bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Kings 11
1 Kings 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 12 →
1
Ankoatra ny zanakavavin’ny Farao, dia nanambady vehivavy maro hafa firenena koa i Salômôna mpanjaka, dia vehivavy môabita sy hamônita sy edômita ary tsidônianina sy hetita.
2
Ireo vehivavy ireo anefa dia avy amin’ny firenena izay nolazain’ny TOMPO tamin’ny Israelita hoe: «Aza miharoharo amin’ireo hafa firenena ireo ianareo ary aza avela hiharo aminareo koa izy, fa hitarika anareo hanaraka ny fanompoam-pivavahana fanaony amin’ireo andriamaniny izy.» Nefa dia tamin’ireo no niraiketan’ny fitiavan’i Salômôna;
3
fa nanana vady andriambavy fitonjato sy vaditsindrano telonjato izy. Ireo vadiny ireo no nampivily ny fon’i Salômôna.
4
Rehefa antitra i Salômôna, dia notarihin’ny vadiny hanaraka andriamani-kafa; ka tsy tokam-po tamin’ny TOMPO Andriamaniny toa an’i Davida rainy intsony izy,
5
fa nanompo an’i Hastôreta andriamani-bavin’ny Tsidônianina sy nanompo an’i Milkôma andriamani-tsampin’ny Hamônita.
6
Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy, ka tsy nanaraka tanteraka AZY tahaka ny nataon’i Davida rainy.
7
Tamin’izany i Salômôna dia nanangana toeram-panasinana teo amin’ny havoana tandrifin’i Jerosalema mba ho an’i Kemôsy andriamani-tsampin’ny Môabita ary koa mba ho an’i Milkôma andriamani-tsampin’ny Hamônita.
8
Nanaovany toy izany avokoa ireo andriamanitry ny vadiny hafa firenena mba hahazoany mandoro zava-manitra mifangaro sy manao sorona.
9
Niseho indroa tamin’i Salômôna ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ka nandidy azy marimarina mba tsy hanaraka andriamani-kafa; kanefa tsy nitandrina izany i Salômôna fa nampivily fo hiala taminy. Koa dia nisafoahan’ny TOMPO i Salômôna
11
ary nilazany hoe: –Satria nanao izao fitondrantena izao ianao, ka tsy nitandrina ny fanekempihavanako sy ny didy izay nomeko anao, dia hoendahako aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny olom-pehezinao.
12
Kanefa, noho ny amin’i Davida rainao, dia tsy hataoko amin’ny andronao izany; fa rehefa mby amin’ny zanakao kosa vao hoendahako eo am-pelatanany ny fanjakana.
13
Saingy tsy hoendahako aminy avokoa akory ny fanjakana manontolo, fa hamelako foko iray ihany izy noho i Davida mpanompoko ary noho i Jerosalema izay nofidiko.
14
Ary nanangana olona iray hanohitra an’i Salômôna ny TOMPO, dia i Hadada izay Edômita taranaky ny mpanjakan’i Edôma.
15
Tamin’ny fotoana niadian’i Davida tamin’ny fanjakan’i Edôma no nitrangan’izany. Nandeha tany i Jôaba filohan-tafika handevina ny Israelita maty an’ady; ary avy eo izy dia nampandringana ny lehilahy edômita rehetra.
16
Fa nitoetra enim-bolana tany Edôma i Jôaba sy ny tafik’i Israely manontolo mandra-pandringana ny lehilahy rehetra tany.
17
Kanefa i Hadada, izay mbola tovolahy kely tamin’izay, dia afaka nandositra tany Ejipta niaraka tamin’ny Edômita sasany tandapan-drainy;
18
nandao ny faritr’i Midiana ireo ka tonga tany an-taniefitra Paràna. Tao izy no nitondra lehilahy hiaraka aminy hankany Ejipta, ho ao amin’ny Farao mpanjaka izay nanome azy trano sy tany ary nampanantena azy hanina.
19
Nahita fitia fatratra teo imason’ny Farao i Hadada, ka dia nomeny azy ho vady ny rahavavin’i Tahapenesa vadiny.
20
Ary nitera-dahy tamin’i Hadada ny rahavavin’i Tahapenesa, dia i Genôbata izay notezain’i Tahapanesa sady niara-nipetraka tamin’ny zanakalahin’ny Farao tao an-dapa.
21
Rehefa ren’i Hadada tany Ejipta fa maty i Davida sy i Jôaba filohan’ny tafika, dia hoy izy tamin’ny Farao: –Avelao aho hody any amin’ny taniko.
22
Fa ny Farao kosa niteny taminy hoe: –Inona no mahory anao eto amiko, no mitady hody any amin’ny taninao indray ianao? Dia hoy ny navaliny: –Tsy misy na dia kely aza, saingy avelao ihany aho handeha!
23
Ary nanangana olon-kafa koa Andriamanitra mba hanohitra an’i Salômôna, dia i Rezôna izay zanakalahin’i Eliadà sady efa nandositra an’i Hadadehezera tompony, mpanjakan’i Tsôbà.
24
Tamin’ny fotoana nandringanan’i Davida ny tafik’i Hadadehezera, dia novorin’i Rezôna teo aminy ny vatan-dehilahy maro ka izy no nitsangana ho filohan’ireo; ary nankany Damasy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
25
Fa nandritra ny androm-piainan’i Salômôna dia mpanohitra an’i Israely i Rezôna ka nanampy trotraka ny ratsy nataon’i Hadada. Nankahala an’i Israely izy fony nanjaka tamin’i Siria.
26
Nisy koa ny fikomian’i Jerôbohama tamin’ny mpanjaka. Izao ny tantarany: I Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata, dia Efraîmita avy any Tseredà; ny reniny dia mpitondratena nantsoina hoe Tserohà; ary izy dia mba mpanompon’i Salômôna saingy nikomy taminy. Fa tamin’ny fotoana nanaovan’i Salômôna ny Milao sy nanamboarana ny rimbona tamin’ny mandan’ny tanànan’i Davida rainy,
28
dia tovolahy mahay sady mahavita tsara ny asany i Jerôbohama; koa nony hitan’i Salômôna izany, dia nataony mpifehy ireo mpiasan’ny fokon’i Efraîma sy i Manase izy.
29
Indray andro raha nivoaka an’i Jerosalema i Jerôbohama, dia tafahaona tamin’i Ahià mpaminany avy any Silao teny an-dalana. Nitafy lamba vaovao i Ahià, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha.
30
Dia noraisin’i Ahià ny lamba vaovao teny aminy ka notriatriariny ho tonga tapany 12;
31
ary hoy izy tamin’i Jerôbohama: –Raiso ho anao ny tapany folo, fa izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Indro efa hoendahako eo an-tanan’i Salômôna ny fanjakana ka homeko anao ny foko folo,
32
fa ny foko iray ihany sisa no havelako ho azy noho ny amin’i Davida mpanompoko sy i Jerosalema tanàna nofidiko tamin’ny foko israelita rehetra.
33
Hataoko izany satria efa nandao Ahy ireo ka niankohoka teo anatrehan’i Hastôreta andriamani-bavin’ny Tsidônianina, sy teo anatrehan’i Kemôsy andriamanitry ny Môabita, ary teo anatrehan’i Milkôma andriamanitry ny Hamônita; fa tsy mba ny sori-dalako no nizorany hanaovana izay mahitsy eo imasoko ary hitandremana ny lalàna amam-pitsipiko tahaka ny nataon’i Davida rain’i Salômôna.
34
Nefa tsy hoesoriko eo an-tanan’i Salômôna izany fanjakana manontolo izany fa efa nataoko ho filohan’ny vahoakako amin’ny andro rehetra iainany izy noho ny amin’i Davida mpanompoko izay nofidiko sady nitandrina ny didy aman-dalànako.
35
Saingy hoesoriko eo an-tanan-janany kosa ny fanjakana, ka homeko anao ny foko folo.
36
Homeko foko iray ihany ny zanakalahiny mba hisy mandrakariva, ho an’i Davida mpanompoko, taranaka iray hanjaka eo anatrehako any Jerosalema izay tanàna nofidiko hampitoerako ny voninahitro.
37
«Ianao kosa, ry Jerôbohama, no halaiko hanjaka amin’izay sehatra rehetra irinao ka ho mpanjaka amin’i Israely.
38
Raha henoinao izay rehetra andidiako anao ka izoranao ny sori-dalako ary ataonao izay mahitsy eo imasoko sady tandremanao ny lalànako sy ny didiko tahaka ny nataon’i Davida mpanompoko, dia hiaraka aminao Aho ka hampiorina taranaka maharitra ho anao tahaka izay nataoko tamin’i Davida; ary dia homeko anao i Israely,
39
mba hampietreko ny taranak’i Davida –nefa tsy ho mandrakizay akory izany.»
40
Koa nitady hahafaty an’i Jerôbohama i Salômôna; fa i Jerôbohama kosa lasa nandositra tany Ejipta ka nialokaloka tao amin’i Sisàka mpanjakan’io tany io mandra-pahafatin’i Salômôna.
41
Ny sisa amin’ny tantaran’i Salômôna ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny fahendreny dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’i Salômôna.
42
Ny nanjakàn’i Salômôna tao Jerosalema, tamin’i Israely manontolo, dia naharitra efapolo taona.
43
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Salômôna, dia nalevina tao an- tanànan’i Davida rainy; ary i Rehabohama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22