bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Kings 17
1 Kings 17
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 18 →
1
Ary niteny tamin’i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan’ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izay tompoiko, koa manizingizina aminao aho fa tsy hisy ando na orana hilatsaka eto amin’ireo taona ato ho ato ireo, raha tsy teny avy amiko ihany.
2
Dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Elià nanao hoe:
3
–Mialà eto ianao ka mizora miantsinanana ary miere any akaikin’ny riakan’i Kerita, any atsinanan’i Jôrdàna.
4
Io riaka io no hisotroanao rano any, ary Izaho hanome baiko ny goaika hitondra sakafo ho anao.
5
Dia notanterahin’i Elià izay nolazain’ny TOMPO taminy, ka lasa izy nipetraka tany akaikin’ny riakan’i Kerita.
6
Ary marain-tsy hariva dia nitondra mofo sy hena ho azy ny goaika, fa rano teo amin’ny riaka kosa no nisotroany.
7
Fa nony afaka kelikely dia ritra ilay riaka, satria tsy nisy orana nilatsaka tamin’ny tany.
8
Dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Elià nanao hoe:
9
–Miaingà ka mankanesa any Tsarefata akaikin’i Tsidôna ary mitoera any; fa misy vehivavy mpitondratena any, izay efa nomeko baiko mba hamatsy hanina anao.
10
Dia lasa nankany Tsarefata i Elià. Ary rehefa tonga teo am-bavahadin’ny tanàna izy, dia nahita vehivavy mpitondratena mifako kitay. Nantsoin’i Elià io ka nataony hoe: –Azafady mba itondray rano kely amin’ny zinganao aho hosotroiko.
11
Dia lasa naka ravehivavy, nefa mbola nantsoin’i Elià indray izy nataony hoe: –Azafady, mba itondray mofo ihany koa aho.
12
Fa hoy ravehivavy namaly: –Velona ny TOMPO Andriamanitrao, koa mianiana aho fa tsy manana mofo mihitsy; ny sisa ananako dia lafarinina eran’ny tanan’ila ao anaty tsatokaty sy menaka kely amin’ny tavoara. Koa rehefa avy maka kitay aho, dia hody hikarakara an’ireo mba ho ahy sy ho an’ny zanako lahy; dia hohaninay izany, ary hiandry ny hahafatesanay izahay.
13
Fa hoy i Elià taminy: –Aza matahotra! Modia ary manaova araka izany voalazanao izany; nefa anaovy mofo kely aho aloha ka ento atỳ amiko, dia izay ianao vao manao ho anao sy ho an’ny zanakao lahy.
14
Fa izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: «Tsy ho lany ny lafarinina ao amin’ny tsatokaty, ary tsy ho ritra ny menaka ao amin’ny tavoara mandra-pigadon’ny andro handatsahan’ny TOMPO ranonorana amin’ny tany.»
15
Dia lasa ravehivavy ka nanao araka izay nolazain’i Elià taminy; ary dia nanan-kohanina nandritra ny fotoana elaela izy telo mianaka, dia ravehivavy sy ny zanany ary ilay mpaminany.
16
Tsy lany anefa ny lafarinina tao amin’ny tsatokaty ary tsy ritra ihany koa ny menaka tao amin’ny tavoara, araka izay nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Elià.
17
Fotoana vitsy taorian’izany, dia narary ny zanak’ilay vehivavy mpitondratena nampiantrano ny mpaminany. Mafy loatra anefa ny aretiny ka niafara tamin’ny fahafatesany izany.
18
Dia hoy ravehivavy tamin’i Elià: –Ry olon’Andriamanitra, nahoana no nanao izao tamiko ianao? Moa hampahatsiaro ny fahotako sy hahafaty ny zanako lahy ve no nahatongavanao tatỳ amiko?
19
Hoy kosa i Elià namaly azy: –Omeo ahy ny zanakao. Dia nalainy teny an-tsandrin-dravehivavy izy ka nentiny tany an’efitra ambony izay nitoerany ary nampandriny teo am-parafarany.
20
Dia nivavaka tamin’ny TOMPO izy ka nanao hoe: –Ry TOMPO Andriamanitro ô, ity mpitondratena ity mba nampiantrano ahy, koa sitrakao ve ny hampahory azy amin’ny fahafatesan-janany?
21
Dia niampatra intelo teo amin’ny zaza izy sady nitalaho mafy tamin’ny TOMPO hoe: –Ry TOMPO Andriamanitro ô, mitalaho aminao aho mba hamelomanao indray ity zaza ity.
22
Nohenoin’ny TOMPO ny vavak’i Elià, dia niverina taminy indray ny ain’ny zaza ka velona soa aman-tsara izy.
23
Dia noraisin’i Elià ny zaza ka nentiny nidina ho ao amin’ny efitra ambany ary natolony an-dreniny sady nataony hoe: –Indro fa velona ny zanakao!
24
Ary hoy ravehivavy tamin’i Elià: –Fantatro izao fa olon’Andriamanitra tokoa ianao ary miteny amin’ny alalanao marina ny TOMPO.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22