bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Kings 10
1 Kings 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 11 →
1
Ny mpanjakavavin’i Sebà dia nahare ny laza nananan’i Salômôna noho ny anaran’ny TOMPO, ka avy hitsapa azy tamin’ny fanontaniana sarotra.
2
Dia tonga tany Jerosalema izy sy ny mpanaraka azy marobe, ny rameva izay nivesatra zava-manitra sy volamena sesehena ary vatosoa. Rehefa mby tao amin’i Salômôna ity mpanjakavavy, dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony.
3
Voavalin’i Salômôna avokoa ny fanontaniana rehetra nataony, ka tsy nisy zavatra niafina tamin’ny mpanjaka ireny fa nanomezany valinteny avokoa.
4
Ary rehefa samy hitan’ny mpanjakavavin’i Sebà ny fahendren’i Salômôna sy ny trano naoriny,
5
ny sakafo teo amin’ny latabany ary ny toeram-ponenan’ireo tandapany, ny fitafian’ny mpandroso sakafo sy mpitondra divay ary koa ny sorona dorana manontolo natolony tao an-tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy
6
ka nilaza tamin’ny mpanjaka hoe: –Marina avokoa izay resaka reko tany amin’ny taniko momba ny teninao sy ny fahendrenao.
7
Nefa tsy nino ny filàzan’olona aho, raha tsy tonga sy atỳ, ka ny masoko no mahita. Hay na dia ny antsasany aza tsy voambara tamiko akory. Fa mihoatra lavitra noho ny laza efa reko ny fahendrena sy ny fahamendrehana izay anananao.
8
Sambatra ireo olonao sy ireo tandapanao, satria eo anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao.
9
Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely ianao; noho ny fitiavany mandrakizay an’i Israely manko no nanaovan’ny TOMPO anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.
10
Dia nomen’ilay mpanjakavavy volamena telo taonina sy sasany ary koa zava-manitra sesehena sy vatosoa ny mpanjaka; tsy nisy na ovina na oviana haben-java-manitra tonga tao Israely tahaka izay nomen’ny mpanjakavavin’i Sebà ho an’i Salômôna.
11
Ny sambon’i Hirama, izay naka volamena avy tany Ôfira, dia nitondra hazo sarobidy betsaka tokoa sy vatosoa.
12
Ny hazo sarobidy dia nataon’ny mpanjaka arofanina tao amin’ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka ary koa nanamboarany lokanga sy valiha ho an’ny mpihira; ka tsy nisy hazo sarobidy tonga na hita toy izany intsony tany Israely mandraka ankehitriny.
13
Tetsy an-danin’izany kosa dia nomen’i Salômôna mpanjaka ny mpanjakavavin’i Sebà avokoa izay rehetra niriny sy nangatahiny, ankoatra izay natolony azy araka ny fahalalahan-tanan’i Salômôna mpanjaka. Avy eo ilay mpanjakavavy sy ireo mpanompony dia niverina nody tany amin’ny taniny.
14
Ny lanjam-bolamena tonga tao amin’i Salômôna, tanatin’ny taona iray monja, dia nahatratra roapolo taonina,
15
ankoatra ny haba nalainy tamin’ny mpandranto sy ny mpivarotra ary ny hetra naloan’ny mpanjaka vahiny na voaangon’ireo governoran’ny tany.
16
Nampamboatra ampingabe roanjato tamina metaly miharo volamena i Salômôna mpanjaka; ka lanjam-bolamena enina kilao avy no nilaina isan’ampinga.
17
Dia nampamboatra ampingakely telonjato tamina metaly miharo volamena koa izy; ka lanjam-bolamena iray kilao sy sasany avy no nilaina isan’ampinga. Ary napetraky ny mpanjaka tao amin’ilay trano antsoina hoe «Alan’i Libano» ireo.
18
Dia nampamboatra sezafiandrianana lehibe koa izy, dia sezafiandrianana izay voaravaka ivoara sady nopetahana takela-bolamena madio.
19
Nisy zanatohatra enina tamin’io sezafiandrianana io; miendrika faribolana ny fiankinana teo aminy ary nisy fitehenan-tanana teo an-daniny roa amin’ny fipetrahana. Nisy sarin-diona iray avy teo an-kilan’ny fitehenan-tanana;
20
ary sarin-diona enina avy no teo an-daniny roa amin’ny zanatohatra enina. Tsy nisy natao tahaka izany mihitsy tany amin’ny fanjakana hafa rehetra.
21
Volamena avokoa ny tsatokaty fisotroan’i Salômôna mpanjaka; ary volamena tsara avokoa ny kojakoja rehetra tao amin’ilay trano antsoina hoe «Alan’i Libano». Tsy nisy vita volafotsy ireo, satria noheverina ho tsy dia sarobidy loatra izany tamin’ny andron’i Salômôna.
22
Ny mpanjaka manko dia nanana sambo vaventy izay nitety ranomasina niaraka tamin’ny sambon’i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona ireo sambo vaventy ireo no tonga mitondra volamena sy volafotsy amana ivoara ary koa rajako sy vorombola.
23
I Salômôna mpanjaka dia nihoatra noho ny mpanjaka hafa rehetra tambonin’ny tany tamin’ny harena sy ny fahendrena.
24
Olona avy amin’ny tany tontolo no nitady hahita an’i Salômôna mba hihaino ny fahendrena izay nataon’Andriamanitra tao am-pony.
25
Ka isan-taona dia samy tonga nitondra fanomezana avy izy rehetra, dia kojakoja volafotsy sy volamena ary koa fitafiana sy fiadiana mbamin’ny zava-manitra sy soavaly na boriky.
26
Nanangona kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly i Salômôna ka nanana kalesy 1 400 sy mpitaingin-tsoavaly 12 000 izay nisy natobiny tamin’ireo tanàna fitoeran-kalesy ary nisy notanany teo aminy tao Jerosalema.
27
Toy ny hamaroan’ny vatokely no nataon’ny mpanjaka habetsaky ny volafotsy tao Jerosalema; ary toy ny hamaroan’ny aviavy any amin’ny lemak’i Sefelà no nataony habetsaky ny hazo sedera.
28
Ny soavalin’i Salômôna dia avy tany Ejipta sy Silisia; ny mpandranton’ny mpanjaka no nividy azy tany.
29
Ny kalesy fitondra miady anankiray avy tany Ejipta dia nitentina sekela volafotsy eninjato, ary ny soavaly anankiray kosa dia sekela volafotsy 150; toy izany vidiny izany koa no nitondran’ireo mpandranto ireo ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ho an’ny mpanjakan’i Siria.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22