bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Zechariah 12
Zechariah 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 13 →
1
Teny faminaniana. Tenin’NY TOMPO ny amin’ny Israely. Hoy NY TOMPO, izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan’ny tany ary nanamboatra ny fanahin’ny olona ao anatiny:
2
Indro, Izaho hanao an’i Jerosalema ho kapoaka mampiraikiraiky ho an’ny firenena rehetra manodidina; ary ho toy izany koa ny amin’i Joda, amin’ny hanaovana fahirano an’i Jerosalema.
3
Ary amin’izany andro izany i Jerosalema dia hataoko vato mitambesatra amin’ny firenena rehetra ka haratra mafy izay rehetra mitady hanainga azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin’ny tany.
4
Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia hamely ny soavaly amin’ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin’ny fahaverezan-tsaina; hampihiratra ny masoko amin’ny taranak’i Joda Aho ary hamely amin’ny fahajambana ny soavaly rehetra izay an’ny firenena.
5
Ary ireo lohany amin’i Joda dia hiteny anakampo hoe: Ny mponina any Jerosalema dia heriko ao amin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay Andriamaniny.
6
Amin’izany andro izany, ireo lohany amin’i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra ao anaty kitay hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra ao anatin’ny amboara ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin’ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary i Jerosalema dia mbola hiorina amin’ny toerany ihany, dia any Jerosalema.
7
Ary hovonjen’NY TOMPO aloha ny tranolain’i Joda, mba tsy hisandratra ambonin’i Joda intsony ny voninahitry ny taranak’i Davida sy ny voninahitry ny mponina any Jerosalema.
8
Amin’izany andro izany dia harovan’NY TOMPO ny mponina any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao aminy aza amin’izany andro izany dia ho tahaka an’i Davida; ary ny taranak’i Davida dia ho tahaka an’Andriamanitra, dia tahaka ilay Anjelin’NY TOMPO eo anoloany.
9
Amin’izany andro izany dia hanao izay handringanana ny Jentilisa rehetra izay avy hamely an’i Jerosalema Aho.
10
Ary haidiko amin’ny taranak’i Davida sy amin’ny mponina any Jerosalema ny fanahin’ny fahasoavana sy ny fifonana ka hijery Ahy izay nolefoniny izy. Ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan’ny olona ny lahimatoany.
11
Amin’izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema, toy ny fisaonana ho an’i Hadada-Rimona, tao amin’ny lohasahan’i Megido.
12
Ary hisaona ny tany ka hitsitokantokana isam-pianakaviana: Hitokana ny fianakavian’i Davida ary hitokana ny vadin’ireo; hitokana ny fianakavian’i Natana ary hitokana ny vadin’ireo;
13
hitokana ny fianakavian’ny taranak’i Levy ary hitokana ny vadin’ireo; hitokana ny fianakavian’i Simey ary hitokana ny vadin’ireo;
14
hitokana ny fianakaviana sisa rehetra isam-pianakaviana ary hitokana ny vadin’ireo.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14