bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Kings 19
1 Kings 19
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 20 →
1
Notantarain’i Ahaba tamin’i Jezebela avokoa izay nataon’i Elià, dia ny namonoany ho faty ny mpaminan’i Bahala rehetra tamin’ny sabatra.
2
Ary nandefa iraka tany amin’i Elià i Jezebela hanao hoe: «Enga anie ka hataon’ireo andriamanitra amiko ny famaizana faran’izay henjana indrindra, raha tsy afako toy ny nanaovanao ny ain’ny iray tamin’ireny koa ny ainao rahampitso tahaka izao!»
3
Dia natahotra i Elià, ka nitsoaka nandositra namonjy ny ainy. Tonga tany Beera-Seba izay any Joda izy, ary navelany tao ny mpanompony.
4
Fa izy kosa nandeha lalana indray andro hankany an-taniefitra; ka rehefa tonga tany izy, dia nipetraka teo ambanin’ny hazo kely midoroboka iray. Ary nangataka ho faty izy ka nanao hoe: –TOMPO ô, aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny fa tsy tsara noho ny razako aho.
5
Dia nandry izy ka natory teo ambanin’ilay hazo kely midoroboka. Ary indro nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe: –Mifohaza ka mihinàna.
6
Dia nijery izy ka indro nisy mofo voaendy tamin’ny vato mahamay sy rano iray tavoara teo anilan’ny lohany. Rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray;
7
nefa niverina ilay anjelin’ny TOMPO ka nanohina azy sady nanao hoe: –Mifohaza ary mihinàna, fa mbola tena lavitra ny halehanao.
8
Dia nifoha i Elià ka nihinana sy nisotro. Rehefa nahazo hery tamin’izay nohaniny izy, dia nandeha efapolo andro sy efapolo alina hatrany Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.
9
Rehefa tonga tao Hôreba i Elià, dia niditra tao amin’ny zohy iray ka natory tao. Ary nisy tenin’ny TOMPO taminy nanao hoe: –Inona no ataonao eto, ry Elià?
10
Dia hoy ny navaliny: –Fatratra loatra ny fitiavako Anao, ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao ô, koa tsy tantiko intsony ny nandaozan’ireo Israelita ny fanekempihavananao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny ho faty; ary dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ahy koa izy.
11
Dia hoy ny TOMPO hoe: –Mivoaha tao ka mitsangàna eo an-tendrombohitra eo anatrehako fa handalo Aho. Dia nisy rivotra nifofofofo mafy izay nampitresaka ny tendrombohitra ary nanamontsana ny vatolampy teo anatrehan’ny TOMPO; nefa tsy tao amin’izany rivotra izany ny TOMPO. Rehefa nitsahatra ny rivotra, dia nisy horohorontany; nefa tsy tao amin’ny horohorontany ny TOMPO.
12
Taorian’ny horohorontany dia nisy afo; nefa tsy tao amin’ny afo ny TOMPO. Ary nanarakaraka ny afo, dia nisy ritsoka malefaka.
13
Fa raha vao nahare izany i Elià, dia nisaron-tava tamin’ny akanjobeny ka lasa nivoaka ary nitsangana teo am-bava zohy. Dia nisy feo niteny taminy indray nanao hoe: –Inona no ataonao eto, ry Elià?
14
Dia hoy izy hoe: –Fatratra loatra ny fitiavako Anao, ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao ô, koa tsy tantiko intsony ny nandaozan’ireo Israelita ny fanekempihavananao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny ho faty; izaho irery ihany no sisa, nefa dia mbola mitady hahafaty ahy koa izy.
15
Fa hoy ny TOMPO taminy: –Mandehana miverina amin’ny lalana mamaky ny taniefitra akaikin’i Damasy. Rehefa tonga any ianao, dia hosory ho mpanjakan’i Siria i Hazaela;
16
hosory ho mpanjakan’i Israely koa i Jehò zanakalahin’i Nimsỳ; ary hosory ho mpaminany handimby anao i Elisà zanakalahin’i Safata sady avy any Abela-Mehôlà.
17
Izay afa-mandositra ny sabatr’i Hazaela, dia ho fatin’i Jehò; ary izay afa-mandositra ny sabatr’i Jehò kosa dia ho fatin’i Elisà.
18
Nefa hamelako fito arivo lahy ihany amin’i Israely, dia izay rehetra tsy mba nandohalika tamin’ny andriamanitra Bahala sady tsy nanoroka ny sarivongany.
19
Rehefa niala teo i Elià, dia nahita an’i Elisà zanakalahin’i Safata izay teo am-piasana tany. Omby 24 no teo anoloany ary izy no amin’ny roa farany. Raha nandalo teo akaikiny i Elià, dia nanipy ny akanjobeny hanarona azy.
20
Dia nandao ny omby i Elisà, ka nihazakazaka nanaraka an’i Elià sady nanao hoe: –Avelao aho aloha hanoroka ny raiko sy ny reniko vao hanaraka anao. Ary hoy i Elià taminy: –Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho!
21
Dia niala teo aminy i Elisà ka naka omby roa nataony sorona. Natonony tamin’ny hazon-jioga ny hena ka nomeny hohanin’ny olona izay teo. Ary niainga izy ka nanaraka an’i Elià sady nanompo azy.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22