bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Zechariah 6
Zechariah 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 7 →
1
Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa indreo, kalesy fitondra miady efatra nivoaka avy teo anelanelan’ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo.
2
Tamin’ny kalesy voalohany dia nisy soavaly mena; tamin’ny kalesy faharoa dia soavaly mainty;
3
tamin’ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin’ny kalesy fahefatra dia soavaly sada sady matanjaka.
4
Dia nanontany tamin’ilay anjely niresaka tamiko aho hoe: Inona moa ireo, tompoko?
5
Ary ilay anjely namaly ahy hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra izay miroso rehefa avy nijoro teo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra.
6
Ny kalesy misy ny soavaly mainty dia miroso mankany amin’ny tany avaratra; ny misy ny soavaly fotsy dia miroso manaraka azy; ny misy ny sada dia mivoaka mankany amin’ny tany atsimo.
7
Matanjaka izy ireo ary miroso ka mitady handeha hivezivezy eny amin’ny tany; dia hoy NY TOMPO: Mandehana ianareo, miveziveze eny amin’ny tany! Dia nandeha nivezivezy teny amin’ny tany ireo kalesy.
8
Dia niantso mafy tamiko NY TOMPO hoe: Indro, ireo izay mivoaka mankany amin’ny tany avaratra dia nampionona ny fahatezerako tany amin’ny tany avaratra.
9
Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
10
Mandraisa avy amin’ny fananan’ny babo, dia avy amin’ny fananan’i Helday sy i Tobia ary i Jedaia, eny, mandehana ianao izao anio izao ihany ka midira ao an-tranon’i Josia, zanak’i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babilona izy.
11
Eny, mandraisa volafotsy sy volamena ka anaovy satroboninahitra izany dia apetraho eo an-dohan’i Josoa, zanak’i Jozadaka, mpisoronabe.
12
Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro ny Lehilahy atao hoe Rantsana; amin’ny androny dia hitsimoka ny zava-drehetra sady hanao ny tempolin’NY TOMPO izy.
13
Eny, Izy no hanao ny tempolin’NY TOMPO ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin’ny sezafiandrianany; hisy mpisorona hafa koa eo amin’ny sezafiandrianany ary hisy fihavanana tanteraka amin’izy roa.
14
Ary ny satroboninahitra dia ho ao amin’ny tempolin’NY TOMPO, ho fahatsiarovana ho an’i Helema, i Tobia, i Jedaia ary i Henà, zanak’i Zefania.
15
Ary izay lavitra dia ho avy ka hanangana ny tempolin’NY TOMPO ka ho fantatrareo fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany raha mazoto mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14