bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Luke 4
Luke 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 5 →
1
Ary feno ny Fanahy Masina i Jesoa no niverina avy any Jôrdàna. Dia nentin’ny Fanahy Masina Izy honina any an-taniefitra
2
efapolo andro sady nalain’ny devoly fanahy, ary tsy nikasika hanina nandritra izany andro izany ka noana tamin’ny farany.
3
Dia hoy ny devoly taminy: –Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, teneno io vato io hanjary mofo.
4
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Tsy ny mofo ihany no hiveloman’ny olona.»
5
Dia nentin’ny devoly tany amin’ny toerana avo i Jesoa ka nasehony Azy indray mipy maso ny fanjakana rehetra eran-tany
6
sady nataony hoe: –Homeko Anao daholo ny hery amam-boninahitr’ireo fanjakana ireo, fa efa natolotra ahy ka omeko an’izay tiako homena azy.
7
Koa raha miankohoka eto anoloako Ianao, dia ho Anao avokoa ireo.
8
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny Tompo Andriamanitra no hiankohofanao ary Izy irery no hivavahanao.»
9
Dia nentin’ny devoly tany Jerosalema i Jesoa ka najorony teo an-tendron’ny zoron’ny tempoly sady nataony hoe: –Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, mianjerà avy eto ho any ambany any;
10
satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Homen’ny Tompo baiko ireo anjeliny noho ny aminao mba hiaro Anao.»
11
Ary izao koa: «Ny anjely hitondra Anao eny an-tanany mba tsy ho tafintohim-bato ny tongotrao.»
12
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Aza maka fanahy ny Tompo Andriamanitrao.»
13
Nony avy naka fanahy an’i Jesoa tamin’izao fomba isan-karazany izao ny devoly dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana hafa indray.
14
Nombàn’ny Fanahy Masina i Jesoa no niverina tany Galilea; ary nanomboka niely tamin’ny faritany manontolo ny lazany.
15
Nampianatra tany amin’ny sinagôga Izy sady nomen’ny olona rehetra voninahitra.
16
Nandeha tany Nazareta tanàna nahabe Azy i Jesoa ary tamin’ny andro sabata dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony. Nitsangana Izy hamaky ny Soratra Masina
17
ka natolotra Azy ny bokin’i Isaià mpaminany. Novelariny ilay boky ary izao no andinin-tsoratra hitany:
18
«Ato amiko ny Fanahy avy amin’ny Tompo. Ka natokan’ny Tompo Aho hanambara Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra; nirahiny Aho hitory fanafahana amin’ny mpigadra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka ny ampahorîna
19
ary hitory taona hanehoan’ny Tompo fanambinana.»
20
Rehefa nahorony ilay boky ka naveriny tamin’ny mpandraharaha, dia nipetraka i Jesoa. Nifantoka teny aminy avokoa ny mason’izay rehetra tao amin’ny sinagôga.
21
Fa i Jesoa kosa niteny taminy hoe: –Tanteraka androany amin’izao andrenesanareo azy izao izany andinin’ny Soratra Masina izany.
22
Ary samy vavolombelona niaiky Azy daholo ny olona sady gaga noho ny teny soa naloaky ny vavany, ka hoy izy rehetra hoe: –Tsy zanak’i Jôsefa ve ity?
23
Fa i Jesoa kosa nanao taminy hoe: –Ampiharinareo amiko tokoa ilay ohabolana hoe: «Dokotera, sitrano aloha ny tenanao», satria hoy ianareo tamiko: «Izay rehetra renay fa nataonao tany Kafarnahòma, mba ataovy eto an-tanindrazanao koa!»
24
Ary niteny indray i Jesoa hoe: –Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany to teny eo amin’ny tanàna nahabe azy.
25
Ary izao koa no ambarako tsotra aminareo: marobe ireo mpitondratena teo amin’i Israely tamin’ny andron’i Elià, raha nihantona telo taona sy tapany ny ranonorana ka nahatonga mosary lehibe manerana ny tany;
26
kanefa tsy nisy nanirahan’Andriamanitra an’i Elià na dia iray aza, fa ilay mpitondratena tany Sarefàta ao amin’ny faritr’i Sidôna ihany.
27
Marobe koa ny marary hoditra teo amin’i Israely faha-Elisà mpaminany; kanefa tsy nisy nodioviny na dia iray aza, fa i Nahamàna Sirianina ihany.
28
Nisafoaka daholo ny olona teo amin’ny sinagôga nony nandre izany,
29
ka niara-nitsangana nandroaka an’i Jesoa tany ivelan’ny tanàna sy nitondra Azy tany an-tampon’ilay havoana iorenan’ny tanàna mba hamarina Azy any an-tevana.
30
Izy kosa namakivaky teo afovoan’izy rehetra, dia lasa.
31
Nidina tany Kafarnahòma tanàna any Galilea i Jesoa ka nampianatra ny olona isaky ny sabata.
32
Talanjona ny olona tamin’ny fampianarany, satria feno fahefana ny teniny.
33
Ary tao amin’ny sinagôga dia nisy lehilahy azon’ny fanahin- demony maloto, ka niantsoantso tamin’ny feo mahery hoe:
34
–Aoka re fa hataonao inona izahay, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga handringana anay ve Ianao? Fantatro anie fa Ianao no ilay Masina avy amin’Andriamanitra e!
35
Notenenin’i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe: –Mangina, ary mialà amin-dralehilahy io! Dia nandavo an-dralehilahy tamin’ny tany teo afovoan’ny vahoaka ny demony vao niala taminy, nefa tsy nandratra azy.
36
Raiki-tahotra izy rehetra sady nifampiresaka hoe: –Ahoana re izany teny izany? Fa baikon’ity olona ity amim-pahefana sy hery ny fanahy maloto, dia lasa!
37
Ary niely teny amin’ny tany manodidina rehetra ny lazan’i Jesoa.
38
Rehefa niala tao amin’ny sinagôga i Jesoa, dia niantrano tao amin-dry Simôna. Ary voan’ny tazo mahery ny rafozambavin’i Simôna ka niangaviana Azy hositraniny.
39
Niondrika teo amin-dravehivavy i Jesoa; ary notenenin’i Jesoa mafy ny tazo, ka niala taminy. Dia nitsangana teo no ho eo ihany ravehivavy nandroso sakafo ho an’ireo vahiny.
40
Vao maty kosa ny masoandro, izay rehetra nanana marary azon’ny aretina isan-karazany dia samy nitondra ny azy teo amin’i Jesoa. Nametrahany tanana tsirairay izy ireny, ka nositraniny.
41
Olona maro koa no nialan’ny demony izay nihiakiaka nanao hoe: «Ianao no ilay Zanak’Andriamanitra!» Norahonan’i Jesoa mafy kosa ny demony sady tsy navelany hiteniteny satria ireo dia nahalala fa Izy no ilay Mesia.
42
Raha vao naraina ny andro, dia niala tao an-tanàna i Jesoa ary nankany amin’ny toerana mangina. Nokarohin’ny vahoaka i Jesoa, ary dia hitany ka nokasainy hotazonina tsy hiala teo aminy.
43
Fa hoy i Jesoa taminy: –Tsy maintsy anambaràko ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’Andriamanitra koa ny tanàna hafa, satria izany no nanirahan’Andriamanitra Ahy.
44
Dia nitoriteny tao amin’ny sinagôga eran’i Jodea Izy.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24