bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Zechariah 1
Zechariah 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 2 →
1
Tamin’ny volana fahavalo tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy no tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Berekia, zanak’Ido, ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Tezitra indrindra tamin’ny razanareo NY TOMPO.
3
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Miverena amiko ianareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia mba hiverina aminareo kosa Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
4
Aza mba toy ny razanareo izay nantsoin’ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mialà amin’ny lalan-dratsinareo sy amin’ny ratsy fanaonareo ianareo! Nefa tsy nankatò na nihaino Ahy izy, hoy NY TOMPO.
5
Ny razanareo, aiza moa ireny izao? Ary ny mpaminany, moa velona mandrakizay va ireny?
6
Fa ny teniko sy ny didiko izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Dia niverina izy ireny ka niteny hoe: Araka izay nosainin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hatao amintsika araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.
7
Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’ny volana fahiraika amby folo na ny volana Sebata izany, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy, dia tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Berekia, zanak’Ido, ny tenin’NY TOMPO hoe:
8
Nahita tamin’ny alina aho fa indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ny rotra teny amin’ny lohasaha lalina, ary teo aorianany dia nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.
9
Dia hoy aho: Tompoko ô, midika inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia niteny tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin’ireo.
10
Ary hoy Ralehilahy izay nijanona teny amin’ny rotra: Ireo dia nirahin’NY TOMPO hivezivezy eny amin’ny tany.
11
Ary ireo mpitaingin-tsoavaly dia niteny tamin’ilay Anjelin’NY TOMPO izay nijoro teny amin’ny rotra hoe: Efa nivezivezy teny amin’ny tany izahay, ary indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fehizay.
12
Ary hoy ilay Anjelin’NY TOMPO: E, ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô! Mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’i Jerosalema sy amin’ny tanànan’i Joda, izay efa notezeranao fitopolo taona izao?
13
Dia novalian’NY TOMPO teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.
14
Ary ilay anjely niresaka tamiko dia niteny tamiko hoe: Ataovy antso avo hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Saro-piaro dia saro-piaro ny amin’i Jerosalema sy i Ziona Aho.
15
Ary tezitra indrindra Aho amin’ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.
16
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Efa tafaverina eto Jerosalema amin’ny indrafo Aho; ny tranoko dia haorina eto, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary ny kofehy fandrefesana dia hohenjanina eto Jerosalema.
17
Miantsoa indray hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary NY TOMPO hampionona an’i Ziona, ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14