bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Zechariah 2
Zechariah 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 3 →
1
Ary natopiko ny masoko ka hitako fa indreo, tandroka efatra.
2
Ary hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka an’i Joda sy an’i Israely ary an’i Jerosalema.
3
Ary nanehoan’NY TOMPO mpanefy efatra aho.
4
Dia hoy aho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy niteny hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda ka tsy nisy olona nanandratra ny lohany; fa ireto kosa dia avy hampatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin’ny tanin’i Joda hanely azy.
5
Dia natopiko ny masoko ka hitako fa indro, lehilahy iray mitondra kofehy fandrefesana eny an-tanany.
6
Dia hoy aho: Ho aiza moa ianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an’i Jerosalema aho mba hizaha ny sakany sy ny lavany.
7
Ary indro, nandroso ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely iray hafa nandroso hitsena azy
8
ka niteny taminy hoe: Mihazakazaha ka milazà amin’io zatovo io hoe: Hijanona ho tanàna tsy mimanda i Jerosalema noho ny hamaroan’ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.
9
Fa Izaho no ho manda afo manodidina azy, hoy NY TOMPO, ary ho voninahitra ao afovoany.
10
E! E! Mandosira avy any amin’ny tany avaratra, hoy NY TOMPO; ianareo izay naeliko tany amin’ny rivotra efatry ny lanitra, hoy NY TOMPO.
11
E! Vonjeo ny tenanao, ry Ziona, izay monina any Babilona zanakavavy!
12
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay naniraka ahy hampiseho voninahitra tany amin’ireo firenena izay namabo anareo: Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.
13
Fa indro, hatsotrako eo ambonin’ireo firenena ny tanako ka ho tonga babon’ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy.
14
Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy! Fa indro, avy Aho ka honina ao afovoanao, hoy NY TOMPO.
15
Firenena maro no hanaiky ho an’NY TOMPO amin’izany andro izany. Ho oloko izy, ary hitoetra ao afovoanao Aho; dia ho fantatrao fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminao.
16
Ary NY TOMPO hanana an’i Joda ho anjarany ao amin’ny tany masina ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray.
17
Mangìna eo anatrehan’NY TOMPO, ry nofo rehetra! Fa mifoha avy ao amin’ny fitoerany masina Izy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14