bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Revelation 10
Revelation 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 11 →
1
Dia hitako nisy anjely anankiray hafa manan-kery, nidina avy tany an-danitra: ka rahona no toy ny lamba nisalorany; voahodidin’avana ny lohany; namiratra tahaka ny masoandro ny tavany; mivaivay tahaka ny andry afo ny tongony;
2
ary nitana horonamboky kely mivelatra izy teny an-tanany. Nasabakan’io anjely io ny tongony, ka ny ankavanana napetrany teo amin’ny ranomasina ary ny ankavia napetrany teo amin’ny tany.
3
Dia niantso tamin’ny feo mahery sahala amin’ny liona mierona izy; ka nony avy niantso izy, dia nirefodrefotra namaly azy ny kotro-baratra fito.
4
Ary rehefa namaly azy ny kotro-baratra fito, dia ndeha hanoratra aho; kanjo reko nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Tano ho anao izay voalazan’ny kotro-baratra fito, fa aza soratana!
5
Ary ny anjely, izay efa hitako nijoro teo amin’ny ranomasina sy teo amin’ny tany, dia nanangana ny tanany ankavanana ho amin’ny lanitra
6
sady nianiana tamin’Ilay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny habakabaka mbamin’izay ao aminy, sy ny tany mbamin’izay ao aminy, ary ny ranomasina mbamin’izay ao aminy; ka hoy ilay anjely hoe: –Tsy hisy hataka andro intsony!
7
Fa amin’ny andro hitsòfan’ilay anjely fahafito ny trompetrany, dia ho tanteraka ny zava-miafina nalahatr’Andriamanitra, araka ny teny soa nambarany tamin’ireo mpaminany mpanompony.
8
Ary niteny tamiko indray ilay feo efa reko avy tany an-danitra, nanao hoe: –Mandehana, raiso ny horonamboky kely mivelatra eny an-tanan’ilay anjely mijoro eo amin’ny ranomasina sy eo amin’ny tany.
9
Dia nankeny amin’ilay anjely aho ka nanao taminy hoe: –Mba omeo ahy iny horonamboky kely iny! Ary hoy izy tamiko: –Raiso izy ka atelemo avokoa; hangidy ao an-kibonao izy, nefa ao am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.
10
Dia noraisiko ilay horonamboky kely teny an-tanan’ny anjely ka nateliko avokoa; ary mamy tahaka ny tantely izay tao am-bavako, nefa nony voateliko dia nangidy tao an-kiboko.
11
Tamin’izay dia nisy nilaza tamiko hoe: –Tsy maintsy mitondra ny hafatr’Andriamanitra indray ianao ny amin’ny vahoaka maro sy firenena maro sy olona maro samy hafa fiteny ary mpanjaka maro.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22