bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Kings 9
1 Kings 9
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 10 →
1
Rehefa vitan’i Salômôna ny fanaovana ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka ary izay rehetra niriny hatao,
2
dia nisehoan’ny TOMPO tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibehôna indray izy,
3
ka nilazany hoe: –Efa reko ny vavaka amam-pifonana nataonao tamiko; koa efa voatokako ho Ahy ity trano nataonao ity mba hampitoerako mandrakizay ny voninahitro; ka ho ao aminy mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo.
4
Ianao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran’i Davida rainao tamin’ny fo tsotra sy mahitsy, ka manao araka izay rehetra andidiako anao sy mitandrina ny lalàna amam-pitsipiko,
5
dia hampaharitra mandrakizay ny sezafiandrianam-panjakanao amin’i Israely Aho, araka ny nampanantenaiko an’i Davida rainao ka nilazako fa tsy ho diso taranaka handimby izy eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely.
6
Nefa kosa raha miala amiko ianareo sy ny taranakareo, ka tsy mitandrina ny didy aman-dalàna izay napetrako teo anoloanareo fa mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany hitsaoka azy,
7
dia hongotako ianareo, ry Israelita, tsy ho amin’ny tany izay nomeko anareo; ary hariako lavitra Ahy ity tempoly izay natokako hanajana Ahy ity. Amin’izay ianareo Israelita dia ho tonga fandatsa sy fanaraby any amin’ny firenen-kafa rehetra.
8
Na dia avobe aza ity tempoly ity fahiny, dia hivarahontsana izay rehetra mandalo eo akaikiny ka hanontany hoe: «Nahoana no dia nataon’ny TOMPO toy izao ity tany ity sy ity tempoly ity?»
9
Ary hisy olona hamaly hoe: «Satria nilaozan’ny Israelita ny TOMPO Andriamaniny, dia Ilay nitondra ny razany niala tany Ejipta; ary nifikitra tamin’andriamani-kafa ireo sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, ka dia nampiharan’ny TOMPO izao loza isan-karazany izao.»
10
I Hirama mpanjakan’i Tiro no nanome an’i Salômôna ny hazo sedera sy ny hazo kipreso ary ny volamena rehetra nilainy nenti-nanaovana ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka. Nony afaka ny roapolo taona nanoneran’i Salômôna ireo trano roa ireo, dia nomeny tanàna roapolo tany amin’ny faritr’i Galilea i Hirama.
12
Koa niala tany Tiro i Hirama mba hijery ireo tanàna ireo, nefa tsy nisy tiany.
13
Dia hoy izy: «Tsy misy dikany amiko ireo tanàna nomenao ahy ireo, ry Salômôna rahalahiko». Izany no mbola anaovana izany faritra izany mandraka androany hoe «Tany Kabòla ».
14
I Hirama anefa nampanatitra volamena telo taonina sy sasany ihany ho an’ny mpanjaka.
15
Izao no endriky ny asa anterivozona nampanaovin’i Salômôna hanamboarana ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka, ny tokotany Milao, ny mandan’i Jerosalema mbamin’ny tanànan’i Hatsôra sy i Megidao ary i Gezera.
16
Notafihin’ny Farao mpanjakan’i Ejipta mantsy i Gezera, ka azony ary nodorany rehefa avy naripany ho faty ny Kanahanita mponina tao; dia nataony fanomezana ho an-janany vavy vadin’i Salômôna izany,
17
ka namboarin’i Salômôna indray. Namboarin’i Salômôna ihany koa i Bety-Hôrôna ambany,
18
i Bahalato, i Tamara any an-taniefitra,
19
ary ny tanàna rehetra nataony fitahirizam-bokatra na fitobian-kalesy na fitoeran-tsoavaly. Natsangany avokoa izay rehetra tiany haorina tao Jerosalema sy tany Libano ary manerana ny tany nofeheziny. Izao àry no endriky ny asa anterivozona nampanaovin’i Salômôna:
20
Mbola nisy tavela teo amin’ny tany ireo antokon’olona isan-karazany, dia ny Amôrita sy Hetita mbamin’ny Perizita sy Hivita ary Jebosita, izay samy tsy anisan’ny Israelita.
21
Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.
22
Ny Israelita kosa tsy mba nampanaovin’i Salômôna izany, fa narotsany ho miaramila na ho manamboninahitra na ho mpitari-tafika na ho mpiantafika voafantina na ho mpitondra kalesy na ho mpitaingin-tsoavaly.
23
Ary ny lehiben’ireo mpanara-maso ny asa nampanaovin’i Salômôna kosa dia nisy 250 lahy izay nifehy ny olona mpanatontosa ny asa.
24
Rehefa niala tao an- Tanànan’i Davida ny zanakavavin’ny Farao hankany amin’ny trano naorina ho azy, izay vao namboarin’i Salômôna ny tokotany atao hoe Milao.
25
Intelo isan-taona i Salômôna no nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo amin’ny alitara izay naoriny ho an’ny TOMPO. Ary nampandoro vovo-javamanitra koa izy ho fanajana ny TOMPO. Izany no nampiasany ny tempoly.
26
Ary i Salômôna mpanjaka nanao sambo tao Hetsiôny-Gebera akaikin’i Elôta eo amoron’ny Ranomasin’ny Volotara any amin’ny tany Edôma.
27
Dia nalefan’i Hirama tamin’ireo sambo ireo ny tantsambony izay matilò nahay ranomasina mba hiaraka amin’ny tantsambon’i Salômôna.
28
Ary tonga tany Ôfira ireo ka nahazo volamena 12 taonina mahery ary nitondra izany ho an’i Salômôna mpanjaka.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22