bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Zechariah 7
Zechariah 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 8 →
1
Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariosy no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO tamin’i Zakaria, tamin’ny andro fahefatra tamin’ny volana fahasivy na Kisleo.
2
Ary i Betela-Serezera sy i Regema-Meleka mbamin’ny olony dia nandefa iraka mba hifona amin’NY TOMPO
3
ka hiteny amin’ny mpisoron’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, sy amin’ny mpaminany hoe: Hitomany amin’ny volana fahadimy va aho ka hifady hanina toy ny efa fanaoko taona maro teo aloha?
4
Dia tonga tamiko ny tenin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao hoe:
5
Lazao amin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany sy amin’ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin’ny volana fahadimy sy ny fahafito nandritra ny fitopolo taona ianareo, moa ho Ahy tokoa no nifadianareo?
6
Ary raha mihinana sy misotro ianareo, moa tsy ianareo ihany va no mihinana sy misotro?
7
Moa tsy tokony ho nihaino ny teny izay nasain’NY TOMPO nantsoin’ny mpaminany fahiny va ianareo, fony mbola nonenana sy nandry fehizay i Jerosalema sy ny vohitra miankina aminy, sady nonenana koa i Negeva sy i Sefela?
8
Ary tonga tamin’i Zakaria ny tenin’NY TOMPO hoe:
9
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Manaova fitsarana marina ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin’ny rahalahiny avy.
10
Aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra, ary aza mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
11
Nefa tsy nety nihaino ireny fa nampihemotra ny sorony ary nanentsin-tadìny izy mba tsy handre.
12
Eny, nataony mafy toy ny diamondra ny fony mba tsy hihainoany ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tamin’ny Fanahiny tamin’ny alalan’ny mpaminany fahiny. Koa izany no nahatonga ny fahatezerana mafy avy tamin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
13
Koa toy ny niantsoan’NY TOMPO, nefa tsy nohenoiny, dia ho toy izany kosa no hiantsoany Ahy fa tsy hohenoiko, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,
14
fa naeliko tamin’ny tafio-drivotra ho any amin’ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany izay navelany tao aorianany ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14