bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Revelation 14
Revelation 14
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 15 →
1
Dia indro hitako nijoro teo an-tendrombohitra Tsiôna ny Zanakondry; ary nisy olona 144 000 nomba Azy, samy manana ny anaran’ny Zanakondry sy ny anaran’ny Rainy voasoratra eo amin’ny handriny.
2
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, dia feo mireondreona tahaka ny akon’ny rian-drano sy ny kotro-baratra mafy. Ny feo izay reko dia tahaka ny mozikan’ireo mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
3
Ireo olona 144 000 ireo dia niventy toa hira vaovao teo anoloan’ny sezafiandrianana sy teo anatrehan’ireo zava-miaina efatra ary teo anatrehan’ireo loholona; ka tsy nisy nahay nianatra izany hira izany, afa-tsy ireo olona 144 000 izay efa navotana niala tamin’ny tany.
4
Ireo no tsy nandoto tena tamin’ny fomban-tsampy, satria madio toetra. Ireo no mpanaraka ny Zanakondry na aiza na aiza alehany. Ireo no efa navotana avy tamin’ny olona, mba ho santa-bokatra atolotra ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Zanakondry.
5
Ireo no tsy nandrenesan-dainga teo am-bavany, satria tsy manan-tsiny.
6
Ary hitako nisy anjely anankiray hafa koa nanidina teny amin’ny habakabaka farany ambony. Io anjely io dia nanana hafatra soa maharitra mandrakizay hotorîny amin’izay monina ambonin’ny tany, dia amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena mbamin’ny olona samy hafa fiteny sy ny vahoaka isan-tokony;
7
ka hoy izy tamin’ny feo mahery hoe: «Manajà an’Andriamanitra ka manomeza voninahitra Azy, fa tonga ny andro fitsaràny! Mitsaoha an’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’ny loharano.»
8
Nanaraka an’io dia nisy anjely faharoa nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, izay nampisotro ny firenena rehetra tamin’ny divainy, dia ny divain’ny fijangajangàny mihoa-pampana!»
9
Nanaraka an’ireo anjely anankiroa ireo dia nisy anjely fahatelo nanao tamin’ny feo mahery hoe: «Raha misy mivavaka amin’ilay biby sy ny sariny, ka mandray ny marik’ilay biby eo amin’ny handriny na eo amin’ny tanany,
10
dia izy koa no hisotro ny divain’ny haviniran ’Andriamanitra, divay izay efa naidina tsy misy fangarony ao anatin’ny tsatokaty fisotroana ny hatezeran’Andriamanitra; sady hampijalîna amin’ny afo sy solifara eo anatrehan’ny anjely masina sy eo anatrehan’ny Zanakondry izy.
11
Miakatra mandrakizay mandrakizay ny setrok’ilay afo mampijaly azy ary tsy mba manam-pitoniana na andro na alina izay olona mivavaka amin’ilay biby sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.»
12
Amin’izany no ilana ny faharetana eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, dia eo amin’izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny finoana niainan’i Jesoa.
13
Ary reko nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Soraty izao: «Sambatra ireo maty, izay maty amin’ny fanompoana ny Tompo manomboka izao! Eny, hoy ny Fanahy Masina, aoka izy ireo hahazo fitoniana amin’ny fisasarany, fa ny asany manaraka azy.»
14
Dia indro hitako nisy rahona fotsy, ka ilay nipetraka teo ambonin’io rahona io dia sahala amin’ny Zanak’olona; satroboninahitra volamena no teny an-dohany, ary antsy maranitra fijinjana no teny an-tanany.
15
Dia nisy anjely anankiray nivoaka avy tao amin’ny tempoly, sady niantso tamin’ny feo mahery ka nanao tamin’Ilay nipetraka teo ambony rahona hoe: «Ampiasao ny antsy fijinjànao, ka mijinjà; fa tonga ny taom-pijinjana, satria toy ny vokatra efa masaka dia masaka ny tany.»
16
Dia naroson’Ilay nipetraka teo ambony rahona teny amin’ny tany ny antsy fijinjàny, ka voajinja ny tany.
17
Ary nisy anjely anankiray hafa nivoaka avy tao amin’ny tempoly any an-danitra; izy koa dia nanana antsy maranitra fijinjana.
18
Ary nisy anjely anankiray hafa koa nipoitra avy teo amin’ny alitara, dia anjely manam-pahefana amin’ny afo. Niantso tamin’ny feo mahery izy ka nanao tamin’ilay anjely manana antsy maranitra fijinjana hoe: «Ampiasao ny antsy fijinjànao ka otoazy ny sampahom-boaloboka eny amin’ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.»
19
Dia naroson’ilay anjely teny amin’ny tany ny antsy fijinjàny, ka notoazany avokoa ny voaloboky ny tany, ary natsipiny tao anatin’ny famiazana goavana, dia ny famiazana manambara ny haviniran’Andriamanitra.
20
Nohosena ny famiazana izay ivelan’ny tanàna; ka nivoaka ra ny famiazana, dia ra nitobaka hatrany amin’ny telonjato kilaometatra ary nahatratra iray metatra sy sasany ny halaliny.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22