bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Zechariah 4
Zechariah 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 5 →
1
Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory.
2
Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy aho: Hitako fa indro, misy fitoeran-jiro izay volamena izy manontolo, ary ny fitoeran-diloilo eo aminy dia eo amboniny, ary jiro fito no eo an-tampony. Misy fantsona fito avy amin’ny jiro tsirairay izay eo an-tampony.
3
Ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny iray dia eo ankavanan’ny fitoeran-diloilo, ary ny iray dia eo ankaviany.
4
Dia niteny tamin’ilay anjely niresaka tamiko aho hoe: Inona moa ireo, tompoko?
5
Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanontany ahy hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy aho: Tsia, tompoko.
6
Dia hoy izy: Izao no tenin’NY TOMPO amin’i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana fa amin’ny Fanahiko, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
7
Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan’i Zerobabela ianao. Izy no hitondra ny vato hatao tendrony sady hisy antsoantso hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!
8
Dia tonga tamiko indray ny tenin’NY TOMPO hoe:
9
Ny tanan’i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ity trano ity, ary ny tanany koa no hamita azy; dia ho fantatrao fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminao.
10
Fa iza no nanamavo ny andro anaovana asa madinika? Ho faly ny olona mahita ny pilao eny an-tanan’i Zerobabela. Ireo fito ireo dia ny mason’NY TOMPO izay mijery manerana ny tany rehetra.
11
Dia nanontany Azy aho hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo ankavanan’ny fitoeran-jiro sy eo ankaviany ireo?
12
Ary nanontany Azy fanindroany aho hoe: Inona moa ireo sampahon’oliva roa eo amin’ny fantsona volamena izay mampijononoka volamena avy ao aminy ireo?
13
Dia hoy izy: Tsy fantatrao va ireo? Ary hoy aho: Tsia, tompoko.
14
Dia hoy izy: Ireo ny roalahy izay voahosotra amin’ny diloilo; ireo no mijoro eo anoloan’ny Tompon’ny tany rehetra.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14