bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Kings 15
1 Kings 15
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 16 →
1
Tamin’ny taona faha-18 nanjakàn’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata tamin’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Abiama;
2
ary naharitra telo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Mahekà zanakavavin’i Abisalôma.
3
Ny fahotana rehetra nataon-drainy teo alohany ihany no nizorany; ary tsy mba nahitsy fo tamin’ny TOMPO Andriamaniny tahaka an’i Davida rainy izy.
4
Kanefa nomen’ny TOMPO Andriamaniny zanakalahy handimby izy mba tsy ho faty ilay fanilo tao Jerosalema ary mba hampaharitra an’i Jerosalema ho renivohitra; noho ny amin’i Davida izany,
5
satria nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Davida ka tsy niala tamin’izay nandidiany azy tamin’ny andro rehetra niainany, afa-tsy tamin’ny raharahan’i Orià ilay Hetita ihany.
6
Ary nisy hatrany ny ady teo amin’i Rehabohama sy i Jerôbohama.
7
Ny sisa amin’ny tantaran’i Abiama ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda. Ary nisy ady hatrany teo amin’i Abiama sy i Jerôbohama.
8
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany izy, dia nalevina tao an- tanànan’i Davida; ary i Asà zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
9
Tamin’ny taona faharoapolo nanjakàn’i Jerôbohama mpanjakan’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Asà;
10
ary naharitra 41 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-drenibeny dia Mahekà zanakavavin’i Abisalôma.
11
Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO toy ny nataon’i Davida rainy i Asà.
12
Noroahiny teo amin’ny tany ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy ary nofoanany avokoa ny sampy rehetra nataon-drainy.
13
Na dia i Mahekà renibeny aza dia naetrin’ity mpanjaka tsy ho andriambavy intsony, noho izy nanao tsatokazo fanajana an’i Aserà. Nasain’i Asà nazera sy nodorana tao amoron-driakan’i Kidrôna ny sampin’i Mahekà.
14
Fa ny toeram-panasinana kosa tsy fongotra tanteraka, na dia nahitsy teo imason’ny TOMPO aza ny fon’i Asà nandritra ny andro rehetra niainany.
15
Nampidiriny tao an-tranon’ny TOMPO ireo zavatra natokan-drainy sy natokan’ny tenany ho an’Andriamanitra, dia volafotsy sy volamena ary kojakoja maro isan-karazany.
16
Ary nisy hatrany ny ady teo amin’i Asà sy i Bahasà mpanjakan’i Israely.
17
Dia niakatra hanafika ny tanin’i Joda i Bahasà mpanjakan’i Israely; fa nohamafisiny ny tanànan’i Ramà mba hisakanan-dalana an’i Asà mpanjakan’i Joda.
18
Dia nalain’i Asà ny volafotsy sy ny volamena rehetra sisa tamin’ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka, ka natolony teo an-tanan’ny solotenany; ary nampanateriny tany amin’i Bena-Hadada zanakalahin’i Tabrimôna sy zafikelin’i Heziôna izany, dia i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria izay nonina tao Damasy sady nombany hafatra hoe:
19
«Aoka hisy fifanekena amiko sy aminao, toy izay nisy tamin-draiko sy tamin-drainao. Indro mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; fa ndeha tsoahy ny fifanekenao tamin’i Bahasà mpanjakan’i Israely mba hialany amin’ny taniko.»
20
Dia neken’i Bena-Hadada ny fangatahan’i Asà mpanjaka; ary nirahiny ireo filohan-tafiny hamely ny tanànan’i Israely, ka dia nahazo an’i Hiôna sy i Dana ary i Abela-Bety-Mahekà sy ny faritr’i Kinerôta mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo.
21
Nony ren’i Bahasà izany vaovao izany, dia nitsahatra tsy nanamafy an’i Ramà intsony izy ary niverina nipetraka tao Tiritsà.
22
Nampiantsoin’i Asà mpanjaka avokoa ny Jodeanina tsy ankanavaka hitondra ny vato sy ny hazo izay voaangon’i Bahasà hanamafisana an’i Ramà; dia nampiasain’i Asà ireo fitaovana ireo hanamafisana an’i Geban’i Benjamîna ary koa i Mitsepà.
23
Ny sisa amin’ny tantaran’i Asà sy ny herimpo nasehony ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny tanàna mafy naoriny dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda. Tamin’ny androm-pahanterany dia narary tongotra izy.
24
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany izy, dia nalevina am-pasan-drazana tao an- tanànan’i Davida; ary i Jôsafata zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
25
Tamin’ny taona faharoa nanjakàn’i Asà mpanjakan’i Joda no tonga mpanjaka tamin’i Israely i Nadaba zanakalahin’i Jerôbohama; ary naharitra roa taona no nanjakany tamin’i Israely.
26
Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy satria nizorany ny fitondrantenan-drainy sy ny fahotana izay nampanaoviny an’i Israely.
27
Koa nioko hanohitra azy i Bahasà zanakalahin’i Ahià avy amin’ny fokon’i Jisakara. Ary dia namely nahafaty an’i Nadaba tao Gibetôna i Bahasà, tamin’ny fotoana nanaovan’i Nadaba sy i Israely manontolo fahirano an’i Gibetôna izay voatanan’ny Filistinina.
28
Eny, novonoin’i Bahasà ho faty i Nadaba tamin’ny taona fahatelo nanjakàn’i Asà mpanjakan’i Joda; ary izy no nanjaka nandimby an’i Nadaba.
29
Raha vantany vao tonga mpanjaka izy, dia naringany avokoa ny fianakavian’i Jerôbohama manontolo, ka tsy nasiany niangana na iray aza ny taranany araka ny teny nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Ahià mpanompony avy any Silao.
30
Ny nahatonga izany kosa dia ny fahotana nataon’i Jerôbohama sady nampanaoviny an’i Israely ka nampahatezitra mafy ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.
31
Ny sisa amin’ny tantaran’i Nadaba ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
32
Ary nisy hatrany ny ady teo amin’i Asà sy i Bahasà mpanjakan’i Israely.
33
Tamin’ny taona fahatelo nanjakàn’i Asà mpanjakan’i Joda no tonga mpanjaka tamin’i Israely avaratra manontolo i Bahasa zanakalahin’i Ahià; ary naharitra 24 taona no nanjakany tao Tiritsà.
34
Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy, satria nizorany ny fitondrantenan’i Jerôbohama sy ny fahotana izay nampanaoviny an’i Israely.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22