bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Zechariah 9
Zechariah 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 10 →
1
Teny faminaniana. Tonga any amin’ny faritanin’i Hadraka ny tenin’NY TOMPO ary miato any Damaskosy izany. Fa ny mason’NY TOMPO mandinika ny olombelona mbamin’ny foko rehetra amin’ny Israely
2
sy i Hamata koa, izay mifanolotra aminy, i Tiro sy i Sidona koa, izay manana fahendrena be.
3
I Tiro dia nanao manda mafy ho an’ny tenany ka nanangona volafotsy ohatra ny vovoka sy volamena tsara ohatra ny fotaka eny an-dalambe.
4
Indro, hofoanan’ny Tompo ny fananany sady harodany any an-dranomasina ny mandany ary ho levon’ny afo izy.
5
I Askelona dia hahita izany ka ho raiki-tahotra, i Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, ary i Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza ary i Askelona tsy honenana.
6
Zazasary no honina ao Asdoda ary hopotehiko ny reharehan’ny Filistina.
7
Hesoriko eny am-bavany ny rany ary tsy ho eny anelanelan’ny nifiny ny fahavetavetany; ary izy koa dia ho sisa ho an’Andriamanitsika sy ho toy ny lohany amin’i Joda, ary i Ekrona dia ho toy ny Jebosita.
8
Manangana toby hiaro ny tranoko Aho noho ny miaramila betsaka, dia izay mandroso sy miverina; mba tsy hisy mpampahory handeha hamakivaky eo aminy intsony; fa ankehitriny dia ny masoko no miambina azy.
9
Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy! Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao. Marina Izy sady mpandresy, manetry tena sady mitaingina boriky, boriky tanora, zanaky ny borikivavy.
10
Hofoanako tsy hisy kalesy fitondra miady intsony any Efraima, na soavaly any Jerosalema; hotapahiko koa ny tsipìka fiadiana. Hanambara fiadanana amin’ny Jentilisa Izy; ny fanapahany dia ho hatramin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina iray ary hatramin’ny ony Eofrata ka hatramin’ny faran’ny tany.
11
Ny aminao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao no efa namoahako ny mpifatotra ao aminao avy tao an-davaka tsy misy rano.
12
Miverena ho amin’ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio koa no hanambarako hoe: Hanonitra avo roa heny ho anao Aho.
13
Fa nohenjaniko ny tsipìkako, dia i Joda, ary i Efraima no nataoko zana-tsipìka; ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin’ny zanakao, ry Gresy! Hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao.
14
Ary NY TOMPO hiseho eo amboniny ka handeha toy ny tselatra ny zana-tsipìkany; NY TOMPO Andriamanitra hitsoka anjomara ka handroso amin’ny tafio-drivotra any atsimo.
15
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hiaro ireny; dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton’antsamotady; ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon’ny divay ary ho feno tahaka ny lovia famafazana ireny, tahaka ny zoron’ny alitara.
16
Amin’izany andro izany NY TOMPO Andriamaniny dia hamonjy ny olony toy ny famonjy andian’ondry; fa ireny no vato eo amin’ny satroboninahitra, mamirapiratra eny amin’ny taniny.
17
Akory ny hasoany! Ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka ny zatovo, ary ranom-boaloboka kosa no hampaharoroka ny zazavavy.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14