany andro izany, mba hahatanterahan’izay rehetra voalazan’ny Soratra Masina.
23
Loza no hanjo ny bevohòka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany, satria hisy fahoriana lehibe amin’ity tany ity ary hihatra amin’ity vahoaka ity ny fahatezeran’Andriamanitra.
24
Ny mponina haringan’ny lelan-tsabatra na hoentin-ko babo any amin’ny firenena rehetra any, ary i Jerosalema hohitsakitsahin’ny hafa firenena mandrapahafenon’ny andro natao hanjakan’ny hafa firenena.
25
–Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana; ary etỳ an-tany dia ho ory sy ho very hevitra ny firenena noho ny ranomasina hikotrokotroka sy hanonja izaitsizy.
26
Hisy olona ho fatin’ny tahotra sy ny fanahiana izay hanjo ny tany tontolo, satria hihozongozona ny herin’ny habakabaka.
27
Amin’izay no hahitana ny Zanak’olona tamy voahodidin-drahona sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe.
28
Raha vao miantomboka anefa izany zavatra izany, dia mitrakà ianareo ary andrandrao ny lohanareo fa efa antomotra ny fanavotana anareo.
29
Dia nilaza fanoharana tamin’ny mpihaino Azy i Jesoa nanao hoe: –Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.
30
Raha vao tazanareo manaroka izy ireny, dia fantatrareo fa efa akaiky ny fahavaratra.
31
Toy izany koa raha vao hitanareo miantomboka izany zavatra izany, dia fantaro fa efa akaiky ny Fanjakàn’Andriamanitra.
32
Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy ho tapitra akory ity taranaka ity, dia ho tanteraka izany rehetra izany.
33
Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona.
34
–Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibàna sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao; ka ho avy tampoka tsy ampoizinareo izany andro izany,
35
satria hiantonta tahaka ny fandrika harato amin’ny mponina rehetra manerana ny tany tontolo.
36
Koa miambena sady mivavaha lalandava mba ho afa-miala amin’izany loza rehetra efa ho avy izany sy ho marim-pijoro eo anatrehan’ny Zanak’olona.
37
Ny antoandro i Jesoa dia nampianatra tao an- kianjan’ny tempoly; ny hariva kosa Izy nankany ivelan’ny tanàna, ka nandany ny alina manontolo teny amin’ny tendrombohitra atao hoe Analanôliva.
38
Ary vao maraina be, dia nanatona Azy ao an-kianjan’ny tempoly ny vahoaka rehetra mba hihaino Azy.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24