bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Revelation 12
Revelation 12
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 13 →
1
Ary nisy famantarana lehibe niseho teny amin’ny habakabaka, dia vehivavy anankiray: ny masoandro no toy ny lamba nisalorany, ny volana no teo an-tongony; ary kintana 12 no satroboninahitra teo amin’ny lohany.
2
Bevohòka ilay vehivavy sady mihetsi-jaza ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.
3
Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny amin’ny habakabaka: indro nisy dràgona mena lehibe, manana loha fito sy tandroka folo, ary misy satroboninahitra iray avy isaky ny lohany.
4
Nifaoka ny ampahatelon’ny kintana eny amin’ny habakabaka ny rambon’ilay dràgona, ka nanjera ireny tamin’ny tany. Teo anatrehan’ilay vehivavy efa hiteraka no nijanonan’ity dràgona, mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka.
5
Dia teraka ravehivavy ka nahazo zazalahy, izay hifehy ny firenena rehetra amin’ny tehim-by ka nakarina faingana eo anilan’Andriamanitra sy eo anilan’ny sezafiandrianany.
6
Ravehivavy kosa nandositra nankany an-taniefitra, izay nisy toerana namboarin’Andriamanitra mba hamelomana azy mandritra ny 1 260 andro.
7
Dia nisy ady nitranga tany an-danitra: i Mikaela sy ny anjeliny no niady tamin’ilay dràgona; ary niady ilay dràgona mbamin’ny anjeliny.
8
Kanefa resy ilay dràgona, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony.
9
Ary nazera ilay dràgona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly na hoe Satàna, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin’ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny.
10
Dia reko nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Tonga izao ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakàn’ilay Andriamanitsika, tonga izao ny fahefàn’ilay Mesiany; satria nazera ilay mpiampanga an’ireo havantsika, dia ilay mpiampanga azy ireo andro aman’alina teo anatrehan’Andriamanitsika.
11
Ireo havantsika kosa dia naharesy ilay mpiampanga, ka ny ra nafoin’ny Zanakondry sy ny tenin’Andriamanitra nijoroan’izy ireo ho vavolombelona no nandreseny azy; ary tsy nankamamy ny ainy intsony ireo na dia ho faty aza.
12
Noho izany, mifalia, ry lanitra sy ianareo monina ao aminy. Mampalahelo ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa nidina any aminareo ny devoly sady misafoaka mafy, satria fantany fa kely sisa ny androny!»
13
Rehefa hitan’ilay dràgona fa voazera tamin’ny tany izy, dia ilay vehivavy niteraka ny zazalahy no nenjehiny.
14
Fa nomena eladroan’ny voromahery lehibe ravehivavy mba hanidinany hankany an-taniefitra, ho any amin’ny toerana izay amelomana azy mandritra ny telo taona sy tapany, ka ho voaaro amin’ny famelezan’ilay bibilava.
15
Ny vavan’ilay bibilava kosa namoaka rano toy ny riaka hanaraka an-dravehivavy mba hipaoka azy.
16
Kanjo novonjen’ny tany ravehivavy, fa nitresaka ny tany ka nitelina ny riaka izay nalefan’ny vavan’ilay dràgona.
17
Dia tezitra tamin-dravehivavy ny dràgona ka lasa nandeha tamin’ny taranany sisa, izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona; ary nijanona teo amin’ny fasi-dranomasina ilay dràgona.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22