bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Zechariah 10
Zechariah 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 11 →
1
Mangataha ranonorana amin’NY TOMPO ianareo amin’ny andron’ny faraorana! NY TOMPO no manao ny oram-baratra. Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
2
Fa ny terafima dia niteny zava-poana ary ny mpisikidy nahita fahitana mandainga ka nilaza nofy lainga, Foana ny fampiononana nataony. Koa izany no naniasiavany toy ny ondry; ory izy, satria tsy misy mpiandry.
3
Amin’ny mpiandry ondry no irehetan’ny fahatezerako ary ireo osilahy no hovaliko; Fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no namangy ny taranak’i Joda, ondry andrasany, ka manao azy toy ny soavaliny miravaka ao amin’ny ady.
4
Avy ao aminy no hiavian’ny vato fehizoro, avy ao aminy no hiavian’ny tsatòkan’ny tranolay, avy ao aminy no hiavian’ny tsipìka fiadiana, avy ao aminy no hiavian’ny mpitarika rehetra.
5
Ho toy ny lehilahy mahery ireo, izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin’ny ady; hiady izy, satria NY TOMPO no momba azy; ary ny mpitaingin-tsoavaly dia hitafy henatra.
6
Hampahery ny taranak’i Joda Aho ary hovonjeko ny taranak’i Josefa ka hampodiko indray, satria mamindra fo aminy Aho ka ho toy izay tsy nariako izy; fa Izaho no TOMPO Andriamaniny ka hihaino azy.
7
Ho toy ny lehilahy mahery i Efraima, ary hifaly toy ny azon’ny divay ny fony; hahita ny zanany ka ho faly; hifaly amin’NY TOMPO ny fony.
8
Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, satria manavotra azy Aho ka mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.
9
Ary na dia hafafiko any amin’ny Jentilisa aza izy dia hahatsiaro Ahy any amin’ny tany lavitra; samy ho velona izy mbamin’ny zanany ary hiverina.
10
Dia hampody azy avy any amin’ny tany Ejipta Aho sy hanangona azy avy any Asiria; ary any amin’ny tany Gileada sy Libanona no hampidirako azy ka tsy ho omby azy izany.
11
Dia hamakivaky ny ranomasim-pahoriana izy; hamely ny onjan-dranomasina NY TOMPO. Ho ritra ny rano lalin’i Neily rehetra; haetry ny avonavon’i Asiria ary hesorina ny tehina fanapahan’i Ejipta.
12
Dia hampahereziko ao amin’NY TOMPO izy ka amin’ny anarany no handehanany, hoy NY TOMPO.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14