bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Kings 4
1 Kings 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 5 →
1
I Salômôna mpanjaka no nanjaka tamin’i Israely manontolo.
2
Ireto avy ny anaran’ny mpiasam-panjakana ambony teo aminy: I Hazarià zanakalahin’i Tsadôka no mpisorona;
3
i Elihôrefa sy i Ahià, samy zanakalahin’i Sisà, no mpitantsoratra; i Jôsafata zanakalahin’i Ahiloda no mpitondratenin’ny mpanjaka;
4
i Benaià zanakalahin’i Jôiadà no filohan’ny tafika; i Tsadôka sy i Abiatara no mpisorona;
5
i Hazarià zanakalahin’i Natàna no filohan’ny governora; i Zaboda zanakalahin’i Natàna no mpisorona sady mpanolotsaina manokan’ny mpanjaka;
6
i Ahisara no lehiben’ny tao an-dapa; i Adônirama zanakalahin’i Habdà no mpiandraikitra ny asa an-terivozona.
7
Nanana governora 12 lahy izay nisolotena azy teo amin’i Israely manontolo koa i Salômôna; ireo no namatsy ny mpanjaka sy ny olona tao an-dapany ka nifandimby nisahana izany andraikitra izany iray volana isan-taona.
8
Ireto avy ny anarany: Ny zanakalahin’i Hora no tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma;
9
ny zanakalahin’i Dekera no tao Makatsa sy Sahalbima ary Bety-Semesy sy Elôna-Bety-Hanàna;
10
ny zanakalahin’i Heseda, tao Arobôta, no nisahana an’i Sôkao sy ny faritr’i Hefera manontolo;
11
ny zanakalahin’i Abinadaba no nisahana an’i Dôra manontolo (nanambady an’i Tafata zanakavavin’i Salômôna izy);
12
i Bahanà zanakalahin’i Ahiloda no nisahana an’i Tahanàka sy i Megidao ary ny faritr’i Bety-Seàna manontolo (ny faritr’i Bety-Seàna dia mihazo anilan’i Tsaretàna eo ambanin’i Jizrehela ary mipaka any Bety-Seàna sy Abela Mehôlà ka hatrany ankoatran’i Jôknehama);
13
ny zanakalahin’i Gebera, tao Ramôta any Gilehada, no nisahana an’i Havôta-Jaîro izay fananan’i Jaîro zanakalahin’i Manase tao Gilehada, ary koa nisahana ny faritanin’i Argôba izay tao Basàna: tanàna enimpolo nisy manda manodidina sy hidy halimo ireo;
14
i Ahinadaba zanakalahin’i Hidao no tao amin’ny faritr’i Mahanaîma;
15
i Ahimahatsa no tao amin’ny faritr’i Naftalỳ (izy koa dia nanambady ny zanakavavin’i Salômôna nantsoina hoe Basemata);
16
i Bahanà zanakalahin’i Hosay no tao amin’ny faritr’i Asera sy i Behalôta;
17
i Jôsafata zanakalahin’i Paroa no tao amin’ny faritr’i Jisakara;
18
i Simehỳ zanakalahin’i Elà no tao amin’ny faritr’i Benjamîna;
19
i Gebera zanakalahin’i Orỳ no tao amin’ny tanin’i Gilehada mbamin’ny tanin’i Sihôna mpanjakan’ny Amôrita, ary ny tanin’i Hôga mpanjakan’i Basàna. Ankoatra ireo, dia mbola nisy koa governora iray tao amin’ny tanin’i Joda.
20
Ary ny mponin’i Joda sy i Israely dia marobe tahaka ny fasika amoron-dranomasina. Nanan-kohanina sy hosotroina ireo ka niaina finaritra.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22