bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Kings 16
1 Kings 16
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 17 →
1
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Jehò mpaminany zanakalahin’i Hananỳ, dia hafatra ny amin’i Bahasà manao hoe:
2
–Nasandratro avy amin’ny vovoka ianao ka nataoko ho filohan’i Israely vahoakako, kanefa dia ny fitondrantenan’i Jerôbohama no nizoranao ary ilay Israely vahoakako nampanotanao ka nampahatezitra Ahy tamin’ny fahotany.
3
Noho izany, hofongorako ny tenanao sy ny fianakavianao ka hataoko tahaka ny fianakavian’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata.
4
Koa ny taminganao izay maty ao an-tanàna dia hohanin’ny alika; ary izay maty any an-tsaha kosa dia hohanin’ny voro-manidina.
5
Ny sisa amin’ny tantaran’i Bahasà ary koa ny zavatra hafa nataony sy ny herimpo nasehony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
6
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany izy, dia nalevina tao Tiritsà; ary i Elà zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
7
Ny nitenenan’ny TOMPO an’i Bahasà sy ny fianakaviany, tamin’ny alalan’i Jehò mpaminany zanakalahin’i Hananỳ, dia noho ireto antony roa ireto: voalohany satria nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO i Bahasà sy ny fianakaviany, ka nampahatezitra Azy tamin’ny asan’ny tanany sady tonga tahaka an’i Jerôbohama sy ny fianakaviany; ary faharoa satria naringan’i Bahasà ny taranak’i Jerôbohama.
8
Tamin’ny taona faha-26 nanjakàn’i Asà mpanjakan’i Joda no tonga mpanjaka tamin’i Israely i Elà zanakalahin’i Bahasà; ary naharitra roa taona no nanjakàny tao Tiritsà.
9
Fa nioko hamely azy i Zimrỳ manamboninahiny sady komandin’ny antsasaky ny mpitondra kalesy. Koa fony i Elà nisotro sy nimamo tao Tiritsà tao an-tranon’i Aretsà filohan’ny tandapa,
10
dia niditra i Zimrỳ ka namono nahafaty azy tamin’ny taona faha-27 nanjakàn’i Asà mpanjakan’i Joda; ary izy no nanjaka nandimby an’i Elà.
11
Ary vantany vao nanjaka i Zimrỳ ka nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany, dia naringany avokoa ny fianakavian’i Bahasà, ka tsy nasiany niangana rehefa mety ho lehilahy, na tamin’ny havany izany na tamin’ny sakaizany;
12
naringan’i Zimrỳ avokoa ny fianakavian’i Bahasà araka ny teny nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Jehò mpaminany.
13
Izany no vokatry ny fahotana vitan’i Bahasà sy i Elà zanany, dia izay nataon’izy mianaka sady nampanaoviny an’i Israely ka nampahatezitra ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’ny sampiny.
14
Ny sisa amin’ny tantaran’i Elà ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
15
Tamin’ny taona faha-27 nanjakàn’i Asà mpanjakan’i Joda no tonga mpanjakan’i Israely i Zimrỳ ary fito andro ihany no nanjakàny tao Tiritsà. Tamin’izay ny tafik’i Israely dia nanao fahirano an’i Gibetôna izay voatanan’ny Filistinina.
16
Ren’ny miaramila mpanao fahirano fa nikomy tamin’ny mpanjaka i Zimrỳ sady efa nahafaty azy aza; koa androtriny ihany teo an-tobiny teo ny tafik’i Israely manontolo dia nanangana an’i Hômrỳ filohany ho mpanjakan’i Israely.
17
Dia niala tao Gibetôna i Hômrỳ sy ny tafiny manontolo ka nanao fahirano an’i Tiritsà.
18
Rehefa hitan’i Zimrỳ fa azo ny tanàna, dia lasa izy niditra tao amin’ny tilikambo nisy ny efitranon’ny mpanjaka; nodorany io efitrano io, ka dia niara-devona taminy tao izy.
19
Izany no vokatry ny fahotana vitan’i Zimrỳ, fony izy nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO satria nizorany ny fitondrantenan’i Jerôbohama sy ny fahotana izay nataony sady nampanaoviny an’i Israely.
20
Ny sisa amin’ny tantaran’i Zimrỳ ary koa ny fikomiana nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
21
Taorian’ny nahafatesan’i Zimrỳ, dia nizara roa ny vahoakan’i Israely: ny antsasany nomba an’i Tibnỳ zanakalahin’i Ginata ka te hampanjaka azy, ary ny antsasany kosa nanaraka an’i Hômrỳ.
22
Farany anefa dia resin’ny mpomba an’i Hômrỳ ny mpomba an’i Tibnỳ zanakalahin’i Ginata. Dia maty i Tibnỳ, ary i Hômrỳ no tonga mpanjaka.
23
Tamin’ny taona faha-31 nanjakàn’i Asà mpanjakan’i Joda no tonga mpanjakan’i Israely i Hômrỳ; ary naharitra 12 taona no nanjakàny ka ny enina tamin’izany dia tao Tiritsà.
24
Dia novidiny volafotsy fito kilao tamin’i Semera ny havoanan’i Samaria ka nanorenany tanàna teo an-tampony; ary nataony koa hoe Samaria ny anaran’izany tanàna izany araka ny anaran’i Semera tompon’ilay havoana.
25
Fa nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO i Hômrỳ, eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany aza;
26
satria nizorany avokoa ny fitondrantenan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata sy ny fahotana izay nampanaoviny an’i Israely ka nampahatezitra ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’ny sampiny.
27
Ny sisa amin’ny tantaran’i Hômrỳ ary koa ny zavatra hafa nataony sy ny herimpo nasehony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
28
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany izy, dia nalevina tao Samaria; ary i Ahaba zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
29
Tamin’ny faha-38 taona nanjakàn’i Asà mpanjakan’i Joda no tonga mpanjaka tamin’i Israely i Ahaba zanakalahin’i Hômrỳ; ary naharitra 22 taona no nanjakàny tamin’i Israely tao Samaria.
30
Ary izy io dia nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO mihoatra noho izay rehetra teo alohany.
31
Tsy vitan’ny hoe nizotra tamin’ny fahotan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata izy, fa mbola nanambady an’i Jezebela zanakavavin’i Etbahala mpanjakan’ny Tsidônianina sy nanompo an’i Bahala ary niankohoka teo anatrehany.
32
Tany Samaria aza dia manao tempoly ho an’i Bahala izy ka nanangana alitara
33
sy nametraka tsatokazo fanajana an’i Aserà tao; koa nampahatezitra ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izy mihoatra noho ny mpanjakan’i Israely rehetra talohany.
34
Tamin’ny andro nanjakàn’i Ahaba no nanorenan’i Hiela avy any Betela an’i Jerikao; ka ny ain’i Abirama lahimatoany no sandan’ny nametrahany ny fototra, ary ny ain’i Segoba faralahiny no sandan’ny nametrahany ny vavahady, araka ny teny izay nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Josoa zanakalahin’i Nona.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22