bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Kings 21
1 Kings 21
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 22 →
1
Taorian’izany dia izao no nitranga: nisy lehilahy natao hoe Nabôta tao Jizrehela, izay nanana tanimboaloboka teo akaikin’ny lapan’i Ahaba mpanjakan’i Samaria.
2
Dia niteny tamin’i Nabôta i Ahaba indray andro nanao hoe: –Omeo ahy ny tanimboalobokao hataoko zaridaina fambolena anana, satria mba akaikin’ny lapako izy; homeko tanimboaloboka tsara kokoa noho io ianao ho takalony, na koa homeko izay vola tokom-bidiny raha izany no mety aminao.
3
Fa hoy i Nabôta tamin’i Ahaba: –Sanatria amiko eo anatrehan’ny TOMPO raha izay hanome anao ny lova avy amin’ny razako!
4
Ary nalahelo sady tezitra i Ahaba no niverina tao an-tranony, satria nilazan’i Nabôta avy ao Jizrehela hoe: «Tsy homeko anao ny lova avy amin’ny razako.» Dia nandry teo am-parafarany izy ka nitodika tany amin’ny rindrina ary tsy nety nihinan-kanina.
5
Fa nanatona azy i Jezebela vadiny ka nanao taminy hoe: –Nahoana no manjonitra toy izao ianao ka tsy mety mihinan-kanina?
6
Dia hoy ny navaliny azy: –Nitenenako i Nabôta avy ao Jizrehela hoe: «Omeo ahy ny tanimboalobokao hovidiko na koa hatakaloko tanimboaloboka hafa, raha izany no mety aminao»; fa namaly izy hoe: «Tsy homeko anao ny tanimboaloboko».
7
Dia hoy i Jezebela vadiny taminy: –Ny tenanao no manjaka amin’i Israely; koa miarena, dia mihinàna, ary aoka hifaly ny fonao, fa ny tenako mihitsy no hanome anao ny tanimboalobok’i Nabôta ilay Jizrehelita.
8
Dia tamin’ny anaran’i Ahaba no nanoratan’i Jezebela taratasy, ka nasiany tombon-kasem-panjakana ireny ary nalefany ho an’ny loholona sy ny manampahefana tao an-tanàna nonenan’i Nabôta.
9
Izao no voasorany tao amin’ny taratasy: «Miantsoa andro fifadian-kanina ka i Nabôta no asaivo mitarika ny vahoaka amin’izany.
10
Mifanatrika aminy eo kosa dia asio roa lahy mba hiampanga lainga azy ho nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka. Ary ento any ivelan’ny tanàna izy ka torahy vato ho faty ».
11
Ary ny loholona sy ny manampahefana tao an-tanànan’i Nabôta dia nanao araka ny baikon’i Jezebela tamin’ny taratasy nalefany ho azy ireo.
12
Niantso andro fifadian-kanina izy ka i Nabôta no nasainy nitarika ny vahoaka.
13
Dia niroso teo anoloan’i Nabôta ireo tsivalahara roa lahy ka niampanga lainga azy teo anatrehan’ny olona hoe: –Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabôta! Koa dia nentin’ny olona tany ivelan’ny tanàna izy ary notorahany vato mandra-pahafatiny.
14
Ary naniraka olona hilaza amin’i Jezebela ny manampahefana tao an-tanàna fa notoraham-bato i Nabôta ka maty.
15
Rehefa ren’i Jezebela fa maty notoraham-bato i Nabôta, dia hoy izy tamin’i Ahaba: –Mitsangàna ka alao ho anao ny tanimboaloboka izay tsy neken’i Nabôta hamidy taminao, satria tsy isan’ny velona intsony izy fa efa maty.
16
Rehefa ren’i Ahaba fa maty i Nabôta, dia lasa izy nankany amin’ny tanimboalobok’i Nabôta ilay Jizrehelita mba haka izany.
17
Fa nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Elià avy any Tisbe nanao hoe:
18
–Midîna mankany amin’i Ahaba mpanjakan’i Israely izay ao Samaria. Ao an-tanimboalobok’i Nabôta izy izao, satria lasa nankao izy mba haka izany.
19
Koa teneno izy hoe: Izao no lazain’ny TOMPO: «Rehefa avy nahafaty olona ve ianao, dia mbola haka ny fananany koa!» Ary teneno indray izy hoe: Izao no lazain’ny TOMPO: «Eo amin’ny toerana izay nilelafan’ny alika ny ran’i Nabôta no hilelafan’ny alika ihany koa ny ranao.»
20
Dia hoy i Ahaba tamin’i Elià: –Mbola hitanao ihany va aho, ry ilay fahavaloko? Ka novaliany hoe: –Eny, mbola hitako ihany ianao satria efa nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO;
21
fa izao no nambarany: «Hahatonga loza aminao Aho ka handringana anao tanteraka, hofongorako ny lehilahy rehetra amin’ny fianakavianao, na zaza izy na olon-dehibe.
22
Hataoko tahaka izay nanjo ny taranak’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata sy ny taranak’i Bahasà zanakalahin’i Ahià ny taranakao, noho ny nampahaviniranao Ahy sy ny nampanotanao an’i Israely.»
23
Niteny momba an’i Jezebela koa ny TOMPO ka nanao hoe: «Ary i Jezebela dia hohanin’ny alika eo akaikin’ny mandan’i Jizrehela.»
24
Izay taminganao, ry Ahaba, ka maty ao an-tanàna dia hohanin’ny alika, ary izay maty any an-tsaha kosa dia hohanin’ny voro-manidina.
25
Fa tsy nisy mihitsy olona tahaka an’i Ahaba izay nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO, satria nampirisihin’i Jezebela vadiny izy.
26
Zava-maharikoriko loatra no vitany tamin’ny nanarahany ny sampy tahaka ny nataon’ny Amôrita izay noroahin’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita.
27
Rehefa ren’i Ahaba izany, dia norovitiny ny fitafiany, ka gony no nanaovany manolo-koditra; dia nifady hanina izy sady nandry tamin’ilay gony ary namindra miadana dia miadana.
28
Fa nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Elià avy any Tisbe nanao hoe:
29
–Moa hitanao izao fietren-tenan’i Ahaba eto anatrehako izao? Satria nanao izany izy, dia tsy hahatonga loza amin’ny fianakaviany amin’ny androny Aho, fa amin’ny andron-janany kosa.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22