bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Zechariah 3
Zechariah 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 4 →
1
Ary nasehony ahy fa indro, i Josoa mpisoronabe dia nitsangana teo anatrehan’ilay Anjelin’NY TOMPO, ary i Satana nitsangana teo ankavanany hiampanga azy.
2
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Hananatra anao anie NY TOMPO, ry Satana! Eny, NY TOMPO izay nifidy an’i Jerosalema anie hananatra anao! Tsy forohana nosarihana tamin’ny afo va ity?
3
Ary i Josoa dia nijoro teo anoloan’ilay Anjely tamin’ny fitafiana maloto.
4
Dia niteny tamin’ireo izay nitsangana teo anoloany NY TOMPO hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto! Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.
5
Ary hoy aho: Aoka hasiana fehiloha madio eo an-dohany! Dia nasiany fehiloha madio teo an-dohany sady nampitafiany izy. Ary ilay Anjelin’NY TOMPO nijoro teo.
6
Ary ilay Anjelin’NY TOMPO dia nanao izao fanambaràna izao tamin’i Josoa hoe:
7
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Raha mizotra amin’ny lalako ianao ary mitandrina ny didiko dia ianao no hanam-pahefana amin’ny tranoko sy hitandrina ny kianjako sady homeko lalana malalaka ho eo amin’ireo mijoro ireo ianao.
8
Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao, fa olona atao famantarana ireo: Indro, entiko i Rantsana Mpanompoko.
9
Fa indro, ny vato izay napetrako teo anoloan’i Josoa: Misy masony fito io vato tokana io. Indro, Izaho no hanoratra izay tokony hosoratina eo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary hesoriko amin’ny indray andro monja ny helok’ity tany ity.
10
Amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin’ny voaloboka sy ho eo ambanin’ny aviavy ianareo.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14