bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Zechariah 13
Zechariah 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 14 →
1
Amin’izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an’ny taranak’i Davida sy ho an’ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana.
2
Ary amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin’ny tany ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin’ny tany ny mpaminany sy ny fanahin’ny fahalotoana.
3
Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hiteny aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin’ny anaran’NY TOMPO; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy raha maminany izy.
4
Amin’izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hisalotra akanjo volom-biby hamitahana intsony izy
5
fa hilaza hoe: Tsy mpaminany aho fa mpiasa tany, satria nisy nividy ahy ho andevo fony aho mbola kely.
6
Dia hisy hilaza aminy hoe: Koa inona itony ratra eny amin’ny tratranao itony? Dia hovaliny hoe: Naratra tao an-tranon’ny sakaizako ireny.
7
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy izay akaiky Ahy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Asio ny mpiandry dia hihahaka ny ondry! Ary hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.
8
Ary amin’ny tany rehetra, hoy NY TOMPO, ny androatokony ao dia haringana ho faty, fa ny ampahatelony sisa ao no havela.
9
Ary hoentiko miditra amin’ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy. Hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hilaza hoe: Oloko izy! Ary izy hiteny hoe: NY TOMPO no Andriamanitro!
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14