bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Kings 1
1 Kings 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 2 →
1
Efa antitra sy konka i Davida mpanjaka; ka na dia norakofan-damba aza izy, dia tsy nety nafana.
2
Hoy ny mpanompony taminy: –Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny izay ho eo anatrehanao mandrakariva mba ho mpitaiza anao sy handry eo anilanao, ka dia hafana ianao.
3
Dia nitady izay tovovavy tsara tarehy teo amin’ny tanin’i Israely manontolo ireto mpanompon’i Davida; ary tao Sonema no nahitany an’i Abisaga izay nentiny tany amin’ny mpanjaka.
4
Tsara tarehy fatratra ilay tovovavy ka tonga mpitaiza sy mpanompon’ny mpanjaka; nefa tsy niray taminy akory ny mpanjaka.
5
Fa i Adônià zanakalahin’i Hagita kosa tamin’izay no nanandra-tena ho mpanjaka. Dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary lehilahy dimampolo ho mpihazakazaka eo anoloany izy.
6
Hatramin’izay niainany dia tsy mbola niteny mafy azy i Davida rainy na nanontany azy ny antony nanaovany izany. Izy moa dia lehilahy tsara tarehy tokoa, ary natera-dreniny nanarakaraka an’i Absalôma.
7
Dia niresaka tamin’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià sy tamin’i Abiatara mpisorona i Adônià, ka nahazo ny fanohanan’ireo.
8
Fa i Tsadôka mpisorona sy i Benaià zanakalahin’i Jôiadà sy i Natàna mpaminany mbamin’i Simehỳ sy i Rehỳ ary ireo kalazan’i Davida kosa tsy mba niandany tamin’i Adônià.
9
Indray andro dia nikorana teo amin’ny vaton’i Zôheleta akaikin’i Haîna-Rôgela i Adônià ka namono ondry sy omby ary biby matavy. Nasainy avokoa ny rahalahiny rehetra zanaky ny mpanjaka ary ny lehilahy rehetra amin’i Joda izay mpanompon’ny mpanjaka.
10
Kanefa tsy mba nasainy i Natàna mpaminany sy i Benaià sy ireo lehilahy kalaza ary i Salômôna rahalahiny.
11
Niteny tamin’i Baty-Seba renin’i Salômôna i Natàna ka nanao hoe: –Tsy efa renao va fa nanangan-tena ho mpanjaka i Adônià zanakalahin’i Hagita, nefa i Davida andriamanjaka tsy nahalala izany akory?
12
Koa etsy hotoroako hevitra ianao mba hamonjena aina ny tenanao sy i Salômôna zanakao.
13
Mankanesa any amin’i Davida mpanjaka ka lazao aminy hoe: «Moa tsy efa nianiana tamiko va ianao, ry andriamanjaka, fa i Salômôna zanako lahy no hanjaka handimby anao ka hipetraka eo amin’ny sezafiandriananao. Koa nahoana no i Adônià indray no tonga mpanjaka?»
14
Dia hoy ihany i Natàna: –Ary raha ilay mbola eo am-piresahana amin’ny mpanjaka iny ianao, dia mba hiditra ao aminy koa aho hanamafy izay voalazanao.
15
Dia nankany amin’ny mpanjaka tao an’efitranony i Baty-Seba. Efa tena antitra ny mpanjaka; ary i Abisaga avy any Sonema no tao nanompo azy.
16
Nandohalika niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka i Baty-Seba, ka nitenenan’ny mpanjaka hoe: –Inona no ilainao?
17
Dia novaliany hoe: –Efa nianiana tamiko teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrao ianao, ry andriamanjaka, fa i Salômôna zanako lahy no hanjaka handimby anao ka hipetraka eo amin’ny sezafiandriananao.
18
Indro ankehitriny fa i Adônià no manjaka, nefa tsy mba fantatrao akory izany.
19
Ary efa nanao fety be namonoana omby sy biby matavy ary ondry maro izy ka nanasa ny zanakalahinao rehetra sy i Abiatara mpisorona ary i Jôaba filohan’ny tafika, fa i Salômôna mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
20
Ankehitriny, ry andriamanjaka, ny vahoakan’i Israely rehetra dia miandrandra fatratra ny fanambarànao ampahibemaso ny anaran’izay hipetraka handimby anao eo amin’ny sezafiandriananao.
21
Raha tsy izany, rehefa modimandry ka tsy eo intsony ianao, ry andriamanjaka, dia hatao toy ny olo-meloka ny tenako sy i Salômôna zanako.
22
Raha mbola teo am-piresahana tamin’ny mpanjaka ravehivavy, dia niditra i Natàna mpaminany.
23
Ary nisy nilaza tamin’ny mpanjaka hoe: Indro ao i Natàna mpaminany. Dia nankeo anatrehan’ny mpanjaka i Natàna ka niankohoka nitehi-tany ho fanajana azy
24
ary niteny hoe: –Ry andriamanjaka ô, angaha ianao efa nilaza fa i Adônià no hanjaka handimby anao ka hipetraka eo amin’ny sezafiandriananao?
25
Fa androany izy dia nidina tao amin’ny vaton’i Zôheleta ka nanao fety be izay namonoana omby sy zanak’omby matavy ary ondry maro. Nasainy tao avokoa ny zanakalahinao rehetra sy ny filohan’ny tafika ary i Abiatara mpisorona. Indreo izy rehetra fa mihinana sy misotro eo anatrehany ka mihorakoraka hoe: «Ho ela velona anie i Adônià mpanjaka!».
26
Nefa dia tsy mba nasainy na ny tenako na i Tsadôka mpisorona, na i Benaià zanakalahin’i Jôiadà, na i Salômôna zanakalahinao.
27
Moa ve baiko avy taminao, ry andriamanjaka, no nahatonga izany? Fa izahay mpanomponao ireto tsy mba nampahafantarinao izay handimby anao eo amin’ny sezafiandriananao.
28
Tamin’izay dia niteny i Davida mpanjaka ka nanao hoe: –Antsoy hankatỳ i Baty-Seba. Dia nankeo anatrehan’ny mpanjaka izy ka nijoro teo anoloany.
29
Ary ny mpanjaka nanao izao fianianana izao taminy: –Velona ny TOMPO, Izay nanafaka ahy tamin’ny fahoriana rehetra,
30
koa mianiana aminao aho fa hotanterahiko anio izay efa nampanantenaiko taminao teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely hoe: «I Salômôna zanakao no hanjaka handimby ahy ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako».
31
Dia nandohalika i Baty-Seba ka niankohoka nitehi-tany ho fanajana ny mpanjaka ary nihiaka hoe: –Ho ela velona mandrakizay anie ianao, ry Davida andriamanjaka!
32
Dia nampiantsoin’i Davida i Tsadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany ary i Benaià zanakalahin’i Jôiadà; rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka izy telo lahy ireo,
33
dia nobaikoiny hoe: –Vorio ny miaramila mpiambina ahy, dia ampitaingeno ny borikivaviko i Salômôna zanako, ka ento midina any Gihôna izy.
34
Any no hanosotra azy ho mpanjakan’i Israely i Tsadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany; ary ianareo sisa kosa hitsoka ny anjomara sady hihiaka hoe: «Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!»
35
Avy eo ianareo dia hiakatra hanaraka azy ao an-tanàna; ary hiditra i Salômôna dia hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako ka hanjaka hisolo ahy, satria izy no voatendriko ho filohan’i Israely sy i Joda.
36
Dia hoy i Benaià zanakalahin’i Jôiadà namaly ny mpanjaka: –Amen! Izany no tenin’ny TOMPO Andriamanitrao, ry andriamanjaka.
37
Toy ny efa nanombàn’ny TOMPO anao anie, ry andriamanjaka, no hanombàny koa an’i Salômôna; ary hataony be voninahitra noho ny anao anie ny sezafiandrianan’i Salômôna!
38
Dia nidina nankany amin’i Salômôna i Tsadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany ary i Benaià zanakalahin’i Jôiadà, niaraka tamin’ny Keretita sy ny Peletita mpiambina andriana ka nampitaingina azy ny borikivavin’i Davida, ary nitondra azy nankany Gihôna.
39
Dia nalain’i Tsadôka mpisorona ny tandroka misy menaka tao amin’ny Tranolay Fihaonana ka nandrarahany tamin’ny lohan’i Salômôna ho fanosorana azy ho mpanjaka. Notsofina tamin’izay ny anjomara, ary ny vahoaka rehetra teo samy nihiaka hoe: «Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!»
40
Dia niakatra nanaraka azy tao an-tanàna ny vahoaka rehetra izay nitsoka sodina sady faly aoka izany, ka dia nila hitresaka ny tany noho ny horakorany.
41
Rehefa tapi-nihinana i Adônià sy ny nasainy rehetra dia samy nahare ny horakoraky ny olona; i Jôaba aza dia nandre ny feon’anjomara ka velom-panontaniana hoe: –Fa inona izany kotaba be manerana ny tanàna izany?
42
Raha mbola niteny toy izany izy, dia indro niditra i Jônatàna zanakalahin’i Abiatara mpisorona; ka hoy i Adônià taminy: –Mandrosoa fa olom-banona ianao, ka ho vaovao tsara no entinao.
43
Fa niteny i Jônatàna ka nanao tamin’i Adônià hoe: –Indrisy, tsy izany akory fa izao: I Davida andriamanjaka no efa nanangana an’i Salômôna ho mpanjaka handimby azy.
44
Ary i Davida efa naniraka an’i Tsadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany ary i Benaià zanakalahin’i Jôiadà mbamin’ny Keretita sy ny Peletita mpiambina mba hiaraka amin’i Salômôna; ka ireo no nampitaingina azy ny borikivavin’ny mpanjaka.
45
Ary i Tsadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany nanosotra azy ho mpanjaka teo Gihôna. Avy eo ny olona rehetra dia niakatra tao an-tanàna naneho ny hafaliany, ka dia feno horakoraka ny tanàna. Izany izao kotaba be renareo izao.
46
Manaraka izany koa dia efa tafapetraka amin’ny sezafiandrianana maha mpanjaka i Salômôna;
47
ary tonga niarahaba an’i Davida andriamanjaka ireo minisitra ka nanao hoe: «Hataon’ilay Andriamanitrao ho tsara laza kokoa noho ianao anie i Salômôna, ary hataony ho be voninahitra noho ny sezafiandriananao anie ny sezafiandrianany». Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka,
48
ka niteny hoe: «Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, fa nanome izay ho mpandimby ahy eo amin’ny sezafiandrianako androany; ary mbola mihiratra ny masoko no mitranga izany».
49
Raiki-tahotra avokoa ireo olona nasain’i Adônià ka nitsangana ary samy nandositra tamin’izay azony nitsoahana.
50
Natahotra an’i Salômôna koa i Adônià, dia nitsangana ka lasa namikitra tamin’ny tandroky ny alitara.
51
Ary nisy nanambara izany tamin’i Salômôna ka nanao hoe: –Natahotra anao mafy i Adônià, ry Salômôna mpanjaka; ka indro izy fa mamikitra amin’ny tandroky ny alitara sady manao hoe: «Tsy hiala eto mihitsy aho raha tsy mianiana amiko i Salômôna mpanjaka fa tsy hamono ahy ho faty amin’ny sabatra».
52
Fa hoy i Salômôna: –Raha mitondra tena toy ny olom-banona izy, dia tsy hisy hikasika na dia singam-bolony iray aza; fa raha hita ho manan-keloka kosa izy, dia ho faty ihany.
53
Dia naniraka olona hampidina azy hiala teo amin’ny alitara i Salômôna. Ary tonga niankohoka teo anatrehan’i Salômôna mpanjaka i Adônià ka nitenenany hoe: –Mahazo mody an-tranonao ianao!
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22