bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Kings 18
1 Kings 18
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 19 →
1
Fotoana elaela tatỳ aoriana, tamin’ny taona fahatelo nisian’ny hain-tany, dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Elià nanao hoe: –Mandehana hiseho amin’i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho.
2
Dia lasa i Elià niseho tamin’i Ahaba. Namely mafy ny mosary tany Samaria,
3
ka niantso an’i Hôbadià filohan’ny lapa i Ahaba. Ary i Hôbadià dia fatra-panaja ny TOMPO;
4
fa tamin’ny nandringanan’i Jezebela ny mpaminanin’ny TOMPO, dia mpaminany zato no voavonjin’i Hôbadià rehefa nafeniny nitsinjara dimampolo avy tany anaty zohy ka novatsìny mofo sy rano.
5
Ka hoy i Ahàba tamin’i Hôbadià: –Andeha hotetezintsika ny tany hijerena ny loharano sy riaka rehetra, sao hahita ahitra ihany isika hamelomana ny soavaly sy ny boriky mba tsy hamonoana ny biby fiompintsika.
6
Dia notsinjarainy ny tany hotetezina, ka i Ahaba nandeha tany amin’ny lalany ary i Hôbadià kosa tamin’ny azy.
7
Fa raha ilay nandeha tamin’ny lalana iny i Hôbadià, dia nifanena tampoka tamin’i Elià. Fantatr’i Hôbadià izy ka niankohofany ho fanajana azy, ary nilazany hoe: –Ianao va ity, ry Elià tompoko?
8
Ka novalian’i Elià hoe: –Eny, izaho ihany ity. Mandehana lazao amin’i Ahaba tomponao hoe: «Tonga ao i Elià!»
9
Fa hoy i Hôbadià: –Inona no ratsy nataoko no atolotrao ho eo an-tanan’i Ahaba aho mba hovonoiny ho faty?
10
Velona ny TOMPO Andriamanitrao ka hizingiziniko aminao fa tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan’i Ahaba olona hitady anao; ary raha misy manao hoe: «Tsy atỳ aminay izy», dia nasainy nianiana ho tsy nahita anao izany fanjakana sy firenena izany.
11
Ankehitriny anefa dia asainao milaza amin’i Ahaba tompoko aho hoe: «Tonga ao i Elià!»
12
Nefa vao miala eto aminao aho, dia hoentin’ny Fanahin’ny TOMPO any amin’izay tsy fantatro ianao; ary raha handeha hilaza amin’i Ahaba aho nefa ianao tsy ho hitany, dia hataony maty aho. Hatry ny fahazazàko anefa aho no fatra-panaja ny TOMPO.
13
Moa tsy mba notantaraina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin’ny namonoan’i Jezebela ho faty ireo mpaminanin’ny TOMPO? Zato tamin’ireny mpaminanin’ny TOMPO ireny no nafeniko nitsinjara dimampolo avy tany anaty zohy ka novatsiko mofo sy rano.
14
Ankehitriny anefa dia asainao milaza amin’i Ahaba aho hoe: «Tonga ao i Elià!» Koa hovonoiny ho faty tokoa aho.
15
Fa hoy i Elià hoe: –Velona Andriamanitra TOMPOn’izao rehetra izao, dia ilay Andriamanitra tompoiko, koa hizingiziniko fa hiseho amin’i Ahaba tokoa aho anio.
16
Dia lasa nitsena an’i Ahaba i Hôbadià ka nanao tatitra taminy; ary lasa nitsena an’i Elià i Ahaba.
17
Rehefa hitan’i Ahaba i Elià, dia nilazany hoe: –Hay! Tonga ianao, ry ilay mpitondra loza amin’i Israely!
18
Fa i Elià namaly hoe: –Tsy izaho no mpitondra loza amin’i Israely, fa ianao sy ny fianakavianao satria nandà ny didin’ny TOMPO ianareo sady nivavaka tamin’ireo andriamanitra Bahala.
19
Ary ankehitriny maniraha olona hamory ny vahoakan’i Israely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitr’i Karmela miaraka amin’ny mpaminanin’i Bahala 450 sy ny mpaminanin’i Aserà efajato izay mihinana eo amin’ny latabatr’i Jezebela.
20
Dia nampiantsoin’i Ahaba ho tonga ao an-tendrombohitr’i Karmela ny Israelita rehetra ary koa ireo mpaminany. Rehefa vory avokoa ny besinimaro,
21
dia nankeo amin’ny vahoaka rehetra i Elià ka nanao hoe: –Mandra-pahoviana no hampiroaroa saina anareo? Raha ny TOMPO no tena Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha i Bahala kosa no tena Andriamanitra, dia manaraha azy. Saingy tsy nisy namaly azy ny vahoaka;
22
dia hoy indray i Elià taminy: –Izaho irery sisa no mpaminanin’ny TOMPO, fa ny mpaminanin’i Bahala kosa misy 450 lahy.
23
Aoka homena ombilahy roa izahay; ka ianareo mpaminanin’i Bahala hifidy anankiray hotetehinareo sy hapetrakareo eo ambony kitay mba hatao sorona, saingy tsy hasiana afo ao. Izaho kosa hikarakara ny anankiray ka hametraka izany eo ambony kitay, saingy tsy hasiana afo koa ao.
24
Hiantso ny anaran’ny andriamanitrareo ianareo, fa izaho kosa hiantso ny anaran’ny TOMPO; koa izay mamaly vavaka amin’ny fandrehetana ny afo no ho tena Andriamanitra. Ary ny vahoaka rehetra namaly hoe: –Marina izany teny izany.
25
Dia hoy i Elià tamin’ny mpaminanin’i Bahala: –Mifidiana ombilahy iray amin’ireo. Ianareo no mikarakarà voalohany, satria maro ianareo; ary antsoy ny anaran’ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo.
26
Dia nalain’ireo ny ombilahy izay nomena azy ka nokarakarainy hatao sorona; ary niantso ny anaran’i Bahala izy hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro nanao hoe: «Ry Bahala ô, mamalia anay!» Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka nanodidina ny alitara namboariny izy.
27
Tamin’ny mitataovovonana dia naneso azy ireo i Elià hoe: –Antsoy mafy ihany fa andriamanitra izy, ka sao dia maro herehina na koa mbola varian-dresaka, na nisy dia nalehany, na koa matory angamba izy ka mila hofohazina.
28
Dia niantso mafy indray ireo sady niteti-tena tamin’ny sabatra sy ny lefona mandra-pivoa-dra araka ny fanaony.
29
Rehefa dila ny mitataovovonana, dia mbola nirediredy niantso an’i Bahala ihany izy mandra-pahatonga ny fotoana fanaovany sorona takariva, nefa tsy nisy nanoina na namaly teny amam-pihetsika azy akory.
30
Ary hoy i Elià tamin’ny vahoaka rehetra: –Manatòna ahy ianareo. Dia nanatona azy ny vahoaka rehetra. Rehefa izany, dia namboarin’i Elià ny alitaran’ny TOMPO izay efa rava,
31
ka naka vato 12 izy araka ny isan’ireo fokon’ny taranak’i Jakôba izay nitenenan’ny TOMPO hoe: «Israely no ho anaranao ».
32
Ireo vato ireo no nanamboarany alitara ho an’ny anaran’ny TOMPO; ary ny manodidina ny alitara dia nanaovany hady kely mahalany telopolo litatra eo ho eo.
33
Ary nalahany teo ambony alitara ny kitay, dia norasainy ny omby ka napetrany teo ambonin’ny kitay.
34
Rehefa izany dia hoy i Elià hoe: –Fenoy rano ny siny efatra ka araraho eo amin’ny sorona dorana manontolo sy amin’ny kitay. Dia nataon’ny olona izany; fa hoy indray i Elià hoe: –Ataovy fanindroany! Dia nataon’ny olona fanindroany izany. Ary hoy ihany i Elià hoe: –Ataovy fanintelony! Dia nataon’ny olona fanintelony izany.
35
Ary nikoriana nanodidina ny alitara ny rano ka nahafeno ny hady.
36
Fa tamin’ny fotoan’ny sorona tolakandro dia nanatona i Elià mpaminany ka nanao hoe: –Ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ô, asehoy ankehitriny fa Ianao no Andriamanitra amin’i Israely; ary izaho dia mpanomponao ka baiko avy taminao no nanaovako izao zavatra rehetra izao.
37
TOMPO ô, mihainoa ahy mba hahafantaran’ireto vahoaka ireto fa Ianao TOMPO no tena Andriamanitra, ary Ianao ihany no mampiverina indray ny fony ho aminao.
38
Dia nalatsaky ny TOMPO ny afo, ka nandoro ny sorona dorana manontolo sy ny kitay ary ny vato sy ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ny hady.
39
Raha nahita izany ny Israelita rehetra, dia niankohoka nitehi-tany ka nanao hoe: «Ny TOMPO no tena Andriamanitra. Ny TOMPO no tena Andriamanitra!»
40
Ary hoy i Elià tamin’izy ireo: –Sambory ny mpaminanin’i Bahala ary aza avela hisy afa-mandositra na dia iray aza. Dia nosamborina avokoa ireny ka nentin’i Elià teo amin’ny lohasahan-driakan’i Kisôna ary novonoiny ho faty teo.
41
Hoy i Elià tamin’i Ahaba: –Andeha mihinana sy misotro fa efa reko ny fivatravatran’ny orambe.
42
Dia nandeha hihinana sy hisotro i Ahaba; fa i Elià kosa nananika ny tampon’i Karmela, ary niankohoka nitehi-tany izy ka ny lohany nataony teo anelanelan’ny lohaliny.
43
Ary hoy izy tamin’ny mpanompony: –Miakara ka mijere mankany amin’ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nijery sady niteny hoe: –Tsy misy na inona na inona. Nasain’i Elià niverina nijery impito izy.
44
Ka tamin’ny fanimpitony, dia hoy izy hoe: –Indro misy rahona kely hoatra ny totohondry miakatra avy eny an-dranomasina. Dia hoy i Elià taminy: –Ndeha lazao i Ahaba hamboatra ny kalesiny dia hidina, fandrao ho voasakan’ny orana.
45
Fa raha nihamaintin-drahona ny lanitra sady nandrivotra be ny andro ary nilatsaka ny orambe, i Ahaba kosa nitaingina ny kalesiny ka lasa nankany Jizrehela.
46
Fa nombàn’ny herin’ny TOMPO i Elià, koa namatotra fehikibo izy ary lasa nihazakazaka teo alohan’ny kalesin’i Ahaba mandra-pahatongany teo am-bavahadin’i Jizrehela.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22