bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Revelation 4
Revelation 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 5 →
1
Taorian’izany, dia indro hitako nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo tany am-boalohany, izay efa reko niteny tamiko tahaka ny feon-trompetra, no nanao tamiko hoe: –Miakara atỳ, dia hasehoko anao ny zavatra tsy maintsy ho avy manaraka.
2
Niaraka tamin’izay dia nahazo tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina aho. Ka indro nisy sezafiandrianana anankiray tany an-danitra, ary nisy nipetraka teo ambonin’io sezafiandrianana io.
3
Ny tarehin’Ilay nipetraka dia namiratra tahaka ny vatosoa jaspa sy sardoanina; ary avana miendrika vatosoa emeralda no nanodidina ilay sezafiandrianana.
4
Nanotrona io sezafiandrianana io dia nisy sezafiandrianana hafa 24; ary teo ambonin’ireo sezafiandrianana ireo dia nisy loholona 24 nipetraka, niakanjo akanjo fotsy sady nisatroka satroboninahitra volamena.
5
Tselatra sy feo ary kotro-baratra no nivoaka avy tamin’ilay sezafiandrianana afovoany; ary nisy jiro fito mirehitra teo anoloany, dia ny Fanahy Masina ombàm-panomezana fito avy amin’Andriamanitra.
6
Teo anoloan’ilay sezafiandrianana afovoany dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vatosoa kristaly. Namefy akaiky an’ilay sezafiandrianana afovoany isaky ny lafiny avy dia nisy zava-miaina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.
7
Ny zava-miaina voalohany dia tahaka ny liona; ny zava-miaina faharoa dia tahaka ny vantotr’ombalahy; ny zava-miaina fahatelo dia manan-tava tahaka ny an’ny olona; ary ny zava-miaina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.
8
Ireo zava-miaina efatra ireo dia samy manana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany manontolo teo ivelany sy tao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman’alina izy efatra manao hoe: «Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha Ilay taloha sy ankehitriny ary avy!»
9
Omen’ireo zava-miaina voninahitra sy haja ary saotra Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana afovoany, dia ilay Velona mandrakizay mandrakizay. Ary isaky ny manao izany izy efatra,
10
dia miankohoka eo anoloan’Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana afovoany koa ireo loholona 24, mitsaoka ilay Velona mandrakizay mandrakizay sady manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ilay sezafiandrianana ka manao hoe:
11
«Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery. Fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, sady noho ny sitraponao no nisiany sy naha ary azy.»
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22