bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Revelation 8
Revelation 8
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 9 →
1
Rehefa novahan’ny Zanakondry ny tombokase fahafito, dia nangina tokony ho antsasak’adiny ny tao an-danitra.
2
Dia hitako ireo anjely fito izay mijoro eo anatrehan’Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo.
3
Ary nisy anjely anankiray hafa koa tonga nijoro teo anilan’ny alitara sady nitondra lovia volamena fandoroana vovo-javamanitra; dia nomena vovo-javamanitra betsaka izy mba hatolony miaraka amin’ny vavaka ataon’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, eo ambonin’ny alitara volamena izay manoloana ny sezafiandrianan’Andriamanitra.
4
Ary ny eton’ny vovo-javamanitra, miaraka amin’ny vavaka ataon’ny vahoakan’Andriamanitra, dia niakatra avy tamin’ny tanan’ilay anjely ho eo anatrehan’Andriamanitra.
5
Ary noraisin’ilay anjely ny lovia fandoroana vovo-javamanitra, nofenoiny vainafo mirehitra avy teo amin’ny alitara ka natsipiny ho eny amin’ny tany: dia nisy kotro-baratra sy kotrokorana aman-tselatra ary horohorontany.
6
Dia niomana hitsoka trompetra ireo anjely fito izay nanana ny trompetra fito.
7
Nitsoka trompetra ilay anjely voalohany, dia nisy havandra sy afo niharo ra nalatsaka tamin’ny tany; ka may ny ampahatelon’ny tany, may ny ampahatelon’ny hazo ary may ny ahi-maitso rehetra.
8
Nitsoka trompetra ilay anjely faharoa, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo nazera tany anaty ranomasina ka nanjary mena toy ny ra ny ampahatelon’ny ranomasina;
9
maty ny zava-miaina tao an-dranomasina ary rava ny ampahatelon’ireo sambo.
10
Nitsoka trompetra ilay anjely fahatelo, dia nisy kintana anankiray lehibe, mirehitra toy ny fanilo, nilatsaka avy tany an-danitra ary nianjera tamin’ny ampahatelon’ireo ony sy tamin’ireo loharano.
11
Ny anaran’ilay kintana dia atao hoe Ipoizimangidy; ka tonga mangidy sady voapoizina ny ampahatelon’ny rano rehetra, ary maro ny olona maty noho ny fisotroana rano voapoizina.
12
Nitsoka trompetra ilay anjely fahefatra, dia niharan-doza ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ireo kintana rehetra, mba tsy hamiratra intsony mandritra ny ampahatelom-potoana famiratany; ka tsy nisy hazavan’ny masoandro intsony nandritra ny ampahatelon’ny antoandro, ary tsy nisy hazavan’ny volana aman-kintana toy izany koa nandritra ny ampahatelon’ny alina.
13
Dia nahita voromahery anankiray nanidina teny afovoan’ny habakabaka aho ary nahare azy niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Loza! Loza! Loza ho an’ireo monina eny ambonin’ny tany noho ny feon’ny trompetra sisa efa hotsofin’ireo anjely telo!»
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22